APRILY 2014 Bitsika MINISITERAN’NY FITANTANAMBOLA SY NY TETIBOLA Gazetim-baovao mivoaka isam-bolana - n° 0043 - Aprily 2014 Pr. RAZAFINDRAVONONA Jean Ingénieur Statisticien Economiste Jery todiky ny fanatanterahana ny tetibola telovolana fahaefatra, taona 2013 P. 4 & 5 RAVANOMANANA Paul SREB Anosy Nanamafy ny fanajàna ny fitsipika ara-bola ny CRGP P. 9 EDITO VAOVAO DGI ADY AMIN’NY VAROTRA TSY MISY FAKITIORA IRAY : FIOMANANA ROA : MAKA BAHANA TELO : DIA LASA Ny Fiadidiana Ankapobeny ny Hetra dia namerina indray, tato anatin’ny herinandro vitsivitsy izay, ny ady amin’ny varotra tsy misy fakitiora. karazany amin’ny famindrana tsenam-panjakana toy ny petadrindrina, ny fizaham-bidy amin’ny mpamatsy entana telo samihafa, sns … Ary tokony efa am-pelatanan’ny Tahirimbolampanjakana sy ny Fanarahamaso ny Volam-panjakana ireo taratasy fanamarinana rangopohy. T ahàka ireo mpihazakazaka amin’ny lalao olimpika, vita ny fiomanana nandritra ny famolavolana ny tetibola. Tanteraka ihany koa ireo fiofanana mahakasika ny fanatanterahana ny tetibola 2014 na ny teto an-Antananarivo izany na ny tany amin’ny faritra. Iny telo volana lasa iny no nakana bahana amin’ny fanatanterahana ny asa. Lasa isika izao ka hiatrika ny telo volana faharoa. Azo ampiharina avy hatrany, nanomboka tamin’ny 02 Janoary 2014 teo, ny tetibolam-panjakana rehefa nampahafatarina araky ny fomba mahazatra tamin’ireo tompon’andraikitra isan-karazany. Matetika anefa dia ny taham-pandrindrana ny fandaniana (taux de régulation) amin’ny telo volana voalohany no atao fialantsiny amin’ny fahataran’ny fampiharana ny tetibola. Heverina fa efa tomombana tamin’iny telovolana voalohany iny ny fiomanana isan-karazany. Anisan’izany ny fanendrena ireo mpiantsehatra ara-bola sy ny mpikirakira solosaina (opérateurs de saisie), ny drafitr’asa isantaona (plan de travail annuel), ny drafi-pandraiketana fandaniana (plan d’engagement) sy ny drafitra amin’ny fividianana entana (plan d’acquisition) araka ny laharampahamehana sy ny fandrindrana ny fandaniana. Ao ihany koa ireo didimpitondrana mikasika ny caisse d’avances, ny mari-pahadiovampitantanana tamin’ny roa taona lasa (quitus n-2). Tsy adinoina ireo dingana isan- Gazetim-baovao mivoaka isam-bolana - n° 0043 - Aprily 2014 - pejy 2 Efa vita lamina ny asan’ny departemanta rehetra. Ny tompon’andraikitra tsirairay dia tokony hiatrika ireo adidiny avy, fa tsy hanao andraso andraso, mba hampirindra tsara ny fampiharana ny Tetibolampanjakana. Tsy fotoanan’ny fakana bahana intsony izao fa efa dingan’ny fampiharana. Ny tahan’ny fandrindrana ny fandaniana 42.2% rahateo dia ampy hanatanterahana ireo iraka nampanaovina ny sampandraharaha tsirairay. Izany dia tontosaina manaraka ny fitsipika aman-dalàna manankery. Raha ny mpihazakazaka ihany no atao ohatra, ny hafainganam-pandeha ambony indrindra no miady rima amin’ny telovolana faharoa. Ny tahan’ny fandàvana antontataratasy (taux de rejet) sy ny fahatrarana tanjona no handrefesana ny fahombiazan’ireo mpanalalana (Ordsec) sy mpitantana asa (Gac). RAKOTONDRABE Zoly Chef SAIDM/DESB/DGB M iisa valo amby enimpolo sy roan-jato ny mpambongady sy orinasa ary mpanafatra entana nosavaina. Tsy misy ny fampilazana mialoha eo am-panatanterahana izany, ary teo anelanelan’ny 3 ka hatramin’ny 14 martsa no nisian’ny hetsika. Io tsirinkevitra io dia tafiditra amin’ny ady amin’ny varotra tsy misy fakitiora, izay nahazo vahana tokoa nandritra iny vanim-potoanan’ny fahasahiranana iny, araka ny filazan’ireo tompon’andrikitra avy amin’io departemanta io. Tsenan'Anosibe - Antananarivo. Sary : lanation.mg laoniny sy fanarenana. Tsy mandeha irery ny sampandraharahan’ny hetra eo am-panatanterahana izany hetsika fanarenana izany fa nahazo fanohanana avy amin’ireo tompon'andraikitra ambony ao amin'ny Minisitera. Atoa TAZAFY Armand, Tale Jeneralin'ny Sampandraharahan'ny Hetra Ny famerenana ny tany tan-dalàna nampanantenain’ny Filohan’ny Repoblika sy ny fahatsapana ny fihenan’ny vola miditra avy amin’ny hetra no nanosika ny DGI hamerina ny hetsika izay efa natao tamin’ny taona 2009 mba hanarenana ny zava-misy eo amin’ny lafiny hetra. Ankoatry famerenana ny tany tandalàna, ny Fiadidiana Ankapobeny ny Hetra dia mihevitra fa izao no fotoana fameranana amin’ny Ny varotra tsy misy faktiora dia nampidina ny hetra niditra indrindra ny TVA sy ny Droit d’Accise ary ny hetra amin’ny vola miditra. Araka ny vinavinan’ny DGI, tsy misy afatsy 40% amin’ny raharaham-barotra ihany no tafiditra amin’ny sehatra ara-dalàna. Io fisavàna tsy misy fampilazana mialoha io dia