,t: ,$dr$ils&ffiéffi es$,!K&w.d& :Ps{T$Lii",rx$i.!1$mift .$,I4\{\È}.iÈ}*i\1, NATIONALE REPOBLIKA FAHAEFATRA FEPOTOANA VOALOHANY FANAOVAN.DALANA VOALOHANY FOTOAM.PIVORIANA ARA-POTOANA TAONA2014 DIRECTION DELALEGISLATION DESPROCES-VERBAUX SERVICE ETDESCOMPTES.RENDUS ANALYTIQUES NT TTYOnIAI}IBE FTTAITTAI{AAITT.:NSONATRA LAHARANAFAHA-37 faha-19 Fivoriana Nataony Alakamisyt9 Jona2Ot4 - Maraina FOTOPOTOTRY NY FIVORIANA Natao ny Alakamisy 19 Jona 2014 - Maraina Pejy - Fitohizan’ny fivoriana ………………………………………………………………….……………………………… 01 - Fiantsoana anarana ……………………………………………………………………………………………………. 01 - Fandinihana sy fandraisana fanapahan-kevitra mikasika ny Volavolan-dalàna laharana faha-001/2014 tamin’ny faha-11 May 2014, momba ny Fandravonana ny Fitantanana ny Volam-panjakana taona 2007 …………….….. 02 - Famakiana ny tatitra …………………………………………………………………………………………………. 02 - Fanamarihana na fanintsiana ny tatitra …………………………………………………………………….. 06 - Fandraisana fanapahan-kevitra mikasika ny Volavolan-dalàna laharana faha-001/2014 tamin’ny faha-11 May 2014 momba ny Fandravonana ny Fitantanana ny Volam-panjakana, taona 2007 …………………………………………………………. 07 - Fandinihana sy fandraisana fanapahan-kevitra mikasika ny Volavolan-dalàna laharana faha-005/2014 tamin’ny 28 May 2014, miady amin’ny asa fampihorohoroana sy ny heloka bevava voarindra mahakasika firenena maro …….. 09 - Famakiana ny tatitra ………………………………………………………………………………………………….. 09 - Fampahafantarana ireo solotenan’ny Governemanta ………………………………………………… 13 - Adihevitra ankapobeny ………………………………………………………………………………………………. 14 - Fandraisana fanapahan-kevitra mikasika ny ny Volavolan-dalàna laharana faha-005/2014 tamin’ny 28 May 2014, miady amin’ny asa fampihorohoroana sy ny heloka bevava voarindra mahakasika firenena maro ………………………………………….. 29 - Fandinihana sy fandraisana fanapahan-kevitra mikasika ny Volavolan-dalàna laharana faha-006/2014 tamin’ny 28 May 2014 « sur la lutte contre la Cybercriminalité » …………………………………………………………………… 30 - Famakiana ny tatitra ………………………………………………………………………………………………….. 30 - Fandraisana fanapahan-kevitra mikasika ny Volavolan-dalàna laharana faha-006/2014 tamin’ny 28 May 2014 « sur la lutte contre la Cybercriminalité » ……… 35 - Fandinihana sy fandraisana fanapahan-kevitra mikasika ny Volavolan-dalàna laharana faha-007/2014 tamin’ny 28 May 2014 « portant institution de la Commission Nationale Indépendante des Droits de l’Homme » …………………………. 36 - Famakiana ny tatitra ………………………………………………………………………………………………….. 37 - Fanamarihana na fanitsiana ny tatitra ……………………………………………………………………….. 39 - Adihevitra ankapobeny ………………………………………………………………………………………………. 40 - Fandraisana fanapahan-kevitra mikasika ny Volavolan-dalàna laharana faha-007/2014 tamin’ny 28 May 2014 « portant institution de la Commission Nationale Indépendante des Droits de l’Homme » ………………………….. 43 - Fandinihana sy fandraisana fanapahan-kevitra mikasika ny Tolo-pehin-kevitra laharana faha-002-2014/R, hananganana Vaomiera mpanadihady eo anivon’ny Parlemanta, mahakasika ireo olana momba ny fananan-tany eto Madagasikara ……….. 44 - Famakiana ny tatitra ………………………………………………………………………………………………….. 45 - Fandraisana fanapahan-kevitra amin’ny fametrahana ny Vaomiera …………………………. 50 - Fifidianana ny Filohan’ny Vaomiera mpanadihady eo anivon’ny Parlemanta, mahakasika ireo olana momba ny fananan-tany eto Madagasikara ……………………………. 50 - Fandinihana sy fandraisana fanapahan-kevitra mikasika ny Volavolan-dalàna laharana faha-001/2013 tamin’ny 27 Martsa 2013 « Autorisant la ratification de la Convention Internationale contre le dopage dans le Sport conclue entre la République de Madagascar et les Etats Parties de la Conférence de l’UNESCO du 19 octobre 2005 » ……………………………………………………………………………… 56 - Famakiana ny tatitra ………………………………………………………………………………………………….. 56 - Famelabelarana ny antonanton’ny Volavolan-dalàna ………………………………………………… 59 - Adihevitra ankapobeny ………………………………………………………………………………………………. 61 - Fandraisana fanapahan-kevitra mikasika ny Volavolan-dalana laharana faha-001/2013 tamin’ny 27 martsa 2013 « Autorisant la ratification de la Convention Internationale contre le dopage dans le Sport conclue entre la République de Madagascar et les Etats Parties de la Conférence de l’UNESCO du 19 octobre 2005 » …………………………………………………………… 73 - Fiatoan’ny fivoriana …………………………………………………………………………………………………… 76 1 FIVORIAMBE FILOHA: Andriamatoa MAHAZOASY Mananjara Freddie Richard MPITANTSORATRA: - Andriamatoa VANOVASON Jean Adrien - RANDRIANARISONA Rivoniaina Guy Célin FOTOANA: Alakamisy 19 Jona 2014, tamin’ny 9 ora sy 40 minitra, maraina. FANDAHARAM-POTOANA: Fandinihana sy fandraisana fanapahan-kevitra mikasika ny: - Volavolan-dalàna laharana faha-001/2014 tamin’ny faha-11 May 2014, momba ny Fandravonana ny Fitantanana ny Volam-panjakana taona 2007. - Volavolan-dalàna laharana faha-005/2014 tamin’ny 28 May 2014, miady amin’ny asa fampihorohoroana sy ny heloka bevava voarindra mahakasika firenena maro. - Volavolan-dalàna laharana faha-006/2014 tamin’ny 28 May 2014 « sur la lutte contre la Cybercriminalité ». - Volavolan-dalàna laharana faha-007/2014 tamin’ny 28 May 2014 “portant institution de la Commission Nationale Indépendante des Droits de l’Homme”. - Lakolosy -1- Fitohizan’ny fivoriana - Andriamatoa FILOHA Tompokolahy sy Tompokovavy, Miarahaba antsika Solombavambahoaka rehetra, Miarahaba an-dRamatoa Minisitra sy ny mpiara-miasa aminy, Arahabaina ianareo izay manatrika etoana, arahabaina ihany koa ny mpanao gazety. Alohan’ny hirosoana amin’ny votoatin-draharaha dia iangaviana ny mpitantsoratra, hanao ny fiantsoana anarana. -2- Fiantsoana anarana Andriamatoa RANDRIANARISOA Rivoniaina Guy Célin Eny, Andriamatoa Filoha. Andriamatoa sy Ramatoa isany Solombavambahoaka: ABDILAH ……………………. ………………………… 2 ………………………………… ZAFIMAHATRATRA Abel. Amin’ny 11 ora, latsaka 10 minitra izao, Andriamatoa Filoha. Miisa 45 ny Solombavambahoaka tonga ary 23 kosa no nandefa fialan-tsiny. -3- Fandinihana sy fandraisana fanapahan-kevitra mikasika ny Volavolan-dalàna laharana faha-001/2014 tamin’ny faha-11 May 2014, momba ny Fandravonana ny Fitantanana ny Volam-panjakana taona 2007 Andriamatoa FILOHA Mbola mamerina ny fialan-tsiny amintsika amin’ny fahadisoam-potoana, noho ny fiandrasana ny fiakaran’ny Solombavambahoaka ho tonga eto amin’ny trano fivoriana. Isaorana ny Mpitantsoratra nanao ny fiantsoana anarana teo. Ny fandaharam-potoanantsika izao marainan’ny Alakamisy faha-19 Jona 2014, izao dia fivoriambe handinihana sy handraisana fanapahan-kevitra mikasika ny Volavolan-dalàna laharana faha-001/2014 tamin’ny faha-11 May 2014, momba ny Fandravonana ny Fitantanana ny Volam-panjakana taona 2007. Koa iangaviana Andriamatoa Mpampakatenin’ny Vaomieran’ny Vola sy ny Tetibola, hamaky ny tatitra mikasika izany. Anao ny sehatra, Andriamatoa Mpampakateny. -4- Famakiana ny tatitra Andriamatoa RAZAFIMILY Constance Misaotra, Andriamatoa Filoha. Alohan’ny hanaovan’ny Mpampakatenin’ny Vaomieran’ny Vola sy ny Tetibola tatitra dia miteny amintsika namana aho, fa ity “loi de règlement” ity dia “loi de finances” tamin’ny taona 2007. Izany hoe: vola efa lany ity, tantara rezatra no hotenenina eto; ka sao dia mbola hanao resabe hoe mahita an’izao ato, mahita an’izao arỳ. Ny vola ho avy no iadianareo mafy, fa ity dia vola efa lany. Noho izany, aza lava resaka, fa lanio ity rehefa vita ny tatitra izay atao eto. Andriamatoa FILOHA Misaotra anao, Andriamatoa Filohan’ny Vaomieran’ny Fitantanam-bola sy ny Tetibola. Omentsika ny Mpampakateny ny fitenenana. 