F O M B A F I O M P I A N A A K O H O FA K A N A N O F O ZANAK’AKOHO “MAFONJA” Namokatra zanak’akoho hafa kely ny Agrifarm ka “mafonja” no anarany. “Miavaka amin’ireo zanak’akoho fahita mahazatra atao hoe “Hubbard Classic” izy io satria efa vita vaksiny fanefitry ny Gumboro sy ny Newcastle na pesta ary ny aretin’ny taovam-pisefoana (bronchite infectieuse) ny zanak’akoho “Mafonja” izay teraka iray andro ao amin’ny Ivon-toerana famokarana zanak’akoho eto amin’ny Agrifarm. Karazana akoho ARBOR ACRES no vokarin’ny Agrifarm ka hatao an’ireo vaksiny voalaza etsy ambony ireo. Mikasika ny vokatra azo indray, dia efa azo amidy ny akoho “Mafonja” rehefa feno 35 andro satria efa mahatratra 2kg ny lanjany amin’izany, raha manaraka ny teknikam-piompiana ara-dalàna ny mpiompy Ny famokarana ny zanak’akoho “Mafonja” dia isan’ny fanohanana mivantana ataon’ny Agrifarm ihany koa hoan’ireo mpiompy akoho fakana nofo mba hampitomboana ny vola miditra aminy. Ankoatry ny famarotana akoho “Mafonja” dia manara-maso akaiky ireo mpiompy nividy izany ny teknisian’ny Agrifarm. Manome toro-hevitra izy ireo ary mijery ifotony eny anivon’ny toeram-piompiana mihitsy raha ilaina izany F O M B A F I O M P I A N A A K O H O FA K A N A N O F O FAHATONGAVAN’NY AKOHO Akohokely azo antoka tsara no tokony ompiana mba hahazoana vokatra tsara. Vao tonga ny akohokely dia ampisotroina rano tsotra madio (azo ampiana vitamina na tsia) mandritry ny ora vitsivitsy ary mila araha maso tsara mandritry ny 30 minitra. Mila arahi-maso akaiky ny hafanana ao anaty tranon’akoho. Mampiasà fisy fanaraha-maso ny fiompiana ary tokony ho voafeno ara-potoana izany fisy izany. Miantoka ny fahombiazan’ny fiompiana ny fahaizana mandray sy miompy ny akohokely eo am-panombohana. FANORENANA NY TOERAM-PIOMPIANA : .Aorina amina toerana madio, tsara rivotra, misy rano madio ary tongan’ny herin’aratra (raha azo atao) .Akora mafy sy mora diovina no anorenana ny trano (tafo taila na tôle, rindrina biriky tanimanga na tany voalalotra, gorodona vita dalazy) .Miendrika lavalava ny tranon’akoho ary misy varavarankely mifamaly manaraka ny halavany. Ny varavaran-kely dia manapaka ny fitsokan’ny rivotra . .10 andro mialohan’ny andraisana ny akoho dia diovina tsara ny tranon’akoho ary fendrahana fanafody mamono otrik’aretina sy biby kely. Hidiana tanteraka ny trano rehefa avy eo ary avela hihiboka ao ny fitaovana rehetra ampiasaina amin’ny fandraisana ny akoho (tavy fihinanana sy fisotroana, fitaovana famanana tranon’akoho…). Sokafana ny trano 24 ora alohan’ny andraisana ny akoho kely. Ny orinasa AGRIFARM dia manolotra antsika mpiompy zanak’akoho tsara karazana. Hitantsika ao @ AGRIFARM ankehitriny ny zanak’akoho MAFONJA izay tsy matahotra intsony ny GUMBORO F O M B A F I O M P I A N A A K O H O FA K A N A N O F O FITANTANANA NY FIOMPIANA Zavatra enina lehibe no mila tsindriana amin’ny fiompiana ny akoho fakana nofo : 1. Rano : marihina fa rano no mandrafitra ny 2/3 ny vatan’ny akoho, noho izany dia tsy azo atao ambanin-javatra na ny habetsahany izany na ny fahadiovany. Rano amin’ny vovo no tsara ampiasaina fa raha tsy maintsy rano JIRAMA dia asiana vovodronono tsy matavy (lait écrémé) 3g/l ny ranombakisiny. 2. Sakafo : Ny 2/3 ny fandaniana rehetra mandritra ny fiompiana dia provende avokoa, noho izany dia miankina betsaka amin’ny kalitao sy fatra voalanjalanja no hahazoana vokatra tsara. 