ho tohizana any amin’ireo faritra. Marihina mantsy fa Antananarivo sy Toamasina no nanombohana ny hetsika. Mandritra ny fidinana eny an-toerana, ireo mpiasan’ny hetra dia arovan’ny mpitandro filaminana. Maro ny fomba azo hitiliana ny fandikan-dalàna toy ny fanamarinana ny vola miditra isan’andro. Ny tanjona dia ny fanarenana sy ny fanadiovana ary ny famerenana amin’ny laoniny, fa tsy ny fanasaziana akory araka ny fanazavan’ny Tale Jeneralin’ny Hetra. Nambarany ihany koa fa mifanohitra amin’ny lalàna manankery ny fangatahan’ny sehatra tsy miankina hampiatoana ny fanarahamaso ara-ketra nanomboka tamin’ny fiandohan’iny teteza-mita iny. Nampiany fa eto Madagasikara, ny rafitra fanambarana hetra no ampiharina. Malalaka ny mpandoa hetra tsirairay amin’ny fanambarana ataony nefa tsy maintsy misy ny fanarahamaso avy eo. RAKOTONIONY Noro V. Suzy Ccom DGI Gazetim-baovao mivoaka isam-bolana - n° 0043 - Aprily 2014 - pejy 3 VAOVAO D GB /DE S B JERY TODIKY NY FANATANTERAHANA NY TETIBOLA TELOVOLANA FAHAEFATRA, TAONA 2013 Ny 12 sy 13 ary 14 Martsa 2014 no notanterahina tao amin’ny Trano fivorian’ny Tetipivoarana ao Anosy ny Jery Todika mikasika ny fampiharana ny tetibola telo volana faha-4 amin’ny taona 2013. N y lahateny fanokafana dia notarihandRamatoa Sekretera Jeneralin’ny Ministeran’ny Fitantanambola sy ny Tetibola, izay nisolotena ny Minisitry ny Fitantanambola sy ny Tetibola. Io andro io dia natrehan’ireo Tale Jeneraly ato amin’ny Ministeran’ny Fitantanambola sy ny Tetibola (Tetibola, Tahirimbolam-panjakana, Manamahefa Mandrindra ny Tsenam-panjakana). Io fotoana io, izay zava-dehibe tokoa eo amin’ny fitantanambolampanjakana, dia fotoana ahafahan’ireo mpiandraikitra tetibola rehetra mihaona, na ny avy aty amin’ny foibe izany na avy any amin’ny faritra. Nandritry ny lahateniny, Ramatoa Sekretera Jeneraly dia nampahatsiahy ny toejava-nisy tamin’iny taona 2013 raha tsy hitanisa fotsiny afatsy ireo zavadehibe toy ny politikan’ny fitsitsiana, ny fihenan’ny sorabola natokana ho an’ny fampandehanandraharaha sy ny hanam-pamokarana (Investissement). Notsindriana ihany Ny Mpitantana ny Minisitera nanatrika ny fivoriana. koa anefa fa niabo ny tahan’ny fitombonan’ny toekarena na dia teo aza ny fahasahiranana. Nampahatsiahy ny andraikitry ny tsirairay ihany koa izy indrindra indrindra momba ny fivangongoan’ireo antotantaratasy amin’ny fiafaran’ny taom-piasana izay mahatonga fandàvana sy fanomezana alalana manokana na dia efa fantatra aza fa tokony hampiarina miandalana mandrity ny taona ny tetibola fa tsy amin’ny faran’ny taona ihany. Ny anjara fitenenan’ny Tale Jeneralin’ny Tetibola kosa dia mikasika ny fanehoana ankapobeny ny zavanitranga tamin’ny telovolana faha-4 taona 2013 sy ireo asa notanterahin’ireo Clubs Régionaux de Gestion Publique. Nomarihany tamin’izany ny fanajàna ny sokajimpandaniana amin’ny fanetsehana sorabola (Respect des grandes rubriques). Nohamafisiny koa ny fiantraikan’ny tsy fanaterana BCSE izay mety hitarika hatrany amin’ny fampiatoana ny fampiasam-bola ataon’ireo mpanalalana. Zava-dehibe nolazainy ihany koa ny fampiatoana ny comptes de dépôt. Ireo Ministera sy Andrimpanjakana tonga nanatrika dia samy nanazava ny zava-misy ao amin’ny departemantany avy sy ireo zava-bitany (ara-tetibola sy arapahombiazana) nandritra ny telovolana fahaefatra Gazetim-baovao mivoaka isam-bolana - n° 0043 - Aprily 2014 - pejy 4 2013, ary koa ireo tanjaka sy fahalemeny, arahin’ny sosokevitra hamahana ireo olana mianjady. 44% no tahan’ny fanatanterahana ny asa tamin’iny taona 2013 iny. 83,56% ny salan'isa teo amin'ny fanatanterahana ny teti-bola ary 90% ny tahan’ny vola miditra anatiny. Ireo no vokatra azo amintinana ny fampiharana ny teti-bola 2013. Nandritra ny telo andro nanaovana ny tomban'ezaka telo volana farany mikasika ny fanatanterahana ny tetibolam-panjakana no nanehoana ny antsipirihan’ireo vokatra ireo. Ny andro voalohany dia ny sehatra fandraharahana no nisantatra izany. Nisongadina tamin’izany ny fametrahana anaty tranokala (site web) ireo didy (décision, arrêt, avis) sy ireo vokatra tamin’ny fifidianana nisy teo amin’ny firenena. Tao ihany koa ny fanatsarana ireo fotodrafitr’asa isan- karazany ary ny fanamafisana ny traik’efa. Nitohy ny ezaka eo amin’ny fampidirana ny hetra eny anivon’ny vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana. Ny sehatra famokarana sy ny foto-drafitr’asa no naneho ny vokatra ny andro faharoa. Nahavelombolo ny nahitana an’i Madagasikara ao anatin’ny firenena 10 voalohany manintona amin’ny fizahantany (top 10). Avo