3 Andriamatoa RANDRIANAIVOSON Andrianavalona Fanomezanjaka Pierrot Misaotra, Andriamatoa Filoha. Andriamatoa Filoha, Ianareo Mpikambana ao amin’ny Birao Maharitra, Isika Solombavambahoaka, Ianareo solotenan’ny Governemanta tonga eto. Nivory ny Alarobia faha-18 Jona 2014, tamin’ny 4 ora sy 5 minitra, tolak’andro, ny Vaomiera mitambatra niarahan’ny Vaomieran’ny Fitantanam-bola sy ny Tetibola ary ny Vaomieran’ny Toekarena sy ny Teti-pivoarana, nandinika ny Volavolan-dalàna laharana faha-001/2014 tamin’ny 14 May 2014, momba ny Fandravonana ny Fitantanana ny Volam-panjakana taona 2007. Andriamatoa RAZAFIMILY Constance, Filohan’ny Vaomieran’ny Fitantanam-bola sy ny Tetibola, no nitarika ny fivoriana. Ireto avy ireo Solombavambahoaka nanatrika ny fivoriana: Andriamatoa isany: 1. RAZAFIMILY Constance 2. DJAOSERA Irénée 3. RANAIVOSON Andrianavalona Fanomezanjaka P 4. RAHOLIJAONA Harson Nisolo tena ny Governemanta ireto teknisiana manaraka ireto: Ramatoa sy Andriamatoa isany, - RANDRIANASOLO Brice DirCab/MFB - RANAIVO Henri DGCF/SG pi - RAHARIMISA Eulalie DESB/DGB pi - RAJAONARIVONY Ramanoel DGT/DCP - HAINGOMIARANTSOA Mbolahanta DGT/DCP/SSEPC - RASOLONIRINA Rabeson R. DGT/DCP/ACE - ANDRIAMBELO Noro Tiana DGB/DPCB - PAZA Ivana Annaëlle DGB/DPCB - VELONORO Samboady DGB/DPCB - RAMAHARIVO Baritiana DGB/DESB - RANDRIARIMANGA Henri DESB/SSB - MORA Jackson DGB/DSP - RAKOTOMALALA Onitiana Philipson DGB/DESB/SSB - NDRIAMAHAVORY E. DGB/DESB/SSB - RARIVOSON Andry DGI (représentant) - RANDRIAMIZAKA Fidiravaka DGD/DSCD - FETY Alessandrine Asmina DGB/DESB - RAZANAPARANY Norolalao DGB/DESB - RANDRIANARISON DGB/DESB/SBI 4 Rehefa avy niarahaba ny mpivory, Andriamatoa Filoha, dia nomeny ny Teknisiana avy hatrany ny fitenenana, mba hanomezany fanazavana momba ity Volavolan-dalàna ity. Nambaran’ny Teknisiana, fa resaka efa vita ity, fa ny lalàna sy ny Lalàmpanorenana mifehy antsika no manery ny handaniana ity Volavolan-dalàna ity. I- « Contexte global » Ny taona 2007 no taona voalohany nanatanterahana ny Madagasikara Am-Perinasa (MAP), izay sehatra nitondrana ny fitantanana ny fampandrosoana ny firenena. Ao amin’izany no ahitana ny vina ny hoavin’i Madagasikara (Madagascar Naturellement). Izany hoe: toekarena mifototra amin’ny fiveloman’ny vahoaka madinika, mba hampitomboana sy ny hanatsarana ny vokatra ary hahitana lalam-bokatra tsaratsara kokoa. Ezahina ihany koa ny fampitomboana ny ambaindain’ny fanondranana vokatra any ivelany; ny fikajiana ny tontolo iainana mba tsy ho potika. Ao anatin’ny fe-potoana 2007-2011 no novinavinaina hanatanterahana ny MAP, kanefa rava izany tamin’ny taona 2009. Ity tetibola 2007 ity dia nampifanarahana tamin’ny MAP. Napetraka tamin’ny politika ankapoben’ny Fanjakana ny: - Fifehezana sy fampijanonana ny fisondrotry ny vidim-piainana; - « recapitalisation de la Banque Centrale de Madagascar »; - Fanavaozana ny rafitry ny orinasam-panjakana toy ny JIRAMA, nampivoarina ny teknolojia ka nampiasa “fuel” ary nialana tsikelikely ny “gasoil”; - Fandoavana ny anjaran’ny Fanjakana amin’ny « Caisse de retraite » (CPR sy CRCM); - Fanafoanana sy fanalefahana ny trosa ivelany. Ny Lalàna Fehizoro laharana faha-2004-007, andininy faha-2 no mamaritra ny Lalàna Fandravonana ny Fitantanana ny Volam-panjakana. Roa taona aorian’ny fampiharana ny Tetibola no tokony hanaovana izany, kanefa noho ny toe-draharaha tamin’ny taona 2009 dia izao vao naroso. - - - II- Vokatra ara-bola sy ara-toekarena Ny fisondrotry ny harin-karena faobe dia nahatratra 6,2% raha novinavinaina ho 6,3%, ka teo amin’ny 2,2% ny an’ny seha-pamokarana voalohany, 9,8% ny seha-pamokarana faharoa ary 7,8% ny seha-pamokarana fahatelo. Ny seha-pamokarana voalohany no niadam-pitombo indrindra. Nahatratra 10,3% ny tahan’ny fisondrotry ny vidim-piainana raha 8,4% no novinavinaina. Ny « Solde global de paiements extérieurs excédentaire » dia nahatratra 148 millions DTS. Teo amin’ny 2,8% ny fatiantoka ara-tetibola (déficit budgétaire) raha novinavinaina ho 4,4%. Ny anton’izany dia noho ny fiezahan’ny Fanjakana nitsitsy. Nahatratra 11,4% ny tahan’ny tsindrin-ketra (taux de pression fiscale). Anisan’ny ambany indrindra izany raha oharina amin’ny firenena Afrikana, satria manjaka ny sehapamokarana tsy ara-dalàna (secteur informel). Ny famerana ny fandaniam-bolam-panjakana dia 18,7%-n’ny harin-karena faobe (PIB) raha 21,3% tamin’ny taona 2006. 5 - - III- Bilan de l’exécution budgétaire 2007 Nisy ny fampiharana tsikelikely ny “concept” amin’ny “budget-programme” izay mifototra amin’ny tanjona tratrarina. Fampiharana ny rijan-teny momba ny “Code des Marchés publics”. Fametrahana SIGFP (Système Intégré de Gestion des Finances Publiques) tamin’ny taona 2005 ary fampiharana izany tamin’ny taona 2007, mba hanafainganana sy hanamorana ny fanatanterahana ny fandaniam-bolam-panjakana. Fanitsiana ny vola miditra avy amin’ny hetra (recettes fiscales) ka nanalana 12,5 miliara Ariary ny “dépenses hors solde” ary 32,5 miliara Ariary ny “dépenses d’investissement”. Na dia niakatra aza ny vola niditra ankoatry ny hetra (7%) dia tsapa fa mbola betsaka lavitra ny vola miditra avy amin’ny hetra (93%). Mitotaly 1 777 574 000 000 Ariary ny fandaniana eo anivon’ny Andrimpanjakana sy ny Minisitera, nandritry ny taona 2007 ka anisan’ny nanana fandaniana be indrindra ny Minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena sy ny Fikarohana Siantifika (383 137 millions d’Ariary). Nampifanandrifiana tamin’ny MAP ny fanatanterahana ny fandaniana isaky ny programan’asa (exécution des dépenses par programme). Nisy fitomboana kely ny vola novinavinaina (5 535 696 milions d’Ariary) raha mitaha amin’ny novinavinaina teo aloha (5 513 460 millions d’Ariary). Nisy fatiantoka ara-tetibola (déficit budgétaire) mitentina 17 248 072 346,28 Ariary teo amin’ny fanatanterahana ny tetibola, satria nihoatra ny vola niditra ny fandaniana. Toy izao ny ezaka vita isaky ny sehatra samihafa: - Seha-pitantanana • Fanohanana ara-bola ny Vondrom-bahoaka Itsinjaram-pahefana (subventions de 44% aux Communes) sy ny fandaharanasa ACORDS (Appui aux Communes et Organisations Rurales pour le Développement du Sud). • Fametrahana Ivotoeram-panofanana eny anivon’ny Kaomina. • Fanapariahana ny fombafomban’ny « passation de marchés publics ». • « Sécurisation des recettes par l’application des méthodes modernes de gestion et de vérification des contribuables ». • « Amélioration du système d’information grâce à la mise en place du SIGFP ». - Seha-pamokarana • Fanatanterahana ireo fandaharan’asa ho fanarenana ny orinasa JIRAMA. • Fampivoarana ny tetikasa momba ny fananan-tany izay tohanan’ny tetikasa MCA (Millénium Challenge Account). • « Sécurisation foncière et aménagement des milieux ruraux (Projet Jeunes Entrepreneurs Ruraux) ». • « Projet de Renforcement Institutionnel du Secteur Minier de Madagascar (PRISMM) ». 6 - Sehatra fotodrafitrasa • Fanarenana ny lalamby (Antananarivo-Toamasina). • Fanarenana ny lalamby « axe nord », fanarenana 100% ny seranam-piaramanidina. • Fanarenana ny fotodrafitrasan’ny seranan-tsambo any Toamasina. Famoronana asa amin’ny alàlan’ny tetikasa « Pôle Intégré de Croissance » (asa 1 718 mikasika ny fizahantany, asa 4 878 momba ny « Textile », asa 3 782 momba ny NTIC). IV- Fanolorana ny antontan-taratasy mahakasika ny Volavolan-dalàna - Famelabelarana ny antonantony. - Votoatin’ny Volavolan-dalàna. - Tovana. Taorian’izany dia niroso tamin’ny fametraham-panontaniana sy nanolotra fanamarihana ny Solombavambahoaka: 1- Manao ahoana ny fanaraha-maso ny FDL izay alefa any amin’ny Kaomina? 