3. Rivotra : rivotra mifamaly no ilaina fa tsy rivotra misafotofoto, tokony ho malalaka tsara ny fivezivezen’ny rivotra. Aoka mba ho rivotra madio isan’andro no hiainan’ny akoho, 4. Hafanana : eo amin’ny fotoanan’ny “démarrage” (1-14andro) dia tokony ho 3033°C ny mari-pana. Mila arahina maso tsara ny fomba fiainan’ny akoho eo ampanombohana, raha ilaina dia mampiasà fitaovam-pandrefesana mari-pana. 5. Lafika : tokony ho maina lalandava ny lafika ao anatin’ny tranon’akoho mba hisorohana ny aretina isan-karazany izay sakana ho amin’ny fitomboan’ny akoho, taimbakona fotsy (pin) no ampiasaina amin’izany. SAKAFO AGRIVAL dia manolotra anao ireto karazan-tsakafo ireto : SAKAFO ANDRO 100 % DEMARRAGE 0 – 18 50 % DEMARRAGE + 50 %CROISSANCE TRANSITION 19-21 100 % CROISSANCE 22-25 50 %CROISSANCE + 50 % FINITION TRANSITION 29 - 31 100 % FINITION 31 A ABATTAGE SAKAFO FITAMBARAN’NY SAKAFO ISAKY NY AKOHO IRAY DEMARRAGE 1000 G CROISSANCE 1000 G FINITION 2000 Gr Ilaina ny mandanja akoho vitsivitsy isa-kerinandro mba hahafahana manara-maso ny fitombony. Atao izany mba hahafahana manao ny fanitsiana na fanatsarana mandritra ny fiompiana. Ny fomba fitehirizana provende: - Atao eo ambonina akalana (400kg/m2) - Asiana rivotra ny trano (mivoaka sy miditra) - Toerana tsy misy hamandoana (maina tsara) no hitehirizana ny provende. F O M B A F I O M P I A N A A K O H O FA K A N A N O F O ARBOR ACRES VOKATRA AZO AVY AMIN’NY AKOHO FAKANA NOFO “ARBOR ACRES” Taona (andro) Lanjana ambany (grama) Lanjana ambony (grama) Sakafo lany isankerinandro (grama) Fitambaran’ny sakafo lany (grama) 7 182 160 167 167 14 467 400 541 374 21 910 780 1191 650 28 1474 1260 2140 949 35 2104 1770 3354 1214 42 2751 2280 4775 1421 Marihina fa: Ny zanak’akoho Agrifarm sy ny provandy Agrival dia natao hanome an’ireo vokatra ambony ireo raha tsy izany dia misy olana mitranga eo amin’ny mpiompy ary mahatonga an’ilay vokatra ho ambany. F O M B A F I O M P I A N A A K O H O FA K A N A N O F O VAKSINY Karazany telo ny vaksiny tsy maintsy atao amin’ny akoho fakana nofo : ny “Pesta“, ny “Gumboro”, ary ny “Bronchite infectieuse” Programan’ny AKOHO FAKANA NOFO TSOTRA Andro 3 Pfizer ND Hitchner + IBMM HB1 Rano fisotro (8 l rano / 1 tavoahangy 1000 fatra) Andro 10 Hipraviar B1 , vaccin vivant ND B1 HB1 Rano fisotro (8 l rano / 1 tavoahangy 1000 fatra) Andro 14 Hipra-gumboro-GM97 na Vaccin Vivant IBD (invasive) * Gumboro Rano fisotro (10 l rano / 1 tavoahangy 1000 fatra) Andro 17 Pfizer ND Lasota na Vaccin Vivant ND Lasota * pesta Rano fisotro (12 l rano / 1 tavoahangy 1000 fatra) Andro 21 Pfizer Bursine Plus na Vaccin vivant IBD (intermédiaire) * Gumboro Rano fisotro (15 l rano / 1 tavoahangy 1000 fatra) Andro 24 Hipraviar SH/120 ND/B1 Rano fisotro (16 l rano / 1 tavoahangy 1000 fatra) AKOHO FAKANA NOFO MAFONJA ARETINA VAKSINY FOMBA FAMPIASANA NY VAKSINY TOERANA ANAOVANA NY VAKSINY 01 andro NEWCASTLE & BRONCHITE INFECTUEUSE CEVAC VITABRON L Fendrahana COUVOIR 01 andro GUMBORO CEVAC TRANSMUNE IBD Tsindrona ankoso-koditra COUVOIR 12 andro NEWCASTLE Vaccin Hipraviar B1 Rano fisotro Mpiompy 21 andro NEWCASTLE & BRONCHITE INFECTUEUSE Hipraviar SH/120 Rano fisotro Mpiompy Andro Samy atao amin’ny rano sotroina avokoa ireo vaksiny ireo, ary tsy tokony atao vaksiny miaro amin’ny Gumboro intsony ny akoho raha toa ka efa vita izany any amin’ny toerana fanakotrehana. Vaksiny famerenana ilay 12 sy 21 andro miaro amin’ny pesta sy bronchite infectieuse sisa no ataon’ny mpiompy. Toro-lalana ihany ity fa ny programam-bakisiny dia miankina amin’ny aretina misy sy ny hamafin’ny fiantraikany. Tsara ny manantona veterinera raha misy tranga mampiahiahy. Ho an’ny akoho “MAFONJA” dia Vitaminina tsy misy antibiotika no ampiasaina mandritra ny démarrage: NY ATAO RAHA HANAO VAKSINY Saro-pady tokoa ny fitehirizana ny vaksiny koa aoka mba hajaina fatratra ny hatsiaka ilaina amin’ny fitehirizana sy ny fitondrana mandra-pampiasa azy. Aoka hajaina ny fatra ilaina ary tokony ho mailo tsara amin’ny daty farany azo ampiasaina ny vaksiny. Marihina fa rano tsy misy “chlore” no tokony ampiasaina mandritry ny vaksiny. Avela hangetaheta tsara ny akoho amin’ny fotoanan’ny vaksiny, izany hoe atao tara kely noho ny mahazatra ny fanomezana rano. 2 na 3 andro aorian’ny vaksiny dia omena rano misy vitamina ny akoho AGRICULTURE - ELEVAGE SANTE ENVIRONNEMENTALE - CHIMIE. Ny orin’asa AGRIVET dia manolotra antsika mpiompy ny fitaovana rehetra