telo heny tamin’ny vina ny vola niditra teo amin’ny jono. Foto-drafitr’asa maro toy ny trano, ny abatoara no naorina. Nahazo fampianarana tamin’ny sehatra samihafa ireo mpiasan’ny Ministera sy ireo vehivavy any amin’ny tontolo ambanivohitra. Nohamafisina ireo fitsirihana iadiana amin’ny fanondranana antsokosoko ireo harena natoraly (ressources naturelles). Ny foto-drafitr’asa momba ny lalana no tena hita fa nisy lesoka satria tsy ampy ny fikojakojana sy ny fanamboarana ny lalana nasionaly sy ny any ambanivohitra. Mihamitombo hatrany ireo kaominina mitoka-monina noho izany faharatsian’ny lalana izany. Ny andro farany no nanehoan’ireo ministera anatin’ny sokajy sosialy ny tomban’ezaka nandritra iny taona 2013 iny. Eo amin’ny lafiny fahasalamana dia nampanarahina fenitra ny fitaovana ampiasain’ireo CSB. Nohamafisina ny ady amin’ireo aretina tsy mifindra toy ny drepanocytose. Teo amin’ny lafiny fampianarana indray dia fantatra fa voaloa ara-dalàna ireo karaman’ny mpampianatra FRAM valo volana izay anjara raisin’ny fanjakana an-tanana. Tanteraka ireo atrik’asa hikarakarana ny fametrahana ny fianarana manaraka ny système LMD. Tontosa ireo fifaninanana ara-panatanjahan-tena teto an-toerana sy tany ivelany na dia tsy nahitana fahombiazana ireo fifaninana nandraisantsika anjara tamin’ity farany. Amin’ny ankapobeny anefa dia ambany ny tahampahombiazana tamin’iny taona 2013 iny. Ny tsy fahampian’ny teti-bola entimanantateraka ny asa no antony lehibe navoitran’ireo ministera. Izany dia noho ny fiatoan’ireo famatsimbola avy any ivelany sy ny tsy fahatratrarana ny vina tamin’ny fampidiranketra. Tao ihany koa ny fandaniana tsy maintsy natao toy ny fanampiana ny CRCM, ireo famindrambola (subvention) nomena ny mpandraharaha ara-tsolika mba tsy hiakaran’ny vidiny, ary ny fanantanterahana ny fifidianana. Nisaotra ireo mpandray anjara tamin’ity jery todika natao ny 12 hatramin’ny 14 martsa 2013 ity Ramatoa Sekretera Jeneralin’ny Ministeran’ny Fitantanambola sy ny Tetibola tamin’ny laha-teny nataony. Ny fandraisan’anjaran’ireo Lehiben’ny faritra dia nahatsapana fa mifandray sy mifameno ny asa ampiandraiketina ny fanjakana foibe miaraka amin’ireo sampandraharaha eo aminy sy ireo Faritra. Nanantitrantitra ny mahazava-dehibe ny atrik’asa toy izao koa izy. Itony tomban’ezaka itony mantsy dia natao mba hanatsarana ny fomba fiasa ary sehatra ifanakalozankevitra sy traik’efa rahateo. Nomarihiny tamin’izany koa ny tokony hitsinjarana tsara ny fanatanterahana ny fandaniana mba tsy hiangona amin’ny fotoana farany mba hanajana ireo daty famaranana ny fitantanam-bola (clôture de gestion). RAMIANDRASOA Rojo Ccom DGB Dikateny Malagasy Ny nanatrika ny fanarahamaso ny fanatanterahana ny tetibola telovana fahaefatra, taona 2014 teny amin'ny trano fivoriana, Plan Anosy ANDRIANAVALO Yann Ely Gazetim-baovao mivoaka isam-bolana - n° 0043 - Aprily 2014 - pejy 5 VAOVAO VAOVAO F D L / A R MP DGT Tetikasa Kaominina MAVITRIKA VOATAFIKA NY PERCEPTION PRINCIPALE AVARADRANO Nahazo tombotsoa ny Kaominina Ambanivohitra Soavina Atsimondrano. A o anatin’ny Tetikasa Kaominina Mavitrika, nisy ny fifanarahampiaraha-miombon’antoka eo amin’ny Tahiry ho amin’ny Fampandrosoana Ifotony (FDL) sy ny Manamahefa Mandrindra ny Tsenam-panjakana (ARMP), izay nosoniavina tamin’ny taona 2011, mba hanofanana ireo kaominina manana tetika mahazo famatsiambola avy amin’ny FDL, mikasika ny tsenam-panjakana. Kaominina ambanivohitra miisa dimy no voakasik’io tetikasa io : Anosizato Andrefana, Bongatsara, Ambohimangakely, Ambohimanga rova ary Soavina Atsimondrano. Rehefa nahafeno ny fepetra notakian’ny FDL ny Kaominina Soavina Atsimondrano dia nahazo famatsiambola mahatratra hatramin’ny Ariary 9.000.000. Nisy ny fivoriana niarahan’ireo voakasik’izany ny 12 febroary lasa teo tao amin’ny Biraon’ny Kaominina Ambanivohitra Soavina Atsimondrano. Nanatrika izany fivoriana izany ny Ben’ny tanàna sy ireo mpanolon-tsaina ao amin’ny Kaominina Soavina Atsimondrano, ny Tale Jeneralin’ny FDL ary ny Talen’ny Fanofanana sy ny Tahirin- Gazetim-baovao mivoaka isam-bolana - n° 0043 - Aprily 2014 - pejy 6 kevitra, mpisolo toerana, sy ny ekipany avy ao amin’ny ARMP. Fijerena ireo olana sedrain’ny Kaominina Soavina mikasika ny fanomezana tsenam-panjakana no votoatin’io fivoriana io satria ny kaominina dia manana tetikasa maromaro ho tanterahina araka ny tetibolany novolavolaina ho amin’ity taona 2014 ity. RAZAF Miarana Direction de la Formation et de la Documentation p.i ARMP Dikateny Malagasy ANDRIANAVALO Yann Ely Notafihan’ny