2- Toa tsy misy loatra ny “continuité de l’Etat” eto amintsika. 3- Tokony hojerena ihany koa ny vola miditra (recettes), fa tsy ny fandaniana ihany rehefa mandinika ny Volavolan-dalàna momba ny Fandravonana ny Fitantanana ny Volam-panjakana. Nambaran’ny Teknisiana fa ny fomba fitsinjarana ny “fonds” alefa any amin’ny Kaominina dia mifanaraka tsara amin’ny programan’ny Minisitera. Mety marina fa mivily any amin’ny zavatra hafa ny fandaniana ny vola, ka tokony hamafisina ny fanaraha-maso ny fandaniambola. Tokony hisy koa ny fanombanana (évaluation) isaky ny dingana vita ao anatin’ny tetikasa raha te-hampandroso ny firenena. Tokony apetraka amin’ny programam-pirenena ny fahamarinana (intégrité). Rehefa izany dia niroso tamin’ny fandaniana ny Volavolan-dalàna ny mpivory. Naato 30 minitra, ny fivoriana ho fanajana ny andininy faha-50 ao amin’ny Fitsipika Anaty mifehy ny Antenimierampirenena. Nolanian’ny Vaomiera mitambatra tamin’ny endriny tsy nasiam-panitsiana sy tsy nasiampanovàna ny Volavolan-dalàna laharana faha-001/2014 tamin’ny 14 may 2014 momba ny Fandravonana ny Fitantanana ny Volam-panjakana taona 2007. Nifarana tamin’ny 5 ora sy 30 minitra, hariva, ny fivoriana rehefa avy nisaotra ny mpivory Andriamatoa Filoha. -5- Fanamarihana na fanitsiana ny tatitra Andriamatoa FILOHA Isaorana ianao, Andriamatoa Mpampakateny, nitondra izay tatitra izay. Araka ny fomba mahazatra moa raha ohatra misy fanitsiana dia misokatra ny fitenenana. Fanitsiana mikasika ny tatitra, izay no hataontsika izao, fa mbola tsy miditra amin’ny adihevitra. 7 Avy eo miresaka ny avy amin’ny Governemanta dia miverina atỳ amintsika ny fitenenana, mba ahafahantsika manao ny adihevitra raha ohatra ka hasiana izay. Aorian’izay dia miditra amin’ny fanapahan-kevitra isika. Raha sitrakareo dia fanitsiana, Tompoko. Tsy misy Misaotra anareo. Avy ato amin’ny solotenan’ny Governemanta? Andriamatoa RANDRIANASOLO Brice, Talen’ny Kabinetran’ny Minisiteran’ny Fitantanambola sy ny Tetibola Andriamatoa Filoha, misaotra nanome ny fitenenana. Andriamatoa sy Ramatoa isany Solombavambahoaka, misy fanitsiana kely tianay haroso ao amin’ny takila faha-4, Tompoko. Amin’ny “troisième, dernier paragraphe” misy an’ilay hoe: nisy fitomboana kely ny vola niditra raha mitaha tamin’ny novinavinaina. Voalohany indrindra dia ovaintsika ilay hoe vola niditra, nisy fitomboana kely ny vola novinavinaina. Ilay “chiffre” voalohany dia mifamadika amin’ilay “chiffre” faharoa. Izany hoe: “à la place de 5 513 460 millions” dia atao amin’io toerana io ilay eo ambany “5 535 696 millions”; mifamadika izany ireo. Tsy vola niditra ilay izy, fa vola novinavinaina. Mitohy ihany ny fehezan-teny, Tompoko, dia hoe: raha mitaha amin’ny vinavina teo aloha, fa tsy novinavinaina. Izany hoe ny “prévision” izany no nisy fiovàna, “prévision de recette” izany. Misaotra, Tompoko. -6- Fandraisana fanapahan-kevitra mikasika ny Volavolan-dalàna laharana faha-001/2014 tamin’ny faha-11 May 2014 momba ny Fandravonana ny Fitantanana ny Volam-panjakana, taona 2007 Andriamatoa FILOHA Misaotra ny solotenan’ny Governemanta, tamin’ny fanampim-panazavana nataony teo izay. Izao isika dia hiroso amin’ny adihevitra, fa azontsika atao ihany izany, raha misy. Tsy misy handray fitenenana? Hiroso amin’ny fandraisana fanapahan-kevitra mikasika ny Volavolan-dalàna laharana faha001/2014 tamin’ny faha-11 May 2014 momba ny Fandravonana ny Fitantanana ny Volampanjakana, tamin’ny taona 2007 ary isika. 8 Misy andininy maromaro ihany izay namboarinareo tao amin’ny Vaomiera; ka moa ve avy dia miaraka “approuver”-na ilay izy sa hovakiana tsirairay? Satria any amintsika daholo ireo tatitra sy ny fitanana an-tsoratra rehetra, koa raha sitrakareo dia hiditra amin’ny fanaovana tsangan-tànana isika. Iza no manaiky ny fanapahan-kevitry ny Vaomiera? Marihana fa tratra ny antsasa-manila amin’izao fotoana izao. - Solombavambahoaka miisa 57 no nanangan-tànana Iza no mitsipaka? - Tsy misy Iza no tsy milaza ny heviny? - Solombavambahoaka 3 no nanangan-tànana Taorian’izay fandaniana ny Volavolan-dalàna izay dia omena fitenenana ianareo solotenan’ny Minisitry ny Fitantanam-bola Tetibola, raha toa ka misy teny tianareo ambara. Omena anareo ny fitenenana, Tompoko. Andriamatoa RANDRIANASOLO Brice, Talen’ny Kabinetran’ny Minisiteran’ny Fitantanambola sy ny Tetibola Andriamatoa Filoha, Andriamatoa sy Ramatoa isany Solombavambahoaka, Tsy misy ambara intsony angamba, avy aty aminay solotenan’ny fitondram-panjakana afa-tsy ny fisaorana eram-po, eran-tsaina antsika mianakavy, nanamora ny fandaniana an’ity lalàna fandravonana ny fitantanam-bolam-panjakana tamin’ny taona 2007 ity. Iarahantsika mahalala, fa ny taona 2007 dia somary efa lavidavitra ihany, 7 taona lasa raha mitaha amin’izao taona 2014 misy antsika izao. Ny nanaovantsika an’izao fandaniana izao dia hoe tsy maintsy manara-dalàna isika, izany hoe tsy maintsy mandalo an’izay “Loi de Règlement” izay. Ny ampiasaintsika azy araka ny dinika nifanaovana tao amin’ny Vaomiera dia hataontsika toy ny lesona; lesona hanatsarantsika ny amin’ny ho avy, ny fandinihana sy famakafakana natao tamin’ny fanatanterahana ny Fitantanam-bola tamin’ny taona 2007 io. Mbola mamerina ny fisaorana sy fankatelemana amin’ny fiaraha-miasa, Tompoko. Andriamatoa Filoha, Andriamatoa sy Ramatoa Solombavambahoaka, Misaotra, indrindra, Tompoko. 9 Andriamatoa FILOHA Isaorana ianao, Andriamatoa Talen’ny Kabinetra, nisolo tena ny Minisitry ny Fitantanam-bola sy ny Tetibola. Isaorana manokana ihany koa ianareo tao amin’ny Vaomieran’ny Fitantanam-bola sy ny Tetibola, izay nanao ny ainareo tsy ho zavatra, niaraka tamin’ny solotenan’ny Governemanta; nitoto nahafotsy sy nahandro nahamasaka an’izao rehetra izao. Misaotra betsaka amin’ny fiaraha-miasa. Koa dia omen-dàlana ianareo avy ao amin’ny Minisiteran’ny Tetibola sy ny Fitantanam-bola, raha sitrakareo. -TehakaMitohy ny asantsika, Tompokolahy sy Tompokovavy, Solombavambahoaka. -7- Fandinihana sy fandraisana fanapahan-kevitra mikasika ny Volavolan-dalàna laharana faha-005/2014 tamin’ny 28 May 2014, miady amin’ny asa fampihorohoroana sy ny heloka bevava voarindra mahakasika firenena maro Andriamatoa FILOHA Ny fandaharam-potoanantsika manaraka dia fandinihana sy fandraisana fanapahan-kevitra mikasika Volavolan-dalàna laharana faha-005/2014 tamin’ny 28 May 2014, miady amin’ny asa fampihorohoroana sy ny heloka bevava voarindra mahakasika firenena maro. Mamerina ny fiarahabana anao Ramatoa Minisitry ny Fitsarana sy ireo Teknisiana izay miaradia aminao. Izao dia iangaviantsika am-panajana ny Mpampakatenin’ny Vaomieran’ny Lalàna, hamaky ny tatitra momba ny volavolan-dalàna. Anao ny sehatra, Tompoko. -8- Famakiana ny tatitra Andriamatoa TODY Arnaud Misaotra, Andriamatoa Filoha. Faly miarahaba anao, Ramatoa Minisitra sy ireo Teknisiana rehetra, izay tonga manatrika ity fotoana ity. Faly miarahaba ny Solombavambahoaka namana rehetra. Nivory ny Talata faha-17 Jona 2014, tamin’ny 3 ora sy 45 minitra, tolak’andro ny Vaomieran’ny Lalàna, nandinika ny Volavolan-dalàna laharana faha-005/2014 tamin’ny 28 May 2014, miady amin’ny asa fampihorohoroana sy ny heloka bevava voarindra mahakasika firenena maro. 10 Ramatoa VOLAHAINGO Marie Thérèse, Filohan’ny Vaomieran’ny Lalàna, no nitarika ny fivoriana. Ireto avy ireo Mpikambana tonga nanatrika ny fivoriana: Ramatoa toa sy Andriamatoa isany: 1- VOLAHAINGO Marie