ilaina momba ny fiompiana akoho fakana nofo (tavy fihinanana sy fisotroana, famanana ny trano, …), ny vakisiny sy ny fanafody rehetra (vitamininia, antibiotika, …), ny fanadiovana ny trano fiompiana, … LAMPE INFRAROUGE FITSAPANA MARI-PANA SY HAMANDOANA TAVY FIHINANANA DNtBLPIP FANDANJANA HATRAMIN’NY 10 KG FITSAPANA MARI-PANA MIN MAX FITATERANA AKOHO .BIB[BLBBLPIPWFMPOB FANAFODY SY VAKSINY .JBSBLBBNJOJSFPmUBPWBOB GBNQJBTBBNJOJ[BOZ TAVY FISOTROANA DNtBLPIP TAVY FISOTROANA AOTOMATIKA BLPIP F O M B A F I O M P I A N A A K O H O M P A N AT O D Y L A V A Karazana akohokely mpanatody lava: . Fihaviany : Maurice .Vaksiny : Marek + Gumboro na Marek + Bronchite Infectieuse .Fanombohan’ny fanatodizana : 18 Herinandro .Lany atody : 80 Herinandro .Vokatra azo amin’ny akapobeany: 350 Atody .Lanjany eo ampanatodizana: 1,5kg - 1,7kg .Lanjany rehefa lany atody : 2kg Ny tanjona dia hanarahan’ny akoho ny lanja tokony ananany, hitomboan’ny taolany sy ny nofony ary ny elany nefa kosa tsy hampatavy azy. Ny 90% ny taolan’y akoho dia miforona alohan’ny faha-10 herinandro iompiana azy. Ny tsy fahatomombanan’izany dia hiteraka hatavezana be loatra izay misy fiantraikany ratsy amin’ny fahazoana atody. F O M B A F I O M P I A N A A K O H O M P A N AT O D Y L A V A Azo tsinjaraina roa ny tsingerim-piainan’ny akoho mpanatody lava : tIFSJOBOESPWPBMPIBOZ vanim-potoana alohan’ny anatodizany. Ny hadisoana na fahasamponana mitranga eo amin’ny fiompiana sy ny fiainan’ny akoho izay mitranga ao anatin’io fotoana io dia sarotra arenina tokoa rehefa manatody ny akoho tIBUSBNJOOZIFSJOBOESP fotoana hanatodizan’ny akoho izay hamindrana azy anaty karakara vy (batterie) na trano voalafika talantalana na taim-bakona misy akalana anatodizany. NY 18 HERINANDRO VOALOHANY 1. NY SAKAFO “Ny tsy fahatomombanan’izany dia hiteraka hatavezana be loatra izay misy fiantraikany ratsy amin’ny fahazaoana atody.” HERINANDRO SAKAFONY 0 – 8 Herinandro DEMARRAGE AGRIVAL 9 – 12 Herinandro CROISSANCE AGRIVAL 13 - 18 Herinandro PRE-PONTE AGRIVAL NY 18 HERINANDRO VOALOHANY Ny tanjona dia ny hanarahan’ny akoho ny lanja tokony ananany, hitombon’ny taolany sy ny nofony ary ny elany nefa kosa tsy hampatavy azy. Ny 90% ny taolan’ny akoho dia miforona alohan’ny faha-10 herinandro iompiana azy. F O M B A F I O M P I A N A A K O H O M P A N AT O D Y L A V A Toy izao ny fatran-tsakafo lanin’ny akoho iray ao anatin’ny iray andro sy ny fitambaran’izany mandram-pahatapitry ny herinandro NOVOBROWN Gr/akoho/ andro Fitambarany (gr) Gr/akoho/ andro Fitambarany (gr) 1 2 3 4 5 7 8 9 11 12 13 14 15 17 13 25 29 33 37 41 51 73 75 77 91 231 2457 2884 4347 4872 5411 5971 11 19 25 31 37 42 47 51 54 58 71 75 78 81 77 385 1148 1477 1834 2212 3493 4991 5537 NY 18 HERINANDRO VOALOHANY HY-LINE Herinandro 1. NY TONTOLO IAINANA 2.1.) Ny trano handraisana azy Diovina ary fendrahana ranom-panafody mamono otrik’aretina ny trano fiompiana, ny lalan-drano, ny fitaovana ampiasaina rehetra (ny tavy fihinanana sy fisotroana, ny fitaovana famanana ny akoho, …). Taim-bakona maina sady madio no atao lafika isorohana ny aretin’ny taovam-pisefoana toy ny asperzilôzy. Raha anaty karakara (batterie) Hakitroka 29 isaky ny m2 Raha ambony lafika 6 isaky ny m2 2.2.) Ny fitaovana Aparitaka tsara ny tavy fihinanana sy fisotroana mba ahafahan’ny akoho samy mahazo ny anjara sakafo sy ny ranony. Arahi-maso tsara ny fahatomombanan’ny fitaovana rehetra. Ampanarahana ny hahavon’ny lamosin’ny akoho ny hahavon’ny tavy fihinanana sy ny fisotroana ary ny fitaovana handrefesana ny mari-pana. Raha anaty karakara (batterie) Raha ambony lafika Tavy fihinanana 8 cm ho an’ny akoho 1 1 ho an’ny akoho 30 Fisotroandrano Pipety 1 ho an’ny akoho 8 1 ho an’ny akoho 30 F O M B A F I O M P I A N A A K O H O M P A N AT O D Y L A V A 2.3.) Ny fenitra fiompiana Hafanaina 33°C – 35°C ny tranon’akoho 36 ora alohan’ny hahatongavany. Maro karazana ny fitaovana ahafahana hamanana ny akoho toy ny : fatana mandeha amin’ny kitay, ny jiro «infra-rouge», ny «radiant» mandeha amin’ny gazy, sns. Mila tso-drivotra malefaka dia malefaka na lavak’ombarika anaty tranon’akoho mba ahafahan’ny rivotra misy entona maloto sy ny setroka mivoaka. Tandremana kosa anefa ny tso-drivotra mafy loatra satria mety hitarika olana eo amin’ny taovam-pisefoana. Antonony tsara ny hafanan’ny akoho rehefa miparitaka tsara izy ao anaty tranony. 