andian-jiolahy tsy nisarontava sady mitam-piadiana mahery vaika, toy ny PA sy Kalachnikov ny Perception Principale (PP) Avaradrano ny 17 martsa tokony ho tamin’ny 06 ora sy sasany. T etika efa voaomana tsara ny an’ireto olondratsy. Nataon’izy ireo takalonaina ny vadin-dramatoa percepteur tratrany teo antokotany nahafahany niditra tao amin’ny biraon’ny perception. Mbola nandamina ny fandoavana ny fisotroandronon’ireo beantitra aloa ny ampitso rahateo ny garde caisse tamin’io fotoana io. Nofatoran’ireo jiolahy ny tongotra amantanan’ny percepteur 3 mianaka miampy ilay garde caisse. Noterena nanokatra ireo coffre 2 Rtoa Percepteur hanesehana ny vola tanaty sakaosy sy gony. Coffre iray ihany no tsy tafasokatra tamin’io. Tokony ho tamin’ny 7 ora sy fahefany no tonga ny polisy izay nilaza ho efa nahafantatra mialoha ny fisian’ny fikotrehena ilay fanafihana. Raikitra ny fifampitifirana ka jiolahy 3 no maty tsy tra-drano ; 2 hafa sambo-belona ka vehivavy mpanome vaovao ny iray. Marihina fa nisy gony iray feno vola tavela niaraka tamin’ireo maty voatifitra. Tafaporitsaka niaraka tamin’ny vola nentiny kosa ny namany hafa izay mbola nisy ampolony raha ny fanazavan’ny garde caisse.Nisy ireo vola tafaverina sy very izay mahatratra antapitrisany maro. Nandray ny andraikiny avy hatrany moa ny Tahirimbolampanjakana ka nahafahana nanefa ny fisotroandronon’ireo beantitra 4000 ao amin’ny PP Avaradrano ny 18 martsa. Mandrapiandry ny valin’ny fanadihadian’ny Brigade Criminelle amin’ny fanenjehana ireo olondratsy tafaporitsaka sy fikarohana ny atidoha dia tsy azo tsinotsinoavina ny horohoro nahazo ireo mpiasa niharan’ny fanafihana miaraka amin’ny vady aman-janany. Marihina fa zaza mbola 8 taona moa ilay zanaky ny percepteur principal izay isan’ny voaambana basy sy natao takalonaina . RABENAIVO Herinjaka Ccom DGT Gazetim-baovao mivoaka isam-bolana - n° 0043 - Aprily 2014 - pejy 7 TSIPIKA TSIPIKA DPE S R EB TAO LAG N A RO NY KAJIM-BOLA FIVAHINIANANA NY CLUB REGIONAL DE GESTION PUBLIQUE Mifototra amin'ny halavirana sy ny fe-potoana namitana iraka no ikajiana ny tambimpivezivezena Ny kajim-bola fivahinianana Ao anatin’ny taratasy fifindrantoerana (ny baiko fahazon-dalana hifindra toerana ho an’ny eto Madagasikara ary ny baiko manefa iraka ho any ivelany), ny andro sy ny ora hahatongavana any antoerana dia tsy maintsy marihina antsoratra. Raha sendra misy ny diso ny fanoratana dia ankatoavina amin’ny soratra mena. Ny fivahinianana mihoatra ny telo (03) andro dia marihin’ny : • Tompon’andraikitry ny sampandraharaha eo anivon’ilay toerana amitàna ny iraka raha toa ka fivahinianana araka ny filan’ny asa; • Tompon’andraikitry ny Transit Administratif na ny tompon’andraikitry ny fitaterana isam-batan’olona (Transport civil) raha noho ny tsy fisian’ny fitaterana (ohatra ny fahavitsian’ny zotrampiara manidina, …) no ipetrahana tamin’ny toerana iray ; • Solotenan’ny Fanjakana amin’ny tanàna anakiray na ny dokoterampanjakana raha toa ka misy zavamitranga na loza tampoka na koa sampona teny an-dàlana, sns … Ny fe-potoana voasoratra ao anaty taratasy fifindran-toerana dia vinampotoana ilaina hamitana ny iraka. Azo afohezina na koa alavaina andro vitsivitsy ny fe-potoana mandritra ny fifindran-toerana, arakaraka ny zavamitranga any an-toerana. Eo amin’ny fotoanan’ny famerana ny kajimpandaniana ny tambim-pivezivezena, ny Mpanalalana faharoa sy ny Mpitantana ny vola no mamakafaka ny maha-marim-pototra ny anton’ny nanalavana ny fe-potoana ary manapa-kevitra amin’ny tokony na tsia ny hanomezana ny tambimpivezivezena avy eo. Misy taratasy anazavana izany raha ilaina. Tsy maintsy mifanaraka amin’ny taha voafetra ao amin’ny didim-panjakana laharana faha 2008-668 tamin’ny 21 Jolay 2008 ny fototra ikajiana ny tambim-pivezivezena. Marihana fa ny fifindran-toerana rehetra manana fe-potoana latsaka ny valo ora dia tsy raisina ary tsy mahazo alalana anokafana sorabola ho tamby. Mitovy amin’izany koa ny latsaky ny dimy (05) kilometatra manasaraka ny toerana iaingana sy ny toerana haleha. Ny sorabola amin’ny tambin’ny fifindran-toerana dia mifototra amin’ny halavirana sy ny fe-potoana. Ny kajim-bola farany • Voalohany, tsy maintsy fantarina ny isan’ny ora vita tao antin’ny fifindran-toerana nandritra ny andro iray, izay manomboka teo amin’ny fiaingana katramin’ny sasak’alina. • Avy eo raisina koa ny ora nahatongavana tamin’ny fiverenana avy namita iraka. Ka io ora fifindrantoerana io dia raisina ho toy ny ora farany amin’ny andro iray. • Ary farany, ny elanelan’ny andro niaingana sy niverenana avy