Thérèse 2- RASOANOROMALALA Marie Horace 3- TODY Arnaud 4- HOUSSENE Abdallah 5- RAHOLDINA Naivo Herinantsoina 6- RAZAFIMANANTSOA Hanitra 7- ANDRIANARIVO Harimampianina Tonga nisolo tena ny Governementa Ramatoa sy Andriamatoa isany: 1. RAZANAKOTO Marie Solange DGAJER MINJUS 2. RAZARANAINA Jean Claude DG SAMIFIN 3. RAVAOMANGA Thierry DJ SAMIFIN 4. LALAHARINIVO Laurette DRL MINJUS 5. RAKOTOMALALA Nadia CSVJ MINJUS 6. RAKOTOZAFY Haingonirina Magisrat DRL MINJUS 7. RANDRIANARISON Maximienne CSL MINJUS 8. RABEARIJAONA Christian Jacky Magistrat DRL MINJUS 9. RAJOELISON Fanja Harizo SAPPDH MINJUS Rehefa avy niarahaba ny mpivory, Ramatoa Filoha, dia nomeny ny Teknisiana ny fitenenana, mba hitondrany fanazavana momba ny volavolan-dalàna. Nitondra ny fialan-tsiny avy tamin-dRamatoa Minisitra, ny Tale Jeneraly, avy ao amin’ny Minisiteran’ny Fitsarana, satria mbola manatrika ny filan-kevitry ny Governementa, androany tolak’andro izy. Nambarany taorian’izay, fa ny asa fampihorohoroana sy ny heloka bevava voarindra mahakasika firenena maro, dia zavatra efa mpiseho sy fandre matetika. Ny fivezivezen’ny vola sy harena malalaka, ny olona sy ny fandraharana, ny fanafoanana tsikelikely ireo fadintseranana isam-paritra no manamora ny firoboroboan’ny tamba-jotran’ireo mpanao ratsy. Ovaovain’izy ireo araka izany ny zavatra ataony toy: ny fivarotana zavatra mahadomelina, ny fivarotana olona, fivarotana fitaovam-piadiana tsy ara-dalàna sy ny fanaovana hosoka, ny kolikoly sy ny famotsiam-bola no mampiroborobo fatratra ny asa ratsy. Natao ity Volavolan-dalàna ity, mba hamaliana ny hetahetan’ny fikambanana iraisampirenena sy ny vahoaka Malagasy. Novolavolaina ity lalàna ity, mba hampidirina ao amin’ny lalàna velona eto amin’ny firenena, ireo tetikady eran-tany ho enti-mamongotra ny asa fampihorohoroana sy ny heloka bevava voaomana iraisam-pirenena. Natao koa ity lalàna ity, mba ananan’ny Firenena ireo paikady 11 ampiharina amin’ny famaizana ireo olona izay voakasiky ny asa fampihorohoroana sy ny tsy fandriampahalemana maneran-tany. Maro ireo Minisitera nandray anjara tamin’ny famolavolana ity volavolan-dalàna ity toy: ny Ministeran’ny Fitsarana, Ministeran’ny Raharaham-bahiny, Ministeran’ny Atitany, Ministeran’ny Fiarovam-pirenena, Ministeran’ny Tetibola sy ny Fitantanam-bola ary ireo manam-pahaizana manokana avy ao amin’ny Banky Foibe. Ny Polisim-pirenena, ny Zandarimariam-pirenena, ny fitantanana ankapoben’ny fadin-tseranana, ny “Central Intelligence Agency”, ny sampandraharaha miandraikitra ny filan-kevitra ara-bola (SAMIFIN), ny filan-kevitra ambony momba ny fahamarinana, ny Komity iraisan’ny Minisitera miady amin’ny zava-mahadomelina sy ny heloka bevava ary ny fifamoivoizana anabakabaka sivily eto Madagasikara. Ahitana Andininy 45 ity volavolan-dalàna ity, izay mirakitra ireto lohahevitra fito manaraka ireto: I. Ady amin’ny asa fampihorohoroana. II. Ady atao amin’ny heloka bevava voaomana iraisam-pirenena. III. Ny fepetra iraisana. IV. Fangejana vola na fananana hafa. V. Ny fanambarana raharaha mampiahiahy sy ny fepetra fiarovana sy fanasaziana izany. VI. Rafitra nasionaly amin’ny fampahafantarana ny ady atao amin’ny asa fampihorohoroana sy ny heloka bevava voaomana iraisam-pirenena. VII. Fepetra famaranana. Teo am-pamaranana ny fanazavana, dia nangataka ny Solombavambahoaka ny Teknisiana, handany ity volavolan-dalàna ity, mba hahafahana miady amin’ny asa fampihorohoroana sy ny heloka bevava voarindra mahakasika firenena maro. Rehefa izany dia nanao fanamarihana sy fametrahana fanontaniana toy izao ireo Solombavambahoaka: 1. Tokony atao amin’ny alàlan’ny “instruction préparatoire”, na IP daholo ny fanenjehana ireo heloka voalazan’ity volavolan-dalàna ity, fa tsy atao amin’ny alàlan’ny “information sommaire” na IS. 2. Tokony avahana tsara ny “intimidation” sy ny “menace” ao amin’ny andininy faharoa. Tapaky ny mpivory fa ovaina toy izao ny andininy faharoa: « ….par toute forme de menace ou d’intimidation ….» (Jereo ny Tovana). 3. Inona no mahasamihafa ny “Gel des biens” ao amin’ny andininy faha-17 sy ny andininy faha-36? Nambaran’ny Teknisiana, fa ny andininy faha-17 dia mahakasika ny hetsika atao eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena, ka ahitana ny fiaraha-miasan’ny Fanjakana Malagasy sy ny “Conseil de Sécurité des Nations Unies”, fa ny andininy faha-36 kosa dia mahakasika ny lalàna eto an-toerana . 12 Taorian’izay dia niroso tamin’ny fandaniana isan’andininy ny volavolan-dalàna ny mpivory. LOHAHEVITRA VOALOHANY: ADY AMIN’NY ASA FAMPIHOROHOROANA Andininy 1: Lany tsy nasiam-panitsiana sy tsy nasiam-panovàna. Andininy faha-2: Lany nasiam-panovàna (Jereo ny tovana). Andininy faha-3 hatramin’ny andininy faha-21: Lany tsy nasiam-panitsiana sy tsy nasiampanovàna. LOHAHEVITRA FAHAROA: ADY ATAO AMIN’NY HELOKA BEVAVA VOARINDRA MAHAKASIKA FIRENENA MARO Andininy faha-22 hatramin’ny faha-30: Lany tsy nasiam-panitsiana sy tsy nasiam-panovàna. LOHAHEVITRA FAHATELO: FEPETRA IRAISANA Andininy faha-31 hatramin’ny faha-35: Lany tsy nasiam-panitsiana sy tsy nasiam-panovàna. LOHAHEVITRA FAHEFATRA: FAMPIVAINGANANA VOLA NA FANANANA HAFA Andininy faha-36 hatramin’ny faha-38: Lany tsy nasiam-panitsiana sy tsy nasiam-panovàna. LOHAHEVITRA FAHADIMY: NY AMIN’NY FANAMBARANA RAHARAHA MAMPIAHIAHY SY NY FEPETRA FIAROVANA SY FANASAZIANA IZANY Andininy faha-39: Lany tsy nasiam-panitsiana sy tsy nasiam-panovàna. LOHAHEVITRA FAHENINA: NY AMIN’NY RAFITRA NASIONALY AMIN’NY FAMPAHAFANTARANA NY ADY ATAO AMIN’NY ASA FAMPIHOROHOROANA SY NY HELOKA BEVAVA VOARINDRA MAHAKASIKA FIRENENA MARO Andininy faha-40 hatramin’ny faha-43: Lany tsy nasiam-panitsiana sy tsy nasiam-panovàna. LOHAHEVITRA FAHAFITO: FEPETRA FAMARANANA Andininy faha-44 hatramin’ny faha-45: Lany tsy nasiam-panitsiana sy tsy nasiam-panovàna. Noho ny tsy fahatrarana ny fetr’isa ahazoana mandray fanapahan-kevitra dia niato 30 minitra, ny fivoriana ho fanajana ny Fitsipika Anaty mifehy ny Antenimierampirenena. Rehefa izany dia nolanian’ny Vaomieran’ny Lalàna tamin’ny endriny nasiam-panovàna ny Volavolan-dalàna laharana faha-005/2014 tamin’ny 28 May 2014, miady amin’ny asa fampihorohoroana sy ny heloka bevava voarindra mahakasika firenena maro, ka ho entina eo amin’ny fivoriambe handraisana fanapahan-kevitra farany. Nifarana tamin’ny 4 ora sy 55 minitra, hariva, ny fivoriana. TOVANA VERSION ORIGINALE VERSION AMENDEE Article 2 : Quiconque,….menace de violence ou Article 2 : Quiconque,….par toute forme de toutes autres formes d’intimidation ……de menace ou d’intimidation …..de travaux forcés travaux forcés. Misaotra antsika, rehetra. 