2.4.) Ny fandraisana ny akoho Tokony ho toy izao ny fitombon’ny akoho araka ny karazany : Herinandro HY-LINE (grama) NOVOBROWN (grama) 1 70 - 2 115 - 3 190 - 4 280 290 5 380 380 6 480 470 7 580 560 8 680 650 9 770 740 10 870 830 11 960 920 12 1050 1000 13 1130 1080 14 1210 1160 15 1290 1240 16 1360 1320 17 1430 1400 18 1500 1480 NY 18 HATRAMIN’NY FAHA 80 HERIN’ANDRO Arahina maso tsara ny kalitaon’ny zanak’akoho eo ampahatongavany (halehibe, tanjaka, volo, fôtra…). Eo ampitondrana azy dia sorohana ny fitongilanan’ny baoritra sy ny fienjeran’izany. Avela hisy elanelana ny baoritra fa tsy atao mifanongoa mba tsy ho sempotra ny zanak’akoho. F O M B A F I O M P I A N A A K O H O M P A N AT O D Y L A V A /:)"53".*//:'")")&3*/"/%30 1. NY SAKAFO KARAZANY FOMBA FANOMEZANA AZY AGRIVAL PONTE 1 Omena ny akoho raha vao manatody izy ka omena azy hatramin’ny faha 50 herinandrony. 110 grama hatramin’ny 125 grama ny fatra lanin’ny akoho iray isan’andro ka miovaova arakaraky ny karazan’akoho, ny hafanana sy ny fitantanana ankapobeny ny fiompiana izany AGRIVAL PONTE 2 Omena ny akoho manomboka eo amin’ny faha 51 herinandro ka mandrampahalany atody azy. 110 grama hatramin’ny 135 grama no lanin’ny akoho iray anatin’ny iray andro FOMBA FITEHIRIZANA NY SAKAFO: .Atao eo ambonina akalana (400kg/m2 ) .Asiana rivotra miditra sy mivoaka ny trano itoerany .Toerana maina tsara (tsy mandomando) NY 18 HATRAMIN’NY FAHA 80 HERIN’ANDRO Tokony ho sahaza ny filàna ankapobeny sy ny famokarana ny atody ny karazana provandy omena ny akoho. Manana provandy hari-fomba hamenoana izany filàna izany ny orinasa AGRIVAL ka mitsinjara toy izao izany : F O M B A F I O M P I A N A A K O H O M P A N AT O D Y L A V A 2. NY PROGRAMANJIRO Mitsinjara toy izao ny fotoana hanomezana hazavana ny akoho mpanatody : HERINANDRO “Tokony ahena miandalana ny hazavana ka ny hazavan’ny andro iany dia ampy ny akoho mandrampahatratrarany ny faha-17 herin’andro. Ampitomboana atsasak’adiny isan-kerinandro izany mandram-pahafeno azy 16 ora.” NY 18 HATRAMIN’NY FAHA 80 HERIN’ANDRO ORA F O M B A F I O M P I A N A A K O H O M P A N AT O D Y L A V A TORO LALANA ANKAPOBENY NY 18 HERINANDRO VOALOHANY tNy fiompiana akoho iray andiany no tsara indrindra ary sorohana ny fiompiana akoho fakana nofo sy ny mpanatody lava ao anaty toeram-piompiana iray. Sorohana toa izany koa ny fiompiana akoho gasy, dokotra, gana, sarin-dokotra, gisa, vorontsiloza, sns eo amin’izany toerana izany mba tsy hiteraka aretina eo amin’ny akoho mpanatody lava. tRaha toa ka misy akoho mpanatody lava tsy mitovy andiany eo amin’ny toeram-piompiana dia ny zandriny indrindra no tsidihina voalohany hisorohana ny aretina eo amin’ny zanak’akoho. tMihinana izay provandy laniny ny akoho ny 8 herin’andro voalohany. Mba ahafantarana fa mihinana tsara ny akoho dia tsapaina matetika ny takorobabony. Tokony ho feno provandy ny takorobabon’ny 90% ny akoho 4 ora aorian’ny fahatongavany. tTokony hadio ny rano ary laroana vitaminina izany mandritra ny herin’andro voalohany. tAhena 3°C isa-kerinandro ny mari-pana mandrampahazoana ny hafanan’ny tontolo manodidina. tSasana in-2 isan’andro ny tavy fihinanana eo ampanombohana saingy ahena in-dray isan’andro izany rehefa miha-lehibe ny akoho. tEsorina isan’andro ny akoho maty ary ezahana fantarina ny antony nahafaty azy indrindra rehefa mitombo tampoka ny taham-pahafatesana. tTapahana ny vavan’akoho rehefa feno 14 andro ny zanak’akoho mba tsy hifampitsaingoany sy tsy anariany ny sakafo. Misy fitaovana avo lenta ahafahana manao izany izay antsoina hoe «débecqueuse». Raha tsy tomombana araka ny tokony ho izy izany fanapahana ny vavany izany dia mety tsy hitovy ny halehiben’ny akoho ary sahirana izy eo ampihinanan-kanina sy ny fisotroana rano. Fenoina mihoatra nohon’ny isan’andro ny tavy fihinanana ary tsy asiana fanafody mamono Koccidiôzy izany mandram-piverin’ny fahazotoan- koman’ny akoho. tLanjaina isaky ny faran’ny herin’andro ny akoho ahafantarana raha mitombo araka ny tokony ho izy izy ireo. /:)"53".