namita iraka no raisina ho toy ny andro feno izay andraisana taha feno amin’ny tambi-pivezivezena. Ao anatin’ny kajim-bola dia ny fepotoana valo (08) ora no raisina toy ny singam-potoana mifandraika amin’ny ampahatelon’ny taha omena amin’ny andro feno iray. Tsy azahoana tambi-pivezivezena ny fe-potoana sisa ambiny latsaka ny valo ora. Ireo mpiara-miasa ao amin’ny zana-tsampandraharaha misahana ny Tamby Gazetim-baovao mivoaka isam-bolana - n° 0043 - Aprily 2014 - pejy 8 Natsangana eny anivon’ny faritra tsirairay ny Club Régional de Gestion Publique (CRGP) araka ny Didim-pitondrana faha-16714-MFB/SG/DGB/DESB tamin’ny 20 aogositra 2008. Izany dia sehatra ifanakalozan-kevitra sy traikefa mba hampiharana ny fanjakana tsara tantana ara-bola. RAJAONARIVELO Antsa Ccom DPE Atoa RAVANOMANANA Paul, Lehiben'ny SREB ao amin'ny faritra Anosy A raka ny voalazan'ny andininy faha-2 amin'io didim-pitondrana voalaza etsy ambony io dia manana anjara toerana lehibe amin'ny fitantanana ny volam-panjakana ary sehatra ahitana ireo zava-mifamahofaho ara-bola goavana ny CRGP. Ny Lehiben'ny faritra na ny solontenany no mitarika ny CRGP. Ho an'ny CRGP Anosy, ny Lehiben’ny Sampandraharaham-paritra misahana ny Fampiharana ny Tetibola (SREB) ao Anosy no misahana ny fandrindrana, ny fanentanana ary miantoka ny fanarahamaso ny fanatanterahana ireo tsoakevitra nandritra ny fivorian’ny klioba, amin'ny maha-Sekretera maharitry ny klioba azy. Mivory isam-bolana isaky ny Zoma fahatelo, amin’ny 09 ora maraina ny mpikambana ao nanomboka tamin'ny volana desambra 2011. Hita sy tsapa fa nandray anjara betsaka tamin’ny fanamafisana ny fahaiza-manaon’ireo mpiantsehatra ara-tetibola sy tamin’ny fanajàna ireo fitsipika ara-bola ny CRGP Anosy. Azo tanisaina amin’izany : • Ny fihenan’ny fandàvana antotantaratasy teny anivon’ny SREB, ny CF ary TP na dia namafisina aza ny fanaraha-maso; • Ny fanajàna ny fe-potoana ikirakirana ny antota-taratasy; • Ny fanarahana ireo lamina vaovao momba ny fomba fiasa mitovy (Standard de service) napetraky ny BIANCO any amin’ireo Sampandraharaha Teknika Anapariaham-pahefana (STD). Ny klioba dia miezaka mirotsaka an-tsehatra ihany koa amin’ny sehatra hafa ankoatry ny Fitantanambolam-panjakana. Maro ireo sampandraharamparitra no voakasik’izany, toy ny ao amin’ny Fitsarana ambaratonga voalohany ao Taognaro, ny Foibem-pitondrana iraisam-paritra misahana ny fandraharahana ny Fonja, ireo sampandaraharaha teknika Anapariaham-pahefana (STD) avy amin'ny Foloalindahy, ny Zandarimariam-pirenena, ny Filaminana anatiny, ny sampandraharaham-paritra momba ny tanim-panjakana sy ny fananantany, ny sampandraharaham-paritra momba ny Fandrefesan-tany ary Foibem-pitantanam-paritry ny Varotra. Misy ihany koa anefa ireo olana sedrain’ny CRGP Anosy izay heverina fa vato misakana amin'ny fanatanterahana ny iraka nankinina taminy. Tsy inona izany fa : • Tsy fahatongana matetika amin’ny fivoriana indrindra ireo tale na lehiben’ny sampandraharaha na koa ny fandefasan'izy ireo ny mpitana kaontiny ho solontenany, • Tsy fahafahana mamindra toerana ny fivoriana noho ny antony fandriampahalemana, ny fahalavirana ary ny faharatsian’ny RN13. • Tsy fananan’ny CRGP sora-bola ho fampandehanan-draharaha. Mba amahana ireo olana ireo, ireto misy vahaolana azo atolotra sy andrandraina ho tanteraka : • Misy sazy ho an'ireo tsy tonga mivory matetika • Tokony hanao ezaka amin'ny famindran-toerana ny fivoriana ny klioba • Tokony hanana sora-bola ho fampandehanan-draharaha ny CRGP. Fehiny, tokony asiana fandinihana, na eny anivon’ny faritra na eny anivon’ny Governemanta, ny hampitoviana sy hanatsarana ny lafiny lalàna sy rafitra ary tetibola ho an’ireo CRGP rehetra manerana ny Nosy. RAVANOMANANA Mandimbison Paul Chef SREB Anosy, Secrétaire Permanent du CRGP Anosy Gazetim-baovao mivoaka isam-bolana - n° 0043 - Aprily 2014 - pejy 9 SOSIALY SOSIALY SRE B A N A L A N J I ROF O DRB DIANA 08 MARS 2014 FANKALAZANA TAOM-BAOVAO SY 08 MARTSA 2014 Nandray anjara tamin’ny fankalazana ny andron’ny 8 mars 2014 ny vehivavy mpiasa sy ny vehivavy vadin’ny mpiasan’ny SREB Analanjirofo. Hetsika isan-karazany no nentina nankalazana izany. N anomboka ny zoma 07 martsa no fotoana nanaovana ny fankalazana ary nifarana ny andron'ny 8 martsa. Nizara 7 ny fandaharam-potoana tamin’izany : miasa ao amin’ny SREB sy ny vehivavy vadin’ny lehilahy miasa ao amin’ny SREB no nandray anjara tamin’ity fankalazana ity. NY FIKARAKARANA NY ZOMA MARAINA Hazakazaka nanodidina ny tanànan’i FénériveEst niarahana tamin’ny vehivavy rehetra tao