13 Andriamatoa FILOHA Isaorana ianao, Andriamatoa Mpampakateny, nitondra izay tatitra izay. Araka ny fomba fanaontsika, raha ohatra misy fanamarihana na fanitsiana mikasika ny tatitra; mbola tsy miditra amin’ny adihevitra ankapobeny isika, fa afaka manangan-tànana isika Solombavambahoaka izay hanao izany. Manao satroka ny Solombavambahoaka RAVELOARIVONJY Behavana. Andriamatoa RAVELOARIVONJY Behavana Miala tsiny, Andriamatoa Filoha, fa mba mangataka satria isika samy miandraikitra raharaham-panjakana, ny hisian’ny fifankafantarana amintsika, rehefa mifanena eny anelakelan-trano eny; havan-tsy hay iaraha-manalady, hoy ny ohabolana. Izaho mety mahafantatra ireo vahinintsika tsirairay ireo, fa maro amin’ny Solombavambahoaka no tsy mahafantatra hoe iza moa ity olona ity, mpanolotsain’iza moa ity olona ity? Mba mangataka, Andriamatoa Filoha, asio fifankalalana kely amin’ireo vahinintsika ireo. Misaotra, Tompoko. -9- Fampahafantarana ireo solotenan’ny Governemanta Andriamatoa FILOHA Omena anareo avy ao amin’ny Governemanta, ny fitenenana mba ahafahana mamaly an’izay fangatahan’ny Solombavambahoaka izay. Ramatoa RAMANANTENASOA Noëline, Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana Misaotra, Andriamatoa Filoha. Ny tenako moa dia Ramatoa RAMANANTENASOA Noëline, Mpitahiry ny Tombokasempanjakana, Minisitry ny Fitsarana. Ramatoa RAZANADRAKOTO Marie Solange DGAJER/MINJUS Profesora RAZARANAINA Jean Claude DG/SAMIFIN Ramatoa LALAHARINIVO Laurette DRL/MINJUS Ramatoa RANDRIANARISON Maximienne CSL/MINJUS Andriamatoa RABEARIJAONA Christian Jacky Magistrat DRL MINJUS Ramatoa RAKOTOZAFY Haingonirina Magisrat DRL/MINJUS Ramatoa RAJOELISON Fanja Harizo SAPPD/MINJUS Andriamatoa RAVALOMANGA Thierry DJ/SAMIFIN Ramatoa VOAHIRANA, solotenan’ny Minisiteran’ny Fifandraisana amin’ny Andrimpanjakana Ramatoakely JOCELYNE Liliane, solotenan’ny Minisiteran’ny Fifandraisana amin’ny Andrimpanjakana. 14 Andriamatoa FILOHA Misaotra, betsaka anareo. Tohizantsika avy ato amin’ny Solombavambahoaka ny fitenenana, raha misy hanao fanamarihana na fanitsiana momba ny tatitra. Tsy misy? Omena anao, Ramatoa Minisitra, ny fitenenana raha misy fangataham-panitsiana avy amin’ny Governemanta. Ramatoa RAMANANTENASOA Noëline, Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana Misaotra, Andriamatoa Filoha. Tsy misy fanitsiana avy aty aminay, Tompoko. - 10 - Adihevitra ankapobeny Andriamatoa FILOHA Izao izany isika dia hiditra amin’ny adihevitra. Koa raha misy handray fitenenana mikasika an’ity, ny avy ato amin’ny Solombavambahoaka, dia omena anareo ny fitenenana. Raha azo atao, avy dia atsangano ny tànan’izay handray fitenenana. Arosontsika avy atỳ aloha ary izany. Omena an’Andriamatoa ANDRIAMITANTSOA Benjamin, ny fitenenana. Andriamatoa ANDRIAMITANTSOA Benjamin Misaotra, Andriamatoa Filoha. ANDRIAMITANTSOA Benjamin, Solombavambahoaka voafidy tao Antananarivo Avaradrano. Misaotra anareo, Ramatoa Minisitra, sy ireo ekipa miaraka aminao eto tamin’ny nanaovana an’ity volavolan-dalàna ity. Raha aminay dia ilaina ny fisian’ity ary dia handany azy izahay. Na izany na tsy izany dia misy fanontaniana kely apetraka aminareo. Tamin’ny nanaovana ity volavolan-dalàna ity, ohatra izao amin’ireny hoe: fifehezana ny famotsiam-bola ireny, voapetraka tsara ve, satria raha resaka fampihorohoroana izany no ataontsika dia hatraiza no fiantraikan’ny lalàna ho an’izay famotsiam-bola izay ary ireo vola tsy fanta-pihaviana no anisan’ny niteraka an’io fampihorohoroana io. Anankiray izay. 15 Ny faharoa manaraka izay, misy lalàna ve, “mesure d’accompagnement” amin’ny tsy fanatanterahana ity lalàna ity? Ohatra any amin’ny fadin-tseranana. Iarahantsika mahita ireny fitaovam-piadiana tsy fanta-pihaviana ireny. Tsy fantatra hoe iza no tompon’andraikitra amin’ireny. Any no tena tokony isian’ny ady amin’ny fampihorohoroana ary tsy vitan’ny hoe fitaovam-piadiana fotsiny ihany, fa ny fiavian’ny vola izay miditra koa anankiray. Misy lalàna mifandraika amin’izay ve ao anatin’izay zavatra izay, mba hahafoana izany zavatra izany, indrindra any amin’ny “contrôle”. Ny manarakaraka izay, misy koa ve lalàna; io angamba dia tsy iadian-kevitra, fa holaninay. Ny zavatra tsara holazaina koa dia ny eo amin’ny fanatanterahana ny lalàna. Misy ny tsy fanarahana ny lalàna, satria raha ny teo aloha anie no jerena dia nahita ny “cour des comptes”; iverenako kely iny fa misy “anomalie” betsaka izay. Ny fampiharana ny lalàna, aiza ho aiza no ijerentsika an’izay, satria izao no fotoana ihaonantsika eto amin’ny Antenimierampirenena, ka mba apetrakay ity zavatra ity. Isaorana anareo aloha, ny fanaovana an’izany lalàna izany, fa Solombavambahoaka moa no miatrika anareo eto, dia hita izay zavatra izay. Misaotra, Tompoko. Andriamatoa FILOHA Omena fitenenana manaraka, Andriamatoa RAKOTOMANJATO Rodin Georges Edmond. Andriamatoa RAKOTOMANJATO Rodin Georges Edmond Misaotra, Andriamatoa Filoha. Miarahaba an’ireto Delegasionan’ny Minisiteran’ny Fitsarana sy ny SAMIFIN ireto. Fanontaniana roa no apetrako, ny iray ho an’ny SAMIFIN, ny iray ho an’ny Minisitry ny Fitsarana. Andriamatoa Tale Jeneralin’ny SAMIFIN, nandritra ny 5 taona dia tena nalahelo anao mihitsy izahay. Nalahelo izahay, satria heno foana ny “interview” sy ny “conférence de presse” ataonao. Marary ianao te-hanao ilay asa, fa midona amin’ny tolàna foana ny asa ataonao. Eto izahay dia mba mitaky, satria mamadibadika an’ity zavatra ity. Ny zavatra nangatahanao rehetra dia tsy misy tafiditra ato anatiny, indrindra ny zavatra maharary anao. Toa tsy tazana ato anatin’ity Volavolan-dalàna ity, fa amin’ny ankapobeny fotsiny. Ny ankapobeny manarona zavatra, fa ilay “détail”; tokony ho “détailler”-na tsara mihitsy hoe: ireto no sakafo ihinanako an’ireo, vitako io fa aza matahotra. Eto izahay dia mangataka hoe: aleo “détail” no omena, apetraho tsara ilay izy, mba tsy harary ianao, hahavitanao an’io asanao saro-pady io. Henjana io asa io, nefa efa nekenao ilay izy. Mbola mangataka ny hanohizanao azy hatramin’izao ny fanjakana matoa napetraky ny Fitondrana eo ianao. Koa mangataka hoe aleo mba hipetraka tsara izay. Be loatra, raha eto ianao izao milaza hoe: mba ento any aho Andriamatoa Solombavambahoaka RAKOTOMANJATO Rodin Georges; aiza avy ny mpanao an’ity resaka famotsiam-bola ity. Isaky ny elakelan-trano dia misy Karana, Malagasy, tsy hay intsony; hatramin’ny avy any ivelany izay manana orinasa eto dia manodina vola, anaovana “importation” io vola io. Avy aiza, dia atakalo amin’iza, dia mankaiza? 16 Raha miteny ianao, omeko dimy ianao raha mivoaka eto isika sy ianao, irỳ, irỳ, irỳ, irỳ; aleo ataonay hoatran’ny raharaha tany Atsimo hoe: ny Solombavambahoaka no tompon’andraikitra amin’io, hanoro anareo ny asa. Faharoa, toa tsy tazana ilay fanodinkodinana basy tratra teo. Tsy tazana tany amin’ny “port” ny SAMIFIN. Tsy tokony misy solotenanareo amin’ireny “ports” goavana ireny, mba tsy hahaela ny raharaha, fa lasa misy fanodinkodinana rehefa tonga any amin’ny “douanes”. Ny tribonaly koa no itenenako hoe: mba asio solotena any amin’ireny “ports” ireny na dia hitsikilo ny zava-misy any ihany aza. Ho an-dRamatoa Minisitry ny Fitsarana, mba mangataka izahay, satria izahay moa dia Solombavambahoakan’Ambanivohitra; vao avy any aho, ka izay no nahatara ahy io, nanatrika tany Arivonimamo. Ny didim-pitsarana avoaka amin’ny teny frantsay: ny gasy any ambanivohitra dia tsy mahay teny frantsay. Tsy mba azo atao ve manomboka izao, atao amin’ny teny Malagasy, amin’izay tsy misy intsony ny risoriso, rehefa mivoaka ao izy dia faly be, fa naharesy satria novonoin’ny tompon’omby ilay mpangalatr’omby. Ilay zandary mba nohatonina izay nikarakara, nilaza fa resy ianao. Inona fa tsy misy zavatra fantany ao anatin’io didim-pitsarana io. Toy ny fampianarana rehetra io. Tenin-dreny no enti-mampianatra; tsy misy ambakain’ny olona mihitsy ary tsy misy risoriso raha vao amin’ny teny Malagasy io. Resy ianao dia ianao izany no mandoa onitra aminay. Misaotra be dia be amin’ny fahaleovantena, fa isika moa mifankahalala daholo ihany; ny asa ataonareo dia mahafinaritra, fa mba angatahana io didim-pitsarana io hatao amin’ny teny Malagasy. Izay no mety eny ambanivohitra, satria io no mahabe risoriso, io no mahabe ny kolikoly, io didim-pitsarana amin’ny teny frantsay io. Misaotra, Tompoko. Andriamatoa FILOHA Misaotra anao, Andriamatoa Solombavambahoaka. Omena fitenenana, Andriamatoa