*//:'")")&3*/"/%30 tAzo lazaina ho «matoy» ny akoho rehefa mahafeno ny fetr’andro anombohany hanatody, izay miovaova arakaraky ny akoho (saingy amin’ny ankapobeny dia eo amin’ny faha-18 herinandro). tTokony hahatratra 1,5 kg ny akoho iray amin’izany fotoana izany. Ny akoho tsy mahatratra izany lanja izany dia tsy hahavokatra ny atody tokony hovokariny. Arakaraky ny haben’ny akoho ny haben’ny atody vokariny. Sorohana kosa anefa ny akoho diso matavy loatra. tNy akoho malaky manatody dia kely atody. tNy atody vokatra dia miankina amin’ny fahazotoan’ny akoho homana ka ezahana ny hanomezana azy ny kasinga rehetra hahatonga azy hazoto omana (tso-drivotra voakajy, fanaraha-maso ny fahasalamany, ny isan’ny akoho anaty toerana iompiana azy, fifehezana ny biby kely mpitsentsitra, fahatomombanan’ny fisotroana rano, ny fifehezana ny kankana anaty tsinain’ny akoho, ny fanapahana ny vavan’akoho amin’ny fomba manara-penitra, tontolo iainana milamina…) tMba ahafahana manara-maso ny fitomboana sy ny vokatra azo dia ilaina ny manara-maso ny fisy fiompiana. Soratana ao anatin’izany isan’andro ny taham-pahafatesana, ny salan’ny sakafo lany, ny salan’ny lanjan’ny atody, ny tahan’ny fanatodizana oharina amin’ny isan’ny akoho. tTokony hisy tsio-drivotra malefaka anaty tranon’akoho izay mitondra rivotra madio ho an’ny akoho ary manala tsikelikely ny rivotra mando sy maloto. tAmpiasaina ny fanafody fiadiana amin’ny lalitra sy ny voalavo. TORO LALANA ANKAPOBENY tTokony avadika isan’andro ny lafika ary atao tanana izany eo ampanombohana saingy azo avadika lapelina na fourche izany rehefa miha-lehibe ny akoho. Ny lafika mando sy miraikitra dia tokony hosoloina lafika madio. F O M B A F I O M P I A N A A K O H O M P A N AT O D Y L A V A Ny fanarahana ny kalendrieram-bakisiny dia manampy amin’ny fisorohana ireo aretina maro izay efa misy eto amintsika ka toy izao izany : TAONA VAO FOY ARETINA VAKSINY FOMBA FAMPIASANA AZY MAREK MAREK -HVT TSINDRONA ANATY NOFO MAREK-RISPENS TSINDRONA AN-TSOSO-KODITRA NEWCASTLE HIPRAVIAR B1 AFENDRAKA NA ANATY MASO BRONCHITE INFECTIEUSE BRONIPRA 1 AFENDRAKA NA ANATY MASO HIPRAVIAR B1/H120 AFENDRAKA NA ANATY MASO NA NEWCASTLE + BRONCHITE INFECTIEUSE 7-10 ANDRO NEWCASTLE + GUMBORO HIPRAGUMBORO-BPL2 TSINDRONA AN-TSOSO-KODITRA 12 ANDRO GUMBORO HIPRAGUMBORO GM97 ANATY RANO SOTROINA 18 ANDRO GUMBORO HIPRAGUMBORO GM97 NA BURSINE PLUS ANATY RANO SOTROINA 21 ANDRO 35 ANDRO 6 HERINANDRO 8 HERINANDRO 16 HERINANDRO NEWCASTLE + BRONCHITE INFECTIEUSE NEWCASTLE + BRONCHITE INFEC- HIPRAVIAR CLON/H120 NA HIPRAVIAR S/H120 ANATY RANO SOTROINA NA ANATY MASO NA AFENDRAKA TIEUSE HIPRAVIAR CLON/H120 NA HIPRAVIAR S/H121 ANATY RANO SOTROINA NA ANATY MASO CHOLERA HIPRAVIAR FOWL CHOLERA TSINDRONA AN-TSOSO-KODITRA BRONIPRA ND TSINDRONA AN-TSOSO-KODITRA VARIOLE POXINE TSINDRONA @ ELATRA SYNDROME CHUTE DE PONTE+BRONCHITE+NEWCASTLE ADENIPRAVAC TSINDRONA ANATY NOFO HIPRAVIAR CLON/H120 NA HIPRAVIAR S/H121 ANATY RANO SOTROINA NA ANATY MASO NA NEWCASTLE + BRONCHITE INFECTIEUSE NEWCASTLE + BRONCHITE INFEC- 18 HERINANDRO *avy any amin’ny HESTER Biosciences Ltd TIEUSE AFENDRAKA HIPRAVIAR CLON/H120 NA ANATY RANO SOTROINA NA ANATY MASO NA HIPRAVIAR S/H122 AFENDRAKA Averina isaky ny 8-10 herinandro ny HIPRAVIAR CLON/H120 na HIPRAVIAR S/H122 ao anatin’ny fotoana fanatodizana 30 HERINANDRO NEWCASTLE + BRONCHITE INFECTIEUSE Toro-lalana ihany ity fa ny programam-bakisiny dia miankina amin’ny aretina misy sy ny hamafin’ny fiantraikany. Tsara ny manatona veterinera raha misy tranga mampiahiahy. NY ATAO RAHA HANAO VAKSINY Saro-pady tokoa ny fitehirizana ny vaksiny koa aoka mba hajaina fatratra ny hatsiaka ilaina amin’ny fitehirizana sy ny fitondrana mandra-pampiasa azy. Aoka hajaina ny fatra ilaina ary tokony ho mailo tsara amin’ny daty farany azo ampiasaina ny vaksiny. Marihina fa rano tsy misy “chlore” no tokony ampiasaina mandritry ny vaksiny. Avela hangetaheta tsara ny akoho amin’ny fotoanan’ny vaksiny, izany hoe atao tara kely noho ny mahazatra ny fanomezana rano. 2 andro mialoha sy 2 andro aorian’ny vaksiny dia omena rano misy vitamina ny akoho TORO LALANA ANKAPOBENY Programan’ny AGRICULTURE - ELEVAGE SANTE ENVIRONNEMENTALE - CHIMIE. Ny orin’asa AGRIVET dia manolotra antsika mpiompy ny fitaovana rehetra ilaina momba ny fiompiana akoho mpanatody lava (tavy fihinanana sy fisotroana, famanana ny trano, …), ny vakisiny sy ny fanafody rehetra (vitaminina, antibiotika, …), ny fanadiovana ny trano fiompiana, … FANAFODY SY VAKSINY Miaraka amin’ireo fitaovana fampiasa amin’izany DEBEQUEUSE Fanapahana vavan’akoho TAVY FIHINANANA KELY/LEHIBE DNtBLPIP FANINDROMANA AOTOMATIKA FASIANA ATODY Mahazaka atody 30 FITSAPANA MARI-PANA MIN MAX TAVY FISOTROANA KELY/LEHIBE DNtBLPIP TAVY FISOTROANA AOTOMATIKA BLPIP CAGE EN BATTERIE Karakara vy fiompiana akoho mpanatody lava F O M B A F I O M P I A N A O M B I VAV Y B E R O N O N O FAMPIDIRANA Ireto 4 manaraka ireto no andry iankinan’ny fiompiana ombivavy be ronono : 1) Ny karazan’ny biby 2) Ny sakafo 3) Ny fitantanana ny fiompiana (trano, fanaraha-maso…) 4) Ny ara-pahasalamana Efa mihatsara mandrakariva ankehitriny ny karazan’ny ombivavy be ronono, anjarantsika noho izany ny manatsara ihany koa ny sakafo omena azy ireo sy ny fitantanana ny fiompiana. Mba hahatomobana ny fandaharan-tsakafo dia tokony hifanaraka tsara amin’ny sokajin’ny biby ny karazantsakafo sy fatra omena azy ary mifanaraka amin’ny filany ny otrik’aina ao anatiny. Arakaraka ny habetsahan’ny sakafo omena ny ombivavy ny voka-dronono azo. Ao anatin’izany sakafo izany no misy ny otrik’aina rehetra ahafahany mamokatra ny ronono (ankoatra ny rano). Manomboka hatrany amin’ny fikarakarana ny zanak’omby vao teraka, mandalo amin’ny vantony ary miafara amin’ny ombivavy mitery nono dia tokony ho ara-maso mba ahatomombana ny fiompiana. FIKARAKARANA NY ZANAK’OMBY Marofy ary mora andairan’aretina ny zanak’omby raha vao teraka. Ilaina noho izany ny mitandro tanteraka ny fahadiovana isorohana izany. Manampy be dia be ny hery fiarovana ao anatin’ny zanak’omby ny songo avy amin’ny reniny, tokony arahi-maso tsara noho izany ny fahazoany io songo io. Tokony hinono ny zanak’omby hatramin’ny faha-6-8 herinandro eo, azo atao anefa ny manome solon-dronono azy mandritra io fotoana io raha toa ka tsy ho ampinonona amin’ny reniny izy. Omena sakafo vaingany ihany koa (provandy) ny zanak’omby mba hampivelatra tsara ny fitaovam-pandevonan-kanina. Tsy azo adino ihany koa ny manome ny rano madio sy vaovao mandrakariva. Tsara raha mihidy anaty tranony tsirairay ny zanak’omby ahamora ny fanaraha-maso sy ahafahana mitandro ny fahadiovana, ahafahana misoroka ny aretina. F O M B A F I O M P I A N A O M B I VAV Y B E R O N O N O FIKARAKARANA NY VANTOTR’OMBY Vanim-potoana tokony tena arahi-maso izy io mba hitsinjovana ny vokadronono omeny ao aoriana kely. Tokony iezahana izay hampiteraka ny Ombivavy eo amin’ny faha-2 taonany. Ao anatin’ny herin-taona voalaohany no tena ivelaran’ny taolana sy iforonan’ny nofon’ny vantotr’omby. Misy fiantraikany ratsy amin’ny vokadronono anefa raha tafahoatra ny haben’ny vantotr’omby. Ilaina noho izany ny fanomezana sakafo ara-dalàna sy antonony ny vantotr’omby. Azo zaraina vanim-potoana 3 lehibe ny fomba fanomezana sakafo ny Vantotr’omby : 1) Misara-nono hatramin’ny 1 taona : Mila sakafo feno otrik’aina tsara ny zanak’omby hatreo amin’ny faha-4 volana. Aorian’izay dia efa afaka mandray vilona ny taovam-pandevonankanina. 