antanàna no nentina nisantatra izany fankalazana izany. Taorian’izay dia nisy ny fanadiovana ny araben’ny fahaleovantena. NY SABOTSY MARAINA Nanomboka tamin’ny 5 ora maraina dia nisy ny Ny diabe nanodidina ny tanàna famoha-mandry namakivaky ny tanan’ny Fenerive Est. Tamin’ny 8 ora kosa nanomboka ny filaharambe namakivaky ihany koa ny tanàna izay niarahana tamin’ny vehivavin’ny faritra Analanjirofo. Nanohy ny fandaharam-potoana Ireo avy amin'ny SREB nahavita ny hazakazaka manodidina ny tanàna ny kabary fanentanana isan-karazany niarahana tamin’ny manampahefa ao an-tanàna. Izany rehetra izany moa dia nofaranana tamin’ny fiarahamisakafo niombanan’ireo vehivavy avy amin’ny SREB. Marihina fa ny Vehivavy Marihina eto ampamaranana fa ny lehilahy rehetra mpiasa sy vadin’ny mpiasan’ny SREB no tompon’antoka manontolo tamin’ny fanomanana sy ny fikarakarana ny sakafon’ny vehivavy mba ho fanohanana ny miralenta, sy nanasongadinana ihany koa ny fahaiza-manaon’ny lehilahy eo amin’ny asa fanao andavanandron’ny vehivavy. BEMAITSO Alexis SREB ANALANJIROFO Adidin'ny tsirairay ny fitandroana ny fahadiovana ao amin'ny toerana izay misy azy Gazetim-baovao mivoaka isam-bolana - n° 0043 - Aprily 2014 - pejy 10 Andro roa mifanesy no nankalazan’ny mpiara-miasa ao amin’ny Direction Régionale du Budget (DRB) dia ny nahatrarana ny taona vaovao sy andro iraisam-pirenena ho an’ny vehivavy. FIFAMPIARAHABANA TRATRY NY TAONA 2014 DRB DIANA Ny 07 Martsa 2014 lasa teo no notanterahina tao amin’ny Foyer SECREN Antsiranana ny lanonana fifampiarahabana nahatratra ny taona ireo mpiara-miasa ao amin’ny DRB DIANA. Lanonana izay notarihin-dRamatoa Talem-paritrin’ny tetibola ao amin’ny faritry DIANA. Teo am-panokafana ny lanonana dia nisaotra sy nirary soa ny mpiaramiasa aminy rehetra ny Tale. Fialamboly sy fiaraha-misakafo no natao taorian’izany. satria sady nampitsiry talenta no nampifandray bebe kokoa ny mpiaramiasa. Nafana tokoa ny fety ary nahatalanjona sy nahafinatra ny nijery ny fahavitrihan’ny tsirairay tamin’ny fandraisana anjara. Tsapafa afa-po daholo ny rehetra tamin’io fotoana io. FANKALAZANA NY FETIN’NY VEHIVAVY Faly miarahaba antsika vehivavy rehetra nahatratra ny 08 Martsa ny vehivavy mpikambana ato amin’ny AFFBA (Association des Femmes des Finances et du Bubgetd’Antsiranana). Nakotrokotroka tokoa ny fankalazana ny andro iraisam-pirenena ho an’ny vehivavy taty Antsiranana. Natomboka tamin’ny filaharambe nanodidina ny tanàna izay notarihin-dRamatoa filoham-boninahitry ny fikambanana. Marihina fa mandray anjara mavitrika amin’izany ny AFFBA isan’taona. izany rehefa avy eo Fandaminana izay nokarakarain’ny AFFBA ihany koa. Hita taratra ny firaisan-kinan’ny vehivavy ny MFB aty amin’ny faritra, ny mpitarika ihany koa moa mahay mampitovy ny tadin-dokanga ny rehetra. Ankoatr’izay dia hankalaza ny faha 10 taona niorenany ny AFFBA ny volana Jolay ho avy izao ka efa miomana amin’izany ny mpikambana. Narahina fiaramialahetaheta tao amin’ny La Ruche d’Ambre TIANARISOA Hoby Lalaina Niavaka tokoa ny lanonana satria nahitana fampisehoana amin’ny alalan’ny dihy mirindra sy hira izay nandraisan’ny sampandraharaha tsirairay izay misy eto anivon’ny DRB anjara : SREB, SRPE, SRSP, CIR, DRB ary ny CIRFIN Nosy-be. Marihina fa najoro teto amin’ny DRB ny club de danse tamin’ny heritaona ka dia nahitana fahombiazana tanteraka izany na eo amin’ny sehatry ny asa na eo amin’ny resaka sosialy Ny vehivavy ao amin'ny DRB Diana Gazetim-baovao mivoaka isam-bolana - n° 0043 - Aprily 2014 - pejy 11 SOSIALY SOSIALY DPCB MF B MO RO N DAVA BIRAO VAOVAN’NY FIKAMBANAm-behivavy TEAM BUILDING Nandritra ny fankalazana ny andro iraisam-pirenena ho an'ny vehivavy, ny 08 martsa lasa teo no nanavao ny birao mitantana azy ny fikambanana AFMFB. H o entina nankalazana ny andro iraisampirenena ho an’ny vehivavy dia nandray anjara tamin’ny fankalazana tao amin’ny faritra Menabe ny AFMFB (Association des Femmes du Ministère des Finances et du Budget). Diabe teo amin’ny Distrika no natao tamin’izany. Koa satria tapitra tamin’ity taona ity ny fe-potoana niasan’ny ny birao mpitantana ny fikambanana dia nifidy birao vaovao ny mpikambanana. Ireto avy ny anaran’ireo mandrafitra Filoha vaovao : Rtoa Chantal, Receveur des Impôts Filoha lefitra : Rtoa Nathalie, Contrôle Financier Mpitana kaonty : Rtoa Astina, Solde et Pension Ireo mandrafitra ny birao vaovao Mpitan-tsoratra : Rtoa Dimby Trésor, Rtoa Dolly Solde et Pension ny birao vaovao : Filoham-boninanhitra : Rtoa Suzy Trésorière générale eto Morondava ANDRIANANTOANDRO Tiana Ccom