RAHASIMANANA Paul Bert. Andriamatoa RAHASIMANANA Paul Bert Miarahaba antsika Solombavambahoaka rehetra, isika tompon’andraikitra. Miarahaba manokana anareo solotenam-panjakana, indrindra, Ramatoa Minisitry ny Fitsarana. Averiko matetika isaky ny mandray fitenenana, fa eran-tany amin’izao fotoana izao dia misy ny fidiran’ny avy any ivelany manakorontana na mitondra zavatra ho an’ny Firenena na izy mahita « pétrole » na misy zavatra tsara ao amin’ilay Firenena, dia misy karazana « organisation » mihitsy, mandefa olona manakorontana, na mitondra zava-doza ialan’ny olona eo amin’ny toerana iray. Fanamarihana izany, ka mba tiako ampidirina ao anatin’ity resaka ity hoe: ny resaka “terrorisme” dia tokony ho ato anatin’ity lalàna ity; ny resaka dahalo, izay moa no fiantsoantsika azy. Tsy haiko hoe inona no tokony iantsoantsika azy; asan-dahalo mifangaro famotsiam-bola izay efa misy eto amintsika. Tokony ampidirina ato, sokajiana ato anatin’ity 17 mihitsy ireo olona manondran-javatra, na manao « bois de rose », izay manomboka manambola be, hanomboka hividy fitaovam-piadiana izy rehefa kelikely. Efa mitranga any Afrika izany; manomboka misy eto amintsika izany any amin’ny toerana misy « uranium, comme par hasard », any amin’ny toerana be omby; misy « organisation mafieuse » mampihorohoro ny olona any an-toerana, mba hialany amin’ny toerana, na ahazoany ny fananan’ny olona. Ho ahy manokana dia « terrorisme » izany; mampihorohoro ny olona hifindrany toerana, na ahazoany ny hareny, na ahazoany « frauduleusement » ny hareny ary mampiditra famotsiam-bola ratsy. Ireo olona manan-karena be tampoka eto amintsika ireo, rehefa kelikely dia hividy fitaovam-piadiana ireo. Isarihako ny saintsika mianakavy hoe: aiza no tokony asiana azy, fa fanamarihana mba tiako atao izay. Io no olana misy amin’izao, eran’izao tontolo izao. Ny Firenena rehetra atỳ Afrika, ka manomboka niainga, na nahita zavatra, na nahita « pétrole », na nahita « uranium » dia mikorontana. 4x4 misy « mitrailleuse lourde » eny amboniny, miaraka amin’ny lehilahy, dahalo zato lahy eny amboniny, rava ny Faritany iray. Koa izaho dia mangataka mihitsy, fa tsy haiko ny fiteny azy amintsika mahay lalàna; izaho moa tsy dia mahay lalàna loatra, fa ho hita ao anatin’ny « terrorisme » mihitsy. Ny eto amintsika izao dia ho hita eto ny « terrorisme » ary izaho mino, fa misy manakorontana avy any ivelany, misy mpamporisika na izy mpamatsy vola na izy hangalatra tsotra fotsiny, satria mila omby marobe izy, alefany mankany “Arabie” rehetra any, satria mila omby betsaka any, mandalo any “Mombasa”, miala eto amintsika dia mandeha mankany amin’ny tany Arabo. Izahay dia mahazo « information » amin’ny resaka hoatran’izany. Koa izay, Tompoko, no mba tiako ampidirina hoe: ny dahalo dia ampidiro mihitsy ho anisan’ny « terrorisme », ny asan-dahalo mifangaro famotsiam-bola. Matoa ireo manana fitaovana, matoa ireo tsy tratra hoatran’io dia misy mamatsy vola izany. Izaho dia miahiahy an’ireo olona manan-karena be eto amintsika ireo, fa manomboka manao kilalao ratsy, mampiditra fitaovam-piadiana. Misaotra, indrindra, Tompoko. Andriamatoa FILOHA Misaotra anao, Andriamatoa Solombavambahoaka. Ny Solombavambahoaka RAHOLDINA Solombavambahoaka RATSIVALAKA. RANAIVO Herinantsoina. Izay vao ny Andriamatoa RAHOLDINA RANAIVO Herinantsoina Misaotra, Andriamatoa Filoha, nanome ny fitenenana. Mamerina ny arahaba ho an’ny solotenan’ny Governemanta. Ny hevitra tokoa moa tera-bary ary marina daholo ny voalaza teo. Ny tena moa tao anatin’ny Vaomiera fa ny homarihiko voalohany amintsika namana rehetra, mba tsy hahalava ny fotoana; satria ny fotoanantsika androany dia hatramin’ny 7 ora, hariva, no mifarana. Isika izao efa tsimpotsimponina. Angamba rehefa tonga amin’ny fandinihana ny “résolution” amin’ny 7 ora, dia mety ho olona dimy sisa no ato. Mba miangavy antsika rehetra aloha hiara-hiandry daholo, fa ity dinihana ity dia lalàna izy ity. Raha izaho manokana, aleo atao “commission” ity ary ny tenako manokana dia mankasitra ity lalàna ity. Ny namana 18 Solombavambahoaka RAKOTOMANJATO Rodin Edmond Georges moa dia nivoaka indray izy teo. Tsy idirana amin’ny antsipiriany, fa nisy teknisiana tao ary isika moa mpanao lalàna fa tsy mahay lalàna, anefa sady misy mpahay lalàna no mahay lalàna tao anatiny tao. Efa tara aza ny nanaovana an’ity, fa tao anatin’ny Tetezamita ity no tokony natao. Ny nahafinaritra, sao dia mbola miverina ilay fanontaniana, fa samy resy lahatra tokoa. Hoy aho tamin’ny namana hoe: laharam-pahamehana sa tsy laharam-pamehana? Heverinay fa laharampahamehana ilay izy. Tsy ny olon-dehibe ihany na ny ngetroka ihany, fa hitantsika izao ireny eny Mahamasina ireny, ny mpivarotra anana aza tratran’ny baomba. Izahay izao isan’andro dia misy mampihorohoro foana. Soa ihany moa, fa efa nisafidy ny lohany izahay ka tsy matahotra ny masony. Ny zavatra tsara apetraka fotsiny, angamba amin’ny maha Solombavambahoaka anay, ahoana no hampiharana azy rehefa lany. Izay no tena zava-dehibe. Koa izahay dia mangataka amin’ny namana rehetra, mba tsy hisian’ny tora-po mandany andro, fa ny tao amin’ny “commission” sy ny rehetra dia efa samy niady hevitra ary efa nahitsy hatramin’ny pitsopitsony aza, nahitsin’ny manam-pahaizana teo. Izay no mahatonga ahy tsy maka Dokotera manam-pahaizana intsony rehefa marary, fa indraindray ny masonao no marary, ny kibonao no safosafoiny; ka mampiady amim-bady ilay izy. Ny pitsopitsony rehetra dia efa nojeren’ny “juriste” tao. Ny ahy, Andriamatoa Filoha, mba araraotiko eto, mahita ny ao amin’ny Minisiteran’ny Fitsarana aho. Ramatoa Minisitra, amin’ny maha Solombavambahoaka no itenenako eto, fa tsy amin’ny maha mpanao politika ahy. Ny zavatra mampalahelo mantsy, Ramatoa Minisitra, rehefa ampitondrain’ny vahoaka ny feony izahay ho entinay aminareo mpanatanteraka; tsy eto moa ilay Minisitra mpilaza an’iny; fa rehefa tonga ny fihaonana amin’ny Governemanta dia ho avy eto izy. Lazaina fa resaka politika, raha vao miteny ianao. Raha vao miteny ianao hoe: misy olana arỳ ananona, rehefa tsy mitovy firehena politika aminao ilay Minisitra, na dia mpanao politika aza izy, dia resaky ny mpanao politika izay. Koa mba tianay apetraka, indrindra aminao, Ramatoa Minisitra, amin’ity olana maro ao amin’ny Fitsarana ity; izaho izao dia efa “victime” tamin’izany. Tsy horesahako eto, fa izaho izao dia “victime” amin’io Fitsarana io, izaho dia tsy hanonona eto, fa mbola ho avy moa ny “à huis clos” ho antsika eto. Didy mivoaka izao, ady tany, ady madio, Tompoko, izahay mba mahay lalàna ihany, satria amam-polon-taonany no tao; tonga tao amin’ny Fitsarana ilay izy, avy hatrany dia any Antanimora ilay olona no mipetraka, mivadika ady “pénal”. Mody lazaina fa hoe nandrahona ilay olona. Ilay mpitsara, Tompoko, izaho dia vavolombelona tao, izao fotsiny no ataon’ny mpitsara: iza no anaranao, aiza ianao no mipetraka, taiza no nangalaranao an’io tany io? Mamaly ilay olona hoe: novidiako tamin’izao io, Tompoko. Hay, amin’izao ianao no hotsaraina, fa any Antanimora ianao. Koa araraotiko eto, Ramatoa Minisitra, matoa izahay Solombavambahoaka miangavy ny mpitandro filaminana rehefa misy didim-pitsarana, tsy izahay mihitsy no hampianatra ny olona hanao “exécution de jugement”, na hoe tsy hanatanteraka didim-pitsarana; hitantsika izao ny vokany tao Ankadimbahoaka. Koa mba miangavy izahay, Ramatoa Minisitra, rehefa mba misy ny mpanatanteraka didy, tokony tsy hanohatoanana ny filaminam-bahoaka sy ny sisa, satria samy Malagasy isika, mba henoy ihany izahay mpanao politika. 