2) 1 hatramin’ny 2 taona (2 volana mialoha ny fahaterahana) : Efa ara-dalàna ny taovam-pandevonan-kanina amin’ io fotoana io. Tsy maintsy omena vilona ny omby ary misy fanampin-tsakafo vaingany (concentré) ihany koa tokony omena azy. 3) 2 volana alohan’ny fahaterahana hatramin’ny fahaterahana : Sakafo mifanaraka amin’io sokajy io no tokony omena ny biby. Mazava ho azy fa tokony hihinana vilona mandrakariva koa ny omby. Tsy azo atao ambanin-javatra ihany koa ny rano. F O M B A F I O M P I A N A O M B I VAV Y B E R O N O N O FIKARAKARANA NY OMBIVAVY BE RONONO Ny fomba fitondrana ny fiompiana sy ny Sakafo no tena antoka lehibe ho an’ny faombiazan’ny famokarana ronono. Ny sakafo : Mizara vanim-potoana 3 izy io : 1-Fiantombohan’ny famokarana : 2-Antenatenan’ny famokarana : 3-Fitsaharan’ny famokarana : 1FIANTOMBOHAN’NY FAMOKARANA Vanim-potoana mila fitandremana manomboka ao anatin’ny 100 andro voalohany aorian’ny fahaterahana. Miakatra noho izany ny filan’ny ombivavy noho ny fiakaran’ny voka-dronono. Tonga eo amin’ny fara-tampony io vokatra io eo amin’ny faha-3 na 4 herinandro. Mahalany sakafo avo 3 na 4 eny amin’ny lanin’ny ombivavy tsy mitery izy eto. Ankoatra ny hery entiny dia ampy ny otrik’aina ao anatin’ny sakafo, mba ahatsara ny ronono. Tsy maintsy omena sakafo vaingany ihany koa ny ombivavy hampirindra tsara ny fiasan’ny taova fandevonan’kanina. Tokony mahatratra 40-45% isan’jaton’ny sakafo ny vilona omena azy, ary fanampin’tsakafo (concentré) ny famenony. 2ANTENATENAN’NY FAMOKARANA Mihamidina ny fatran-dronono azo amin’io fotoana io. Miakatra anefa ny filany amin’ny lafiny sakafo (matière seche) ary tokony mihamahazo vahana ny Ombivavy. Eto no vanim-potoana fiomanana ho an’ny famokaran-dronono manaraka. Marihina fa tokony ho efa mitondra vohoka ny omby eto, ary manolo ny hery rehetra laniny nandritra ny fiantom-bohan’ny famokarana izy eo. 3FITSAHARAN’NY FAMOKARANA Maharitra 60 andro eo eo izy io. Mitsahatra ny famokaran-dronono eto ary mifantoka tanteraka amin’ny fiomanana amin’ny fiterahana sy ny famelomana ny zanak’omby ary ny famokarana ho avy, ny fikarakarana ny biby eto. F O M B A F I O M P I A N A O M B I VAV Y B E R O N O N O NY SAKAFO Ny orinasa AGRIVET dia manolotra anao solon-dronono vovony na « Lactoremplaceur ». Laroana rano madio izy io ary omena ny zanak’omby latsaky ny iray volana Ny orin’asa AGRIVAL kosa dia manolotra anao Provandy « Vache laitière » miendrika vovony na bolabola natokana manokana ho an’ny omby vavy mitery. FOMBA FIOMPIANA KISOA FAMPIDIRANA Mampidi-bola tokoa ny lalam-pihariana fiompiana kisoa raha voatandrina tsara ny lafiny ara-teknika amin’ny fanorenana ny tranon-kisoa, ny fampitomboana taranaka, ny sakafo, ny fahasalamana, ary ny fitantanana ara-bola. NY TRANO Tsy mba miteraka hatsembohana ny kisoa ka tsy mahatanty hafanana be loatra. Saingy ny kisoa kely kosa dia tsy mahatanty hatsiaka ka mila mitandrina tsara amin’ny fisafidianana ny fanorenana ny trano amin’ny toerana mafana. Toa izao ny mari-pana manara-penitra arakaraka ny kisoa : - Zana-kisoa 0.9 hatramin’ny 1.5 kg : 30 – 32 °C - Kisoa misara-nono 10 kg : 26 °C - Kisoa atavezina 30 kg : 24 °C - Kisoa atavezina 50 kg : 19 °C - Kisoa atavezina 100 kg : 16°C NY REFIN-TRANO Kisoa Kisoa bevohoka Fatoriana Fisakafoana - fatoriana Lalantsara Lahin-kisoa Fampanarahana Fampiterahana Refy Halavany (m) 2 -2,20 2.40 3 3 3 Sakany 0.50 0.70. 