Litorjia Paska - FJKM Tranovato Ambatonakanga

FANEKEM-PINOANA ARAKA NY SORATRA
MASINA – LAH-3
RAKITRA SY ADIDY SAMIHAFA
13/04
Rakitra
Voalohany
Adidy, adidy ivelany, Vokatra
Samihafa
255.410
366.400
500.000
FITAMBARANA
1.121.810
Rakitra faharoa: 248.900 Ariary
Rakitra Tsangambato: 271.950 Ariary
MOFON’AINA
“Tsy mofo ihany no hiveloman’ny olona
fa ny teny rehetra izay aloaky ny
vavan’Andriamanitra.” (Mat.4:4)
Daty
20 APRILY 2014 – 20 MEY 2014
Teny hovakìna
20/04
21/04
22/04
23/04
24/04
25/04
26/04
27/04
28/04
29/04
30/04
01/05
02/05
03/05
04/05
05/05
06/05
07/05
08/05
09/05
10/05
11/05
12/05
13/05
14/05
15/05
16/05
17/05
18/05
19/05
20/05
Hos.13: 14-15; Lo.24: 1-12; 1 Kor.15: 12-23
Jona 2: 1-11
Hos.13: 14-15
2 Kor.1: 8-11
Lio.24: 1-12
Jao.8: 48-59
Kol.2: 9-15
Isa.25: 6-8; Lio.7: 11-17; Apo.21: 1-8
Jao.5: 24-29
Isa.25: 6-8
Apo.21: 1-8
2 Tim.3: 1-9
Mar.12: 28-34
Lio.19: 1-10
Deo.8: 7-20; Lio.6: 32-36; 1 Jao.3: 13-17
Fil.3: 1-11
Lio.6: 32-36
Rom.13: 8-14
I Jao.3: 13-17
Efe.4: 31-32
Lev.25: 35-38
Eks.1: 8-21; Mar.10: 35-45; Jak.5: 1-6
Jao.15: 11-16
Eks.1: 8-21
Tit.1: 5-9
Jak.5: 1-6
Lio.16: 18-31
Gen.13: 5-9
Hag.1: 1-15; Mat.18: 21-35; Heb. 13: 1-6
I Kor.13: 4-13
Mat.18: 21-35
Mino an’Andriamanitra Tsitoha aho,
Izay Mpanao ny lanitra sy ny tany.
Andriamanitra
dia
Fanahy,
Andriamanitra
dia
fitiavana,
Andriamanitra
dia
manjaka
hatramin’ny taloha indrindra ka ho
mandrakizay. Andriamanitra dia
nampiseho ny fitiavany antsika, fa
fony mbola mpanota isika, dia maty
hamonjy antsika Kristy.
Mino an’i Jesoa Kristy, Zananilahy
Tokana, Tompontsika aho. Tonga Izy
hitady sy hamonjy ny very. Izy no
làlana sy fahamarinana ary fiainana.
Izy dia tsy miova omaly sy anio ary
mandrakizay.
Mino ny Fanahy Masina aho. Izy no
manambara amin’ny fanahintsika fa
zanak’Andriamanitra isika. Fanahy
iray ihany no nanaovam-batisa antsika
rehetra ho tena iray. Ny fandresena
izay enti-mandresy izao tontolo izao
dia ny finoantsika. Tompo ô,
ampitomboy ny finoanay. Amena
ANTOKO MPIHIRA ORIMBATO
FIANGONAN’I JESOA KRISTY ETO MADAGASIKARA
TRANOVATO AMBATONAKANGA
~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~
“MAMONJY AMIN’NY FAHAFATESANA NY TOMPO”
TAKELAKA ORIMBATO
Lah. 678
Ifarimbonan’ny Loholona sy ny Diakona,
ny Fikambanana sy ny Komity,
ny Sampana sy ny Rantsana
ANTSA PASKA 2014
“ … tsy misy mpamonjy afa-tsy
Izaho “ (Hosea 13 : 4d)
ALAHADY 20 APRILY 2014
4 ora hariva
eto amin’ny Fiangonana
“Vakionareo ny Soratra Masina ...”
TENY FIAINANA Joba 5 : 20
«Raha avy ny mosary, dia hiaro anao amin'ny fahafatesana Izy; Ary raha
avy ny ady, dia hiaro anao tsy ho voan'ny sabatra Izy»
Fandraharahana : 22 222 75 // Mpitandrina : 22 240 50 – 032 07 611 15 // 033 02 240 50
www.fjkmtranovatoambatonakanga.mg
Isan’ny natonta 1. 500 ex
Hobiantsika sy asandratsika ny anaran’ny Tompo,
mpandresy ny fahafatesana!