19 Miala tsiny, fa mba manararaotra, Andriamatoa Filoha, fa zava-dehibe no tenenina. Isika mantsy hihaona amin’ny Governemanta, ary io tsotsorina io foana no mahatonga ny namanay sasany tsy mivory eto, satria tonga eto hivory hanangan-tanana fotsiny. Izaho mantsy voatonona matetika amin’izany. Henoko na amin’ny gazety sy eny rehetra eny hoe: RAHOLDINA, mitsipaka, tsy manaiky didim-pitsarana, hoatran’izao; kanefa indraindray ilay zavatra tsy ara-drariny mihitsy. Misaotra, Andriamatoa Filoha. Misaotra, Ramatoa Minisitra. Andriamatoa FILOHA Misaotra anao, Andriamatoa Solombavambahoaka. Ny fandraisam-pitenenana manaraka dia ny Solombavambahoaka RATSIVALAKA. Ramatoa RATSIVALAKA née RAHERIARIVONY Marie Michelle Misaotra, nanome ny fitenenana, Andriamatoa Filoha. Miarahaba anareo, Ramatoa Minisitra sy ny mpiara-dia aminy sy ireo olona mpiara-miasa aminy sy ireo mbola hiara-miasa aminay rehefa avy eo. Isika mianakavy ireto na Minisitra, na Tale jeneraly, na Solombavambahoaka, na olona tsotra dia matahotra daholo, matahotra foana isika rehetra. Raha mijery “télévision” isika, tratra ilay olona, hita fa tsy manana hery intsony. Asiantsika “grille de protection” ny tranontsika, asiantsika “gardien”, atao tena mafy be mihitsy ny hidin-trano, satria matahotra daholo ianareo rehetra ireo. Inona no atahoranareo rehetra ireo, satria manana basy daholo ny olona. Ramatoa Minisitra, ahoana ny fananana basy. Mba omeo soso-kevitra, soso-kevitra kely dia kely. Misy ny atao hoe fiaraha-monina. Moa ve azo ampianarina ny Filoham-pokontany, satria ny Filoham-pokontany ankehitriny dia manome ny “acte de résidence” sy “certificat de résidence”, miantso amin’ny asam-pokontany. Raha tena asam-pokontany, ny Filohampokontany dia tokony mijery eran’ny elakelan-trano izy ireo, amin’ny olona ao anatin’ny Fokontaniny, ka manana basy. Raha vao misy basy miditra dia tokony ho hitan’ny Filohampokontany. Raha vao misy “étranger”, fa tsy mponina ao amin’ny Fokontany, dia tokony ho hitan’ny Filoham-pokontany, raha tena manaraka ny lalànan’ny fomba Malagasy sy ny Fokonolona ary ny Fokontany isika. Mangataka aho, Ramatoa Minisitra, mba ampidirina ao anatin’io ny resaka Fokonolona, ny resaka Fokontany; satria tsy misy miambina intsony izahay. Minisitra ianareo, manana “garde du corps” firy ianareo, tsy ampy ireo satria “Kalachnikov” no miady. Raha manana “gardien” ianareo ka tsy manana basy izy; jereo tsara fa tena hita hoe voa ilay olona. Vadina miaramila aho ka mahafantatra tsara fa izany tranona Jeneraly izany dia tokony misy fiarovana, kanefa maty daholo izy mianakavy, satria manana “Kalachnikov” ny olon-dratsy. Mba inona ary no hevitra? Isika mianakavy eto mba mandinika, zarantsika aza misy an’izao. 20 Ahoana no idiran’ny basy eto amintsika, ahoana no anenjehana ny basy eto amintsika, afenina aiza ny basy? Afeniny any amin’ny Fokonolona, afeniny any amin’ny Fokontany ary ny Filoha dia tsy mijery an’izany, tsy misy mijery ny olona rehetra. Koa tokony ampidirina amin’ity lalàna ity ny fiaraha-monina; mba omena asa ireo olona izay mijery ny trano tsirairay, satria mandry tsy lavo loha izahay amin’izao zavatra mahazo izao. Misaotra, Tompoko. Andriamatoa FILOHA Misaotra Ramatoa Solombavambahoaka. Telo farany. Andriamatoa TODY Arnaud Misaotra, Andriamatoa Filoha. Tao anatin’ilay “commission” izahay ka araraotina ny fahatongavan-dRamatoa Minisitra eto, Andriamatoa Filoha, mba hametrahanay fanontaniana na soso-kevitra. Voalohany, amin’ny resaka kolikoly, Ramatoa Minisitra. Miangavy antsika mpitondra fanjakana manomboka izao, mba tsy hiresaka intsony izany ady amin’ny kolikoly izany raha tsy misy fanovàna goavana be ao amin’ny Minisiteran’ny Fitsarana. Izay no angatahanay, satria ny antony, raha mbola “Magistrat” ihany no handeha hanao “contrôle” ny “Magistrat”, samy “collègue” ireo, “négative” io ady amin’ny kolikoly io ary hitantsika ny laharana misy ny “justice”. Tsy tokony mikipi-maso isika eo anoloan’io resaka kolikoly io; laharana napetraky ny mpanara-maso io, fa tsy isika no namorona anio laharana io, fa anisan’ny voalohany ny ao amin’ny “justice” amin’io resaka kolikoly io. Faharoa manaraka an’izay, mbola mitovitovy amin’izay ihany, ao amin’ny “direction” na ireo “responsable de direction de la réforme législative” mbola mitovy amin’izay ihany. Efa noresahako tamintsika nivory tao. Koa eto, Ramatoa Minisitra, mba tokony misy “vision” kely isika, mba misy karazana fanokafana kely izany ao fa saika “Magistrats” daholo ianareo ao, tokony mba maka “professeur”. Ny zanaky ny Talen’ny SAMIFIN io izao anisan’izay; sady mpanao lalàna izy no mpahay lalàna. “Professeur” hoatra an’ireny izao no tokony ampidirina ao anatin’io. Maka “Avocat” koa isika, amin’izay dia mba samy manana ny “vision”-ny ireo, mba mandeha tsara ilay “réforme” ataontsika. Lasa “vision” iray ihany no hitantsika, raha “corps” iray ihany no jerentsika ao anatiny. Farany, mahakasika ny Minisitera sy ny ao amin’ny SAMIFIN, resaka “bois de rose” indray no resahako eto. Ireo mpanao “bois de rose” ireo dia mampirim-bola amin’ny “Banque” eto antoerana; sao dia tokony ampidirina amin’ity lalàna ity koa ve izay sa zavatra hafa mihitsy. Famotsiam-bola ve io sa tsy izy, satria misy “Banques” telo, miara-miasa amin’ireo mpanao “trafic” amin’ny “bois de rose” ireo; azonay omena “élément” ianareo raha mila izany. Misaotra, Tompoko. Andriamatoa FILOHA 21 Misaotra, Andriamatoa Solombavambahoaka. Eny Tompoko, ny Solombavambahoaka RAVELOARIVONJY Behavana, anao ny fitenenana. Andriamatoa RAVELOARIVONJY Behavana Misaotra, Andriamatoa Filoha. Ny zavatra noresahan’ny Solombavambahoaka rehetra teo ireo moa dia tsy hoe tsy “important”; fa ny zavatra tiako tenenina, maninona no resaka “criminelle” no ataontsika eto, dinihantsika eto, anefa tsy misy “force” na iray aza. Mahagaga izany, satria izao: ny mampiditra basy avy any ivelany izany anie, mbola tantara be. Raisiko ilay teny “Kalachnikov” teo; avy aiza marina io, fa tokony resahanareo ao anatin’io zavatra io, tao amin’ny “Commission” tao. Isika miresaka Fokontany, marina ny tenin’ny Zoky Solombavambahoaka teo. Matetika dia basy hofaina io dia entina mandeha any amin’ny olona any, avy eo averina any amin’ny “camp” indray. Tokony ho jerentsika kely koa izay zavatra izay. Amin’ny resaka “terroriste” ireo, olona manam-bola dia lasa tsy maty manota. Io no mampiady antsika amin’ny mpitsara any an-toerana ary maro aminay koa, Ramatoa Minisitra, no tsy mahay lalàna. Manjary manaonao “intervention” fahatany any amin’ny Filohan’ny Tribonaly any; manjary “ridicule” isika Solombavambahoaka. Ny mba toro-hevitra omeko antsika, rehefa tonga any, manatona dia manontania, miverena atỳ amin’ny Minisitra. Ny zava-misy tany aminay dia miteny zavatra tsy misy dikany ny Solombavambahoaka, zavatra tsy ao anaty lalàna mihitsy no noteneniny. Koa ny angatahako, Ramatoa Minisitra, sokafy, efa misaotra anao nanokatra ny “relation”-ntsika. Sokafy malaladalaka ny ahitana anareo, ataovy malalaka ny “relation par téléphone”, mba tsy hanitsakitsahanay ny “plate bande”-n’ny “Président”-n’ny tribonaly na ny “procureur”, fa manjary miady amin’ireo izahay. Misaotra anao, fa efa nosokafanao ilay izy. Mangataka bebe kokoa aho, mba hananantsika “relation” akaiky dia akaiky “par téléphone”. Efa nanao ianao ary misaotra betsaka, fa iarovako an’ilay hoe: tonga avy any izahay dia milaza fa izaho Solombavambahoaka, ahoana ity olona ity no gadrainao, nahoana no tsy