DGCF A ss o c iati o n des F emmes Inspecteurs du Trésor ( A FIT) BIRAO VAOVAO Nankalaza ny taona vaovao ny Mpikambana ao amin’ny Association des Femmes Inspecteurs du Trésor na antsoina amin’ny anarana mahazatra hoe AFIT. Io fotoana io ihany koa no nifidianana ny birao vaovao hitantanana ny fikambanana. N y zoma 21 febroary 2014 teo no nanatanterahana ny fihaonana nentina nanamarihana ny taona vaovao ny AFIT. Nandritra ny fotoana dia nisy ny filatroan’ny mpikambana indroa miantoana : ny voalohany nanaovana ireo fitafy mihaja miaraka amin’ny satroka, ny faharoa nanaovana fitafy eny amoron-dranomasina. Nisy ihany koa ny aquagym niarahana tamin’i Rtoa Hanitra Randrianirina, mpikambana AFIT. Nofarananana tamin’ny fiaraha-misakafo ny fotoana. Navaozina ny birao hiasa mandritry ny Ireo mandrafitra ny birao vaovao fe-potoana manaraka (2014-2015) ka ireto avy ireo Mpikambana mandrafitra ny birao vaovao: Filoha : Tsimilaza Harivelo – Agent Comptable ONE sy ARMP Sekretera Jeneraly : Razafindrakoto Gazetim-baovao mivoaka isam-bolana - n° 0043 - Aprily 2014 - pejy 12 Nivoarizay – Coordination Nationale de la Microfinance Mpitam-bola : Rakotondramasy Zo Herinirina – DRSFP Mpitantsoratra: Andrianasolo Verohanta Dorothée – PGA; Randriamaromanana Diavolana - ACCPDC; Mpanolotsaina : Manantena Lydia – TG Toamasina ; Kalo Haritiana Léa Julia – TG Antsohihy ; Andrianasolo Eva – DBIV. HIANASY Mamisoa Frédérica Ccom SG Natao tamin’ny 07 Martsa 2014 tao amin’ny Club de CAR, Mandrosoa Ivato ny Team building sy fifampiarahabana noho ny taona vaovao teo amin’ny DPCB (Direction de la Programmation et du Cadrage Budgétaire). I zany dia natao eo ambany fitarihan-dRtoa RAOILISOA Onintsoa Harilala, Tale Mpisolo toerana mitantana izany Foibem-pitondrana izany, sy ny fanotronan’Atoa Minisitry ny Fitantanambola sy ny Tetibola RASOLOELISON Lantoniaina. Fampitomboana ny esprit d’équipe sy ny esprit d’appartenance tamin’ny alalan’ny hetsika fifanentanana maro samihafa ary fiaraha-misakafo no nameno izany andro izany. Nampitombo ny firaisan-kina sy ny fifanakaikezana efa nisy teo amin’ny mpiara-miasa hatramin’izay io fotoana io ary antenaina fa hahamora ny fiaraha-miasa sy hahazoana vokatra tsaratsara kokoa hatrany amin’ny fotoana mbola ho avy rehetra eo amin’ny fanatanterahana ny asa. RASENDRA Jo Amigo Ny mpiara-miasa rehetra ao amin'ny DPCB Dicom DPCB Anisan'ireo fanentanana niaraha-natao nentina nanamafisana izay firaisan-kina izay Ny zokiny ara-taona ao amin'ny DPCB (Sisiny ankavia) nanapaka ny mofo mamy niaraka tamin'ny Atoa Ministra sy Rtoa DPCB p.i Gazetim-baovao mivoaka isam-bolana - n° 0043 - Aprily 2014 - pejy 13 SOSIALY SOSIALY DGT DP E FIFAMPIARAHABAN’NY SAMY SAMPANDRAHARAHA Fambolenkazo : Niara-nirohotra ETO ANIVON’NY DPE ny Tahirimbolam-panjakana Samy naneho ny fifampiarahabany tamin’ny nahatratrarana ny taona 2014 ny Sampandraharaha teto anivon’ny DPE ny volana lasa teo. Fiaraha-mikorana sy fiaraha-misakafo toy ny fetim-pianakaviana no nataon’ireo Sampandraharaha ireo tamin’izany. Tsy nasiana fanavahana fa samy niara-nientana avokoa ny tsirairay teo amin’ny fanafanana ny fotoana. Anisan’ny tanjona lehibe tiana hotratrarina tamin’io fiarahana io ny fampiraisana, ny fampivondronana ary ny firaisankina mba hampanjakana ny fifankatiavana eo amin’ny samy mpiasa, na amin’ny maha-olona izany na eo amin’ny tontolon’ny asa. Tahaka ny isan-taona dia manatontosa fambolenkazo ny fianakaviamben’ny Tahirimbolampanjakana. N i a r a - n i ro h o t r a nifanome tanana tamin’ity adidy amin’ny Tanindrazana ity ny sampandraharaha foibe sy ireo Perception Principale manodidina ny zoma 7 martsa teo, teny amin’ny tany fambolen-kazon'ny Minisiteran’ny Fitantanambola sy Tetibola. Nahatratra 600 mahery ny mpiasa namboly ireo zanakazo kininina, filao ary dondonia miisa 400 fototra. Mba hahazoana tahampahombiazana ambony dia nisy ny fanazavana ara- teknika nomen’ny teknisiana avy amin’ny Minisiteran’ny Rano sy Ala. Nahazo fankasitrahana manokana avy amin’ny tomponandraikitry ny toerana, izay sady mpanara-maso ankapobeny ao amin'ny MFB, Rakotoarivony Michel, ny Tahirimbolam-panjakana noho ny fahazotoany amin’ny asa fambolenkazo sy ny fanohanana amin’ny asa fanatsarana atao amin’ity toerana ity. Avy amin’ny fanohanan’ny Tahirimbolam-panjakana no nahavitana ny aro afo mirefy 500 metatra amin’ny ilany atsinanan’ny toerana. Nahafahana nisoroka ny fiitaran’ny afo tamin’ny firehetan’ny atsanga sy ny ala indroa miantaona izay mifanila amin’ity tanin’ny Minisitera ity ny fisian’io aro afo io. Na dia