FIOMPIANA KISOA

FIOMPIANA KISOA
NY FIOMPIANA KISOA AMIN’IZAO FOTOANA IZAO
Ny fiompiana kisoa dia saika hita manerana ny Nosy eto Madagasikara. Ny ankamaroan’ny fiompiana dia
ataon’ireo mpiompy madinika. Ny fomba fiompiana dia misy endrika maro izay manomboka amin’ny netim-paharazana ka hatramin’ny nohatsaraina.
Misy
karazany
maro
ny
kisoa
ompiana
eto
Madagasikara:
ny
kisoa
zanatany, ny zafindraony ary ireo kisoa vahiny. Ny zafindraony no tena be mpiompy .
Ny hena kisoa dia maro mpankafy, na dia tsy misy taharo aza ny vokatra izay hita eny antsena, izay matetika toa tsy manome fahafaham-po tanteraka ny mpanjifa (na ny olon-tsotra na ny mpanodina) ka izay indrindra no manosika ny mpiompy hiroso amin’io lalampihariana io.
Amin’izao
fotoana
izao
anefa
dia
mbola
miaina
ny
tarazo
izay
navelan’ny PPA (Pesta Kisoa Afrikanina) ny fiompiana , ankoatra ireo aretina mpahazo ny kisoa toy ny Ramoletaka na Teschen, ny ramijidina na ny Peste Porcine Classique.
Ankoatra izany, anisan’ny olana eo amin’ny fiompiana ihany koa ny fisian’ny fifangaroan’ny rà na consanguinité eo amin’ny kisoa eto Madagasikara, na dia efa misy aza ny fandraisana anjara izay ataon’ny Malagasy Professionnels de l’Elevage (MPE) eo amin’ny fampivoarana ny fiompiana Kisoa indrindra indrindra amin’ny alalàn’ny fanatsarana ny taranaka kisoa amin’ny fanaovana fampanarahana enti-tanana.
Na izany aza ny vesatra misy eo anatrehan’ny mpiompy, dia azo atao ny miezaka ny hamaha
ny sakatsakana amin’ny fanarahana ny lalàna mifehy ny kisoa sy ny fiompiana manara-penitra.
NY FIOMPIANA KISOA MANARA-PENITRA
Inona avy ireo fepetra ilaina raha hanao ny asa fiompiana kisoa manara-penitra?
1.
2.
3.
4.
5.
Ny
Ny
Ny
Ny
Ny
toerana iompiana kisoa
sakafo omena ny kisoa
taranaka kisoa ompiana
fitandroana ny fahasalamana
fitantanana ny fiompiana
1.Toerana manao ahoana no tokony hanorenana ny fiompiana?
- Ny toerana hametrahana ny fiompiana
Toerana tsy anaty tanàna, mora ivezivezena, maintsy talakin-drivotra ary misy rano madio azo ampiasaina mandavan-taona
- Ny toerana iompiana ny kisoa
Ny tranon-kisoa dia tsy maintsy manaraka ny fenitra ara-teknika:
•
mifefy sy mihidy
•
miaro ny kisoa amin’ny orana sy ny hafanana
•
mafy ary mora diovina
•
mifanaraka amin’ny isan’ny kisoa sy ny sokajiny ompiana
•
misy fitaovana mifanaraka amin’ny isan’ny kisoa ompiana
2. Toy inona ary ny sakafo omena ny kisoa?
- Ny sakafo omena ny kisoa dia tsy maintsy ara-pahasalamana,ampy ara-kalitao sy fatra
- Ny tena tsara dia sakafo efa voavoatra”na praovandy” no omena azy
- Ny rano madio , ampy tsy tapaka
- Ny fanomezana ny sakafo dia amin’ny ora mitovy, tsy miovaova
3. Toy inona ary izany ny karazana kisoa ompiana?
Ilaina ny fifidianana ny biby ompiana
Ny kisoa ompiana dia tokony ho tsara taranaka, tsy misy fifangaroan’ny rà amin’ny kisoa miaraka ompiana amin’ny toerana iray, mba ahazoana vokatra tsara
4. Ny fitandroana ny fahasalamana
- Tokony hadio ny vatany sy ny tranony
- Omena ireo fanafody fanalàna ny kantsetsitra isankarazany ( na anatiny io na ivelany)
- Atao vaksiny fanefitra ara-potoana amin’ireo aretina mpahazo ny kisoa toy ny fanefitry ny ramoletaka
, ny PPC, sy ny ramijidina sy ny sisa
- Ny fitaovana sy ny kojakoja rehetra ampiasaina ao amin’ny tranonkisoa toy ny fitaovam-pihinanana,
fitaovam-pisotroana, ...
5. Ny fitantanana ny fiompiana kisoa
Ny fitantanana ny fiompiana dia anisan’ny manandaja lehibe eo amin’ny fanaraham-penitra ny fiompiana ny fahaizana.
-
Tekinikam-piompiana:
Fomba fiompiana
Ny toeram-piompiana: trano, fanorenana hafa,...
Ny fifidiana sy fampiasana taranaka kisoa
Ny sakafony
Ny fikajiana sy fanaraha-maso ny fahasalaman’ny kisoa
Ny fampiasana fitaovana mahomby
Ny fanaraha-maso ara-tekinika ny fiompiana.
Tekinikam-pitantanana:
- Ny fampiasana fitaovam-pitantanana samihafa (outils)
- Ny fitsinjovana mandavan’andro ny fahakelezan’ny fandaniana : (ohatra :gestion de stock alimentaire,...)
- Ny fampanojoana ny tolotra amin’ny tinady (isa, lanja, kalitao, fotoana,.)
Loharano: DRA