0.70 - 1.50 2.20 2.20 2.5 FISAFIDIANANA NY TOERANA HANORENANA NY TRANO t.JmEZ UPFSBOB tsara rivotra (tehezan-tendrombohitra, vohitra…) tAkaiky rano t/ZUSBOPUFOBUTBSBEJBvoalafika simenitra ary misokatra amin’ny sisiny t/Z IBIBWPOOZ SJOESJOB NBNQJTBSBLB OZ FmUSB EJB farafahakeliny 1.3 m tSomary misolampy ny fanambanin’ny trano hahamora ny fanadiovana t/Z USBOP JSBZ EJB TBEZ NJTZ UPFSBOB IBUPSJBOB OP NJTZ toerana hitsangatsanganana t"TJBOBlalan-tsara 1.5 m hahamora ny fikarakarana tMisokatra ny sisiny mba hisorohana ny hafanana be loatra FOMBA FIOMPIANA KISOA NY FAMPANARAHANA /ZMBIJOLJTPBTZOZSFOJOLJTPBEJBUPLPOZIBOBOBJSFUPUPFUSBJSFUP t4BMBNBUTBSB t5TZNJTZGBIBTBNQPOBOB t&OESZTBEZUPOZ NY FOTOANA MAHAMATOY NY KISOA VAVY Io fotoana io no ahitana voalohany ny fihetsika izay manambara fa vonona ho ampanarahana ny kisoa. Eo ho eo amin’ny 4 hatramin’ny 6 volana eo izy io. FITSINGERENAN’NY FADIMBOLANA Mitsingerina isaky ny 19 hatramin’ny 23 andro izy io. /ZBIBGBOUBSBOBB[ZEJB tTsy mazoto omana ny kisoa tSorena izy tMitaingina ny namany izy tMivonto ary miha-mena ny fivaviany t.JTZtsiranoka fotsy mivoaka amin’ny fivaviany tTsy mihetsika izy rehefa taingenana ny lamosiny NY FAMPANARAHANA "NQBOBSBIBOBOZLJTPBWBWZ12 hatramin’ny 24 ora aorian’ny nahitana ny fambaran’ny fahatairana voalohany ka averina fanindroany izany 12 ora aty aoriana (maraina sy hariva). FANARAHANA MASO NY FIVERENAN’NY FAHATAIRANA "SBIJOBNBTPOZLJTPBFPBNJOOZGBIB18 sy 23 andro aorian’ny nampanarahana azy ary any amin’ny faha-42 andro BPSJBOB/FUZOZGBNQBOBSBIBOBSBIBtsy miverina taitra intsony ny kisoa. FITONDRANA VOHOKA Maharitra 3 volana sy 3 herinandro ary 3 andro. Ilaina ny mitadidy ny daty nampanarahana mba ahafahana miomana amin’ny fampiterahana. FOMBA FIOMPIANA KISOA NY FAMPITERAHANA FANOMANANA NY FAMPITERAHANA Herinandro mialohan’ny fampiterahana dia diovina tsara ny trano hiterahana, ny renin’kisoa, ary alàna katsentsitra izy. LBUTFOUTJUSBBOBUZTZJWFMBOZ "IFOBOZQSPWBOEZIBOJOZLBomena rano. NY FAMPITERAHANA Rehefa manakaiky ny fotoana hiterahan’ny renin-kisoa dia mihamisokatra ary mivonto ny fivaviany. Efa misy ronono mivoaka amin’ny nono. Mety maharitra ora vitsivitsy ny fiterahana (4 hatramin’ny 10 ora). FIKARAKARANA NY ZANAKISOA Milanja 0.9 hatramin’ny 1.5 kg ary tsy mahavita miaro tena amin’ny IBUTJBLB "SPWBOB BNJOOZ IBUTJBLB OPIP J[BOZ OZ USBOP JUPFSBOOZ zana-kisoa. /Z OPOP WPBMPIBOZ songo) no matsiro indrindra ary mitahiry ireo singa miaro ny zana-kisoa. Minono isaky ny adiny iray ny zana-kisoa. Ronono 20 hatramin’ny 30 gr isaky ny minono (1litatra isan’andro). Tokony ho ampy tsara noho izany ny nonon’ny renin-kisoa vavy (9 hatramin’ny 12 litatra isan’andro) FAHASALAMANA "MFPNJTPSPLBUPBJ[BZNJUTBCP/ZmUBOESPBOBOZGBIBTBMBNBOOZLJTPBEJBBOUPLBJSBZIJTJBOOZGBIPNCJB[BOB t"PSJOBalavitry ny trano fonenana ny tranon-kisoa tDiovina isan’andro ny tranony t'BEJBOBOZmUTJEJIBOBNBUFUJLBOZUSBOPOLJTPBIPBOOZPMPOBJWFMBOOZNQJLBSBLBSB t/ZMBIJOLJTPBEJBUTZUPLPOZIBOBSBLBLJTPBWBWZJWFMBOOZGBSJUSBJPNQJBOB t'BEJBOBOZm[BSBOBTBLBGPFGBNJIBMPGBLPBNCJOUTBLBGPUTZMBOZBWZBOZBNJOOZIPUFMZ t5BOUFSBIJOBara-potoana ny vaksiny rehetra tokony hatao sy ny fanalana kankana. FOMBA FIOMPIANA KISOA TANDREMO Raha mahita tranga mampiahiahy eo amin’ny fiompiana : kisoa manjonitra, malain-komana, mamay, tsy mahazaka vatana, misy farora-bava, misy tako-pery maro na lagaly dia atokana trano ny kisoa tsy salama, antsoina haingana ny veterinera na teknisianina, fendrahana ranom-panafody mamono mikraoba sy virosy ny trano sy ny fitaovana rehetra. NY SAKAFO 70%-n’ny fandaniana dia avy amin’ny sakafo. Ilaina ny manatsara ny tahan’ny fivadihan’ny sakafo ho nofo amin’ny famaranana mba ahatsara ny hena. NY FITOMBOAN’NY FATRATSAKAFO HO AN’NY KISOA Karazany Taonan’ny Kisoa Sakafo (Kg/andro) Karazan-tsakafo Kisoa mbola minono 2 hatramin’ny 4 herinandro 0,150 –0,250 DémarrageQPSDFMFU"(3*7"- Kisoa misara-nono 5 hatramin’ny 8 herinandro 0,300 – 0,500 DémarrageQPSD"(3*7"- Vato-kisoa 9 hatramin’ny 19 herinandro 1,20 – 2,5 CroissanceQPSD"(3*7"- Kisoa atavizina 20 hatramin’ny 29 herinandro 2,5 – 3 Finition"(3*7"- Kisoa bevohoka 4-5 Truie gestante"(3*7"- Kisoa mampinono 4.5 -6 Truie allaitante"(3*7"-
© Copyright 2025 Paperzz