FLM TOBY FANANTENANA 67 Ha Fiombonam

FLM TOBY FANANTENA NA 67 Ha
Fio mbonam-bavaka Alahady VI alohan’ny Paska
Herinandro 18-23 Febroary 2016
“Ny mino ma ndresy ny fakam-panahy”
*
Fitarihan-kevitra: Amin’ny andron’ny fizahan- toetra toy izao dia mandrovy tsihy ny devoly mba handavoana na ny mino aza, raha
azo atao (Mat.24:24) “satria fantany fa kely sisa ny androny” Apok.12:12d . Mandresy ny fakam-panahy kosa no lova
omen’Andriamanitra izay rehetra mino an’i Jesosy Kristy Zanany ”Fa izay rehetra nandray Azy dia nomeny hery ho tonga
zanak’Andriamanitra” Jao.1:12. Fa ””izay rehetra naterak'Andriamanitra dia maharesy izao tontolo izao” 1 Jao.5:4a.
Alatsinainy 18: Ny mino mandresy ny devoly mpaka fanahy.
"Dia hampifandrafesiko hianao sy ny vehivavy ary ny taranakao sy ny taranany: izy hanorotoro ny lohanao"
Gen.3:15. Vakiteny 1: Ro m.16:17-20. Vakiteny 2: Gen.3:1-24. Toriteny 1: (safidy). Toriteny 2: Gen.3:14-15.
Fitarihan-kevitra: Ny ady amin’ny devoly mpaka fanahy, tsy adin’olombelona fa adin’Andriamanitra. Koa na dia
mahatsiaro manana fahalemena aza isika manoloana ny fakam-panahy, dia hoy ny Tompo: ”Ampy ho anao ny
fahasoavako; fa ny heriko. dia tanterahina amin'ny fahalemena” 2 Kor.12:9. Ny fahasoavan’Andriamanit ra
mandresy ho antsika, d ia Jesosy miteny amintsika manao hoe: ”Ny fiadanako no omeko anareo” Jao.14:27b .
Talata 19: Ny mpanompon’Andriaman itra mahajoro.
“Fa amin'ny zavatra rehetra dia mampiseho ny tenanay ho mpanompon'Andriamanitra izahay” 2 Kor.6:4.
Vakiteny 1: Gen .39:1-9. Vakiteny 2: 2 Kor.6:1-10. Toriteny 1: (safidy). Toriteny 2: 2 Kor.6:4.
Fitarihan-kevitra: Ny mpanompon’Andriamanit ra dia mahajoro mahatohitra sy mandresy ny fakam-panahy noho ny
Tompo mo mba azy. Hoy ny Apostoly Paoly: ”Raha Andriamanitra no momba antsika, iza no hahatohitra antsika?”
Ro m.8:31. Ary satria ny devoly dia mpiampanga, dia mbola hoy Paoly: ”Iza no hiampanga ny olom-boafidin'Andriamanitra? Andriamanitra no manamarina azy. Iza no manameloka? Kristy Jesosy no efa maty, eny, sady nitsangana
tamin'ny maty koa ka mitoetra eo amin'ny tanana ankavanan'Andriamanitra ary mifona ho antsika ” Ro m.8:33-34.
Alarobia 20: Jesosy Kristy nandresy ny mpaka fanahy.
"Dia nandao Azy ny devoly, ary indreo, nisy anjely tonga ka nanompo Azy." Mat.4:11.
Vakiteny 1: Heb.2:10-18. Vakiteny 2: Mat.4:1-11. Toriteny 1: (safidy). Toriteny 2: Mat.4:11.