efa Ny adidy vita, ny fahafinaretana azo tongan’ny rano aza ao antoerana, dia mbola hasiana paompy 2 na 3 fanampiny ahafahana miaro raha sendra doro-tanety sy anondrahana ireo zanakazo rehefa maintany. Efa misy koa ny fananganana trano fidiovana 2 ao an-toerana vokatry ny famatsiam-bolan’ny CCPREAS. Taorian’ny fambolenkazo dia niara-nialavoly tamin’ny rindran-kira nafanain’i Lianah sy Nina’s ary Stéphanie ny mpiaramiasa rehetra. Gothlieb kosa no nanentana sy nitondra tsikitsiky tamin’ny fampihomehezana. RABENAIVO Herinjaka Ccom DGT RAJAONARIVELO Antsa Ccom DPE Anjatony mahery ny mpiasa tonga namboly hazo FILAZANA MANJO Nodimandry ny 13 febroary 2014 Itompokovavy RABESON Zoarinirina Harimanana Lala, miasa ao amin’ny Direction Générale du Budget/Direction de la Solde et des Pensions/Service Gazetim-baovao mivoaka isam-bolana - n° 0043 - Aprily 2014 - pejy 14 Régional de la Solde Analamanga/ Division Mandatement/Ex-Sonaco. Ny 04 jona 1992 izy no nanomboka niasa teto amin’ny Minisiteran’ny Fitantanam-bola sy ny Tetibola. Gazetim-baovao mivoaka isam-bolana - n° 0043 - Aprily 2014 - pejy 15 SAMIHAFA OM N I S P O RT FAMBOLENKAZON’NY ASOIMI 2014 Natao tamin’ny zoma 28 febroary teo ny fambolenkazon’ny ASOIMI ho an’ny taona 2014. T PASKA FANAVOTANA eny amin’ny Commune Bongatsara, Fokontany Antsahabe no toerana nofidiana nanatanterahana ny fambolenkazo izay nokarakarain’ireo mpitantana ny ASOIMI. Nandray anjara mavitrika tamin’izany ny mpikamban’ny Omnisport eto amin’ny Minisiteran’ny Fitantanambola sy ny Tetibola (MFB). Nitarika ny delegasion’ny MFB ireo mandrafitra ny birao mpitantana ao amin’ny Omnisport. Natao ho zava-dehibe izany fambolenkazo izany satria anjara biriky amin’ny fampandrosoana izany ary fikajiana ny tontolo iainana mba haharitra. Nitarika sy nanatrika ny fambolenkazo ny Filohan’ny ASOIMI sy ireo birao mpiara-miasa aminy. Teo ihany koa ny Ben’ny Tanànan’i Bongatsara sy ireo mpiara-miasa aminy. Ity farany moa Espace Evasion ny mpamboly hazo dia tsy nanadino ny nankasitraka ireo rehetra ka niara-nikorana sy mpanao fanatanjahantena rehetra nifampiarahaba nahatratra ny taona izay tonga namita ny adidin’izy ireo. 2014. Nentina nanamarinana ny 500 fototra no zana-kazo voavoly. fisokafan’ny taom-pilalaovana 2014 Nanome toky ny Ben’ny Tanàna ny ihany koa ny fotoana. Filohan’ny ASOIMI fa hokarakaraina RALAIVAO Jakoba sy hampitomboina ny velaran-tany Mpitantana - OMNISPORT MFB hovolena amin’ny taona manaraka. Faniriany ny hahatonga ireny toerana voavoly hazo ireny ho lasa toerana f i t s a n ga tsanganana rahatrizay. Ta o r i a n’ ny fambolenkazo dia nifampitaona Ny mpanao fanatanjahantenan'ny MFB tany amin'ny fambolenkazo teny amin’ny Niasa nanasoa hatrany, tsy niato fa nandeha. Nanasitrana marary, sy ny tratry ny androbe, Tao ny boka sy ny jamba samy afaka avokoa, Ny adala sy ireo maty novelominy ka nifoha. Nisy reraka sy noana, ory mahonena, Nitoriany Teny Soa ka nahazo famonjena. Toa tsy nanam-paharoa ka indro tena manantena. Fa fiainana tokoa no nozaraina sy nomena. Nefa hay eny indrisy, tonga ny be noho ny vitsy, Dia nenjehina tsy niato sady notoraham-bato. Nampangaina sy dradraina fa mpanjaka very saina. Nosatrohan-tsilo koa, nolefoina ivoho Novelesin-karavasy ka sina sy nangasihasy. Irifiry feno fery, zanak’ondry manankery. Nizaka hazo fijaliana, noho isika tena tiana. Ny niafarany tena ratsy : niala aina, eny maty ! Dia nangina ny tontolo, feno tahotra, horohoro. Kinanjo afaka hateloana, velon’izy nanoloana. Tena resy teo ny fasana, ny fahatesana efa lasana. Vita teo ny famonjena azo koa ny fandresena. Fa fitiavana tokoa tsy mba manam-paharoa no nasehon’i Jesoa. Ambara eto ho renao fa tsy misy tsy hainy atao. Tena Paska ho antsika handovàna paradisa. DELINE Mpiasa ao amin’ny DRHA/SGRH Gazetim-baovao mivoaka isam-bolana - n° 0043 - Aprily 2014 - pejy 16 Bitsika Gazety mivoaka isam-bolana Minisiteran’ny Fitantanam-bola sy ny Tetibola BP 61 - Antaninarenina Antananarivo - MADAGASCAR www.mefb.gov.mg Talen'ny famoahana ANDRIAMBOLOLONA Vonintsalama S. Talen'ny fanoratana HIANASY Mamisoa Frédérica Tonian-dahatsoratra RAMIANDRASOA Rojo Ekipan'ny Bitsika RAKOTONIONY Noro V. Suzy LOKHAT H. Mikaïla RAZAF Miarana RANDRIANARIFIDY Rivolala ANDRIANAVALO Yann Ely RAJAONARIVELO Antsa RAFIANDRANA Tantely ANDRIANARY LALA Onivola ANDRIANANTOANDRO Tiana RANAIVO Mandimby RABARIJAONA Andriamitantsoa Fetra RAKOTONDRAZAKA Hermann RASENDRA Jo Amigo RASOLOARIMANANA Hery (PAO) Natonta : 8000 isa Trano printy : Tranompirintim-pirenena
© Copyright 2026 Paperzz