Arahabaina koa anefa isika izay mino fa voavonjy,
tafafindra niala tamin’ny fahafatesana ho amin’ny
fiainana.
Mifalia sy miravoravoa raha efa iainanao izany.
Raha toa kosa mbola mangeja sy mamatotra anao
ny fahafatesana, araka izay endrika rehetra mety
hisehoan’izany, dia meteza ianao anio
ho vonjen’ny Tompo.
Ny Mpitandrina: Razafiniarivo Fidison Maxime
L I T O R J I A
ANDRON’NY PASKA
ALAHADY, faha-20 APRILY 2014
FIDERANA SY FANOMEZAM-BONINAHITRA NY TOMPO (1 Kor. 15,20ss; Lio. 24,7; Hos. 13,14b)
Mpitarika: “Efa
Iarahana
natsangana tamin'ny maty tokoa Kristy ho santatr'izay efa nodi-mandry.
Ary satria ny olona iray no nisehoan'ny fahafatesana, dia ny Olona iray kosa no
nisehoan'ny fitsanganan'ny maty. Fa tahaka ny ahafatesan'ny olona rehetra ao amin'i
Adama no ahaveloman'ny olona rehetra kosa ao amin'i Kristy.”
: “Ny Zanak'olona tsy maintsy hatolotra eo an-tànan'ny mpanota ka hohomboana
amin'ny hazo fijaliana ary hitsangana amin'ny andro fahatelo. Ry fahafatesana ô,
aiza ny aretina fandripahanao? Ry fiainan-tsi-hita ô, aiza ny fandringananao?”
Q
HIRA : 146 and. 1, 3 - VAVAKA FIDERANA
-
FANAMBARANA NY SITRAPON’ANDRIAMANITRA (Lio. 24,5d; Jao. 5,25)
: Hoy ny anjelin’ny Tompo: «Nahoana no ato amin'ny maty no itadiavanareo ny velona?
Tsy ato Izy fa efa nitsangana; tsarovy ny teny izay nataony taminareo.”
Besinimaro : “Avy ny andro ary tonga ankehitriny, izay handrenesan'ny maty ny feon'ny Zanak'
Andriamanitra; ary izay mandre dia ho velona. Amena.”
Mpitarika
Q HIRA : 140 and. 2
FIAIKEN-KELOKA SY FIFONANA (vavaka ataon’ny mpitarika)
Q HIRA : 142 and. 4
TENY SOA MAHAFALY FAMELAN-KELOKA (Hos. 13,14a; 1 Kor. 5,7; 15,57)
Hoy ny Tompo: “Havotako tsy ho azon'ny herin'ny fiainan-tsi-hita izy; Hovonjeko
ho afaka amin'ny fahafatesana Izy. Fa voavono Kristy Paska ho antsika. Voavela
ny helokareo noho ny anarany masina. Mifalia sy miravoravoa ka mankalazà ny Tompo.
Mandehana ka aza manota intsony.”
Besinimaro: “ Isaorana anie Andriamanitra, Izay manome antsika ny fandresena amin’ny alalan’i
Mpitarika :
Jesoa Kristy Tompontsika. Amena.”
Q HIRA : 141 and. 1, 4
FANEKEMPINOANA ARAKA NY SORATRA MASINA- lah.3 - (Fiatoana kely: Feon-
javamaneno / Hiran’ny Mpihira)
FILAZANA NY RAHARAHAM-PIANGONANA
RAKITRA: I (Fiangonana) – II (Radio Fahazavana (Fid. I) – Radio Protestanta (Fid. II)) - III (AFF): HIRA: Antema 4
VAVAKA FANOLORANA
Q
HIRA : 138 and. 1
VAVAKA HO AMIN’NY FANAZAVAN’NY FANAHY MASINA NY TENIN’ANDRIAMANITRA
FAMAKINA NY SORATRA MASINA : Hos. 13, 14-15 ; Lio. 24, 1-12 ; 1 Kor. 15, 12-23
Q HIRA : 133 and. 5, 6
TORITENY (Faranana amin’ny hiran’ny Mpihira) - VAVAKA FANGATAHANA
BATISA / FANOKANANA HO DIAKONA (Fid. II) : Q HIRA : 128 and. 1, 3
Q
TSODRANO
HIRA : HF 19 and. 2
Q HIRA : HF 26 and. 1, 3
FANDRAISANA NY FANASAN’NY TOMPO
VAVAKA FANOMBOHANA – HIRA: 1 and. 1 - TENY FANORENANA
VAVAKA FAHATSIAROVANA – HIRA : 253 and. 3 (feony = 176)
VAVAKA FANGATAHANA NY FANAHY MASINA - FAMAKIANA NY MOFO - VAVAKA FANETREN-TENA
FIZARANA NY MOFO SY NY KAPOAKA: HIRA:
HF 5
FANDRAISANA NY FANASANA
RAKITRA SY FANANGONANA NY KAPOAKA – HIRA : 487
HAFATRA SY TSODRANO – HIRA : 255 and. 1
DORKASY
VONINKAZOM-PIANGONANA : Mbola manentana antsika rehetra maniry handray anjara amin’ny voninkazo
ato am-piangonana fa mbola betsaka ireo daty azo isafidianana miandry antsika. Koa aoka hisoratra anarana
ao amin’ny Sekretera Mpandraharaha izay rehetra vonona amin’izany. Maneho fisaorana mialoha sahady
amin’ny fiaraha-miasa.