Fitarihan-kevitra: Jesosy Kristy nandresy ny mpaka fanahy satria ”velona sy mahery” tao A miny ny tenin’Andriaman itra (Heb.4:12). Ho an’izay nandray Azy dia ampahitany azy ny voninahitr’Andriaman itra izay mandresy
tanteraka ny mpaka fanahy araka ny voasoratra hoe: ”Ary ny Teny dia tonga nofo ka nonina tamintsika; ary hitanay
ny voninahiny, dia voninahitra miendrika ho an'ny Lahitokana avy tamin'ny Ray, sady feno fahasoavana sy
fahamarinana” Jao.1:14.
Alakamisy 21: Ny mino mandresy amin ’ny finoana an’i Jesosy.
"Ary izy ireo naharesy azy noho ny amin'ny ran'ny Zanak'ondry sy ny teny filazana Azy" Apok.12:11a.
Vakiteny 1: 1 Jao.5:1-5. Vakiteny 2: Apok.12:7-11. To riteny 1: (safidy). Toriteny 2: Apok.12:11.
Fitarihan-kevitra: Hoy Jesosy: ”Ny zavatra rehetra dia hain’ny mino” Mar.9:3, dia izay rehetra manana an’i Jesosy
ho Tompony sy Mpamonjiny, ka afaka miteny tahaka an’i PaolyApostoly manao hoe: ”Mahay ny zavatra rehetra aho
ao amin'ilay mampahery ahy” Fil.4:13. Fahefana feno no omen’ny Tompo ny mino mba handreseny ny mpaka
fanahy. Hoy Jesosy: ”Indro, efa nomeko fahefana hanitsaka menarana sy maingoka sy h andresy ny hery rehetra
ananan'ny fahavalo hianareo, ka tsy hisy hampaninona anareo akory” Lio.10:19.
Zoma 22: Ny mino mandresy ny fakam-panahy amin’ny Vavaka.
“Miareta tory sy mivavaha hianareo, mba tsy hidiranareo amin'ny fakam-panahy” Mat.26:41a.
Vakiteny 1: Dan.6:11-24. Vakiteny 2: Mat.26:36-42. To riteny 1: (safidy). Toriteny 2: Mat.26:41.
Fitarihan-kevitra: Izay manana firaisana amin’i Jesosy no voaro amin’ny fakam-panahy ary mandresy ny mpaka
fanahy. Amin’ny alalan’ny Vavaka no ananantsika firaisana velona A miny ka handraisantsika ny heriny sy ny
fahefany izay mandresy ny ratsy rehetra, dia ny Fanahy Masina. Feno toky ny manana ny Fanahy Masina ao anatiny
fa voasoratra hoe: ”Fa tsy nandray ny fanahim-pahandevozana ho amin’ny tahotra indray hianareo [tahotra ny
fakam-panahy], fa nandray ny fanahin’ny zanaka natsangana, izay iantsoatsika hoe: Aba, Ray ô” Ro m.8:15.
Asabotsy 23: Ny mino mandresy ny fakam-panahy no satrohina voninahitra.
”Izay maharesy no hataoko andry eo amin’ny tempolin’Andriamanitro” Apok.3:12.
Vakiteny 1: 1 Jao.2:12-14. Vakiteny 2: Apok.3:7-13. Toriteny 1: (safidy). Toriteny 2: Apok.3:12.
Fitarihan-kevitra: Amin’ny finoana no handovana ny fanjakan’ny lanit ra sy ny fiainana mandrakizay. Fahasahiana
masina sy faharetana no takian’izany. Fa hoy Jesosy: ”Izaho hanome maimaimpoana amin’ny loharanon’ny
ranon’aina ho an’izay mangetaheta. Izay maharesy no handova izany; ary ho Andriamaniny Aho, ary izy ho zanako ”
Apok.21:6-7. ”Koa aza manary ny fahasahianareo izay misy valiny lehibe” Heb.10:35. Fa ”raha miaritra isika, dia
hiara-manjaka Aminy” 2 Tim.2:12a.
Nota: . Ity perikopa ity dia azo jerena ao amin’ny Site www.flm67ha.org sy www.h ifi-madanet.
© Madanet.