SAMPANA LEHILAHY KRISTIANA
Komitin’ny fankalazana ny faha-15
3 taona SLK SPIA
Ao anatin’ny fankalazana an’Andri amanitra noho ny faha-15 taona nijoroan’ny SLK SPIA, dia misy ireto hetsika
ireto ho entina manamarika izany:
fanokafana sy fankalazana: 01 Mey 2014: rodorodopifaliana (hazakazaka: fihaingana AnosiavaratraIvotoerana 8 ora maraina – 8 Mey: Fanokafana sy fankalazana ny faha-15 taona: FJKM Analamahitsy amin’ny
9 ora sy sasany maraina, faranana amin’ny fandraisana ny Fanasan’ny Tompo – 15 Mey: Komity Lehibe: FJKM
Anjanahary Maritiora amin’ny 9 ora sy sasany maraina – 29 Mey: Fanokafana hetsika ara-panatanjahantena –
31 Mey: Ivon’ny Fankalazana, FJKM Ambohinaorina Sabotsy Namehana, amin’ny 9 ora sy sasany, hisy ny
Sakafom-pifaliana – 20-21 Jona: Tsenabe 15 taona: Ivotoerana – 12 Jolay: Fihaonambe SLDOR, Antsahafilo,
12-13-14 Septambra: Tafika Masina iombonana, FJKM Miadana faritra Ambohimanga- 13 Desambra :
Famaranana 15 taona: FJKM Andranomalaza Ivato, amin’ny 9 ora sy sasany
FIANGONAN’I JESOA KRISTY ETO MADAGASIKARA
SYNODAMPARITANY IARIVO AVARADRANO ( SPIA 19)
“ Fa ny fanantenana no namonjena ny mino “
(Romana 8 : 24a)
FIVORIAMBE VOALOHANY
Asabotsy 3 Mey 2014, amin’ny 9ora sy sasany
eto amin’ny FJKM TRANOVATO AMBATONKANGA.
Anasana antsika vahoakan’Andriamanitra rehetra am-pitiavana mba hiara-hiombona
amin’ny fanompoampivavahana fisaorana sy fiderana an’Andriamanitra.
Hisy fiarahana mandray ny Fanasan’ny Tompo.
Faranana amin’ny fiaraha-misakafo ny fotoana .
Miantso antsika Mpianakavin’ny finoana rehetra tsy ankanavaka hiara-misalahy amin’ny
fandavorariana ny fanomanana rehetra ka hanatevina ny Komity mpikarakara araka ireto
VAOMIERA ireto: Filaminana, Fampitaovana, Fanentanana, Fandraisan’olona, Sakafo.
Miandry anao ny Tompo amin’ny fanatanterahana izany andraikitra masina sy sarobidy
izany.
Ho voninahitr’Andriamanitra irery ihany!
Tapakila sakafo : 500 ar
Diakona tompon’anjara amin’ny volana APRILY / Faritra FAHAROA Filoha : Atoa ANNETTE Alain
Tompon’anjara Alahady : 20/04: PASKA – FIDIRANA IN-DROA -7 ora sy 10 ora (+batisa, fanokanana Diakona)
27/04: DORKASY AMBATONAKANGA
Anjara voninkazo : 20/04 (Paska): Rtoa RAZAFINDRAFITO Nirina
27/04: Rtoa RAMANANTSOA Nirina
Fanatazana ny Rakitra III : : 20/04 (fid.I): STK- (fid.II): S.A.); 27/04: Katekomena- 04/05: fid.I: Komity
“Amin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina. Amena
-2-
Tsangambato- fid.II: SAFIF- 11/05: V.Vola- 18/05: SVM- 25/05: V. Fppvhana
-3-