avoakanao androany izao. Tsy lalàna anie izany. Misaotra, Tompoko. Andriamatoa FILOHA Misaotra, Andriamatoa Solombavambahoaka. Alohan’ny hitenenan’ny Solombavambahoaka HOUSSEN ABDALLAH dia misy satroka erỳ aoriana erỳ. Andriamatoa RAHOLDINA RANAIVO Herinantsoina 22 Satroka, Andriamatoa Filoha. Miangavy izahay, mba hifantoka amin’ity. Ity anie lalàna ary isika tsy hiaraka amin’ny miaramila, fampiharana lalàna no ilàna miaramila. Tokony mifantoka amin’ny fandaniana an’ity isika, fa rehefa mihaona amin’ny Governemanta isika amin’ny manaraka, mamoaka ny tora-po, dia ho hita eo izay Solombavambahoaka “ridicule” tsy nianatra lalàna. Izaho koa nianatra lalàna. Andriamatoa FILOHA Misaotra anao, Andriamatoa Solombavambahoaka. Andriamatoa HOUSSEN ABDALLAH Misaotra, Andriamatoa Filoha. Miarahaba an-dRamatoa Minisitra sy ianareo teknisiana miaraka aminy. Miarahaba ny Solombavambahoaka rehetra. Izay resaka izay moa no anaovako “intervention” eto, satria hoatran’ny mivaona amin’ny zavatra tokony dinihantsika androany ny “intervention” nisy teo; kanefa Solombavambahoaka moa, Antenimierampirenena ity, Ramatoa Minisitra, fa aza gaga amin’izay loatra ianareo. Izao fotsiny ny fanontaniana saika apetrako, mikasika ny “garde à vue”. Raharaha saro-pady moa izy ity ary mety hanahirana raha sanatria ka mbola ilay “garde à vue, 48 heures” no entintsika itondrana ity raharaha ity. Isika rahateo efa nieritreritra hoe atao karazana “réquisitoire, préparatoire” araka ny voalaza teo. Raha azo atao dia tokony amafisina koa, satria resaka “réseau” ity “infraction transnationale” no nilazantsika azy teo; satria raha misy “enquête” tokony atao, mety manahirana atỳ amin’ny mpanao “enquête” izany “48 heures” izany ka mbola hangataka “prolongation” any amin’ny “procureur”. Indray mandeha ihany anefa raha ny fahafantarako azy. Izaho ity moa efa ela ihany no nialako tamin’ilay asa, ka efa tsy tadidiko fa ahitsio. Izaho mieritreritra hoe tokony atao tahaka ny any “France”, amin’ireny “terrorismes” ireny ny “garde à vue” lavalava, misimisy izany. Izaho dia mangataka raha azo atao, ny “garde à vue” ho azy ity tokony mba asiana “marge” misimisy, Ramatoa Minisitra. Izay ihany ny “intervention” nataoko. Misaotra, Ramatoa Minisitra. Andriamatoa FILOHA Misaotra anao tamin’ilay « proposition » hametrahana “Guantanamo” Malagasy. Ramatoa Solombavambahoaka, farany. Ramatoa RAVELOHANITRA Nirina 23 Misaotra betsaka, Andriamatoa Filoha. Miarahaba anao, Ramatoa Minisitra, Miarahaba ireo mpiara-dia aminao koa. Miarahaba antsika Solombavambahoaka, namana. Mitodika manokana aminao aho, Ramatoa Minisitry ny Fitsarana. Maro ny fitarainana heno avy ao amin’ny tribonaly, indrindra ireo mpiasa ao amin’ny tribonaly, fa misy ireo mpitsara efa mahazo taratrasy fifindrana. Izany hoe “affectation”, anefa mandehandeha, mihodikodina ry zareo mitaditady lalana. Mitady “bizina” araky ny fitenin-dry zareo, dia lasa “suspendue” tampoka indray ilay resaka “affectation”. “Maintenu” indray ilay olona, ilay “magistrat” izany, hijanona eo amin’ny toerany. Tokony jerena akaiky izay, Ramatoa Minisitra, fa maro be no mitaraina amin’izay zavatra izay. Misaotra, Tompoko. Andriamatoa FILOHA Mankasitraka antsika Solombavambahoaka. Omena anao, Ramatoa Minisitra, ny fitenenana. Ramatoa RAMANANTENASOA Noëline, Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana Misaotra, Andriamatoa Filoha. Andriamatoa Filoha, Ianareo Solombavambahoaka. Izao moa ny tenanay vao miseho eto anatrehanareo amin’izao “session” voalohany izao. Miarahaba anareo rehetra no voalohan-teninay. Miarahaba amin’izao nanomezan’ny vahoaka ny fahatokisana anareo izao, ka nataony hisolo tena azy eto anatrehan’ity “Institution” ity. Misaotra anareo koa amin’izao nahafoizanareo fotoana, nametrahanareo ny “ordre du jour” amin’ireto volavolan-dalàna izay entina eto anatrehanareo ireto. Feno dia feno ny tatitra nataon’ny Mpampakateny teo, raha mikasika an’ity volavolan-dalàna momba ny asa fampihorohoroana sy ny heloka bevava ity. Ny famintinana fohy ataoko; ny tiako tsindrina dia ny mampahafantatra ny maha zavadehibe an’ity volavolan-dalàna ity, araka ny voalazan’ny Solombavambahoaka teo; satria efa ela no natao ny famolavolana azy, tamin’ny 2004, fa izay vao tonga amin’izao tanjona izao ary nisy olona maro no niara-nikaon-doha tamin’ny fanaovana azy. Eto dia efa mamaly sahady ny fanontaniana nataon’ny Solombavambahoaka teo hoe: tsy ianareo Mpitsara ihany no tianay hanao lalàna, fa mba asio olona hafa. Rehefa manao Lalàna izany, raha tamin’ity no resahantsika dia marobe ny olona nandray anjara, nisy ny “experts 24 internationaux” nisy ny “experts nationaux” samy nandray anjara tamin’ny famolavolana azy ity. Ity volavolan-dalàna ity dia natao, mba hifandraika amin’ireo asa fampihorohoroana izay tsy mitsahatra mitombo, mihanaka maneran-tany, ary isika eto Madagasikara dia tsy afaka hihambo hilaza hoe tsy voakasik’izany. Koa dia ilaina izany ny hananantsika lalàna, mba ahafahana manenjika ny fandikan-dalàna mikasika ity fampihorohoroana sy ny heloka bevava voarindra mahakasika firenena maro ity. Nezahana natao ny hisian’ny famaizana izany fandikan-dalàna izany. Amin’izay fotoana izay isika dia tsy misy intsony ny hoe tsy azo enjehana, satria isika tsy manana lalàna, fa mba hananantsika izany ity lalàna ity. Izany hoe: entina hanenjehana an’ireny asa ratsy ireny. Natao koa izany ity mba hisian’ny fiarovana ny tera-tany Malagasy amin’ireny asa fampihorohoroana sy ny tamba-jotra miaraka aminy ireny ary amin’izay fotoana izay koa dia tsy hojerem-potsiny sady tsy hisy ny atao hoe: “impunité”. Ny antony lehibe manaraka koa mahatsara ny ananana ity lalàna ity dia isika manana ny atao hoe SAMIFIN. Tamintsika mbola tsy nanana ity lalàna ity dia tsy afaka nanao ny asany aradalàna ny SAMIFIN, satria tsy nanana fifandraisana amin’ny any ivelany, tsy tafiditra tamin’ilay atao hoe “groupe egmon” ary nahantona mihitsy aza izy, tsy afaka nandray anjara rehefa misy fiaraha-mivory fikaonan-doha hanatsarana ny paik’ady entina hiady amin’ity asa ratsy amin’ny fampihorohoroana sy ny heloka bevava voarindra mahakasika firenena maro ity. Izay no tena nanosika ny Minisiteran’ny Fitsarana, handroso eto anatrehanareo ny lalàna, mba hankatoavinareo sy holaniana eto anatrehanareo mpanao lalàna. Misaotra, Tompoko. Ny fanontaniana moa dia hararaotiko valiana ihany. Lalàna momba ny “blanchiment d’argent” no fanontaniana voalohany teo. Efa misy izy io, Tompoko, ary lalàna nolaniana tamin’ny taona 2004 izay mitondra ny laharana 2004-020 tamin’ny 19 Aogositra 2004 no nisy azy io. Voalaza ao daholo ireny resaka momba ny “trafic d’armes” noresahantsika teo. Momba ny fanontaniana faharoa, mikasika ny hoe: mangataka ny didy mivoaka amin’ny teny frantsay mba hadika amin’ny teny malagasy. Efa miezaka izahay hanao an’io amin’ny teny malagasy ary efa misy manao, fa ny voambolana ampiasaina koa noho izy teny teknika dia somary misy fahasarotana. Efa misy antokon’olona miezaka mamoaka ny voambolana amin’ny teny Malagasy ary efa eo ampanaovana azy izahay izao. Misintona hatrany ny sain’ny mpitsara, mba hanao an’izay. Efa nomena baiko ry zareo amin’izao fotoana izao, mba hoteneniny amin’ny teny malagasy ny didy tononiny. Teneniny amin’ny teny malagasy mazava ary atao miadana tsara mba ho azon’ny olona, fa na amin’ny teny frantsay aza ny soratra ao dia mba efa henony fotsiny, satria teny malagasy no fantany. Tena efa manao ezaka izahay, ezahana hatao amin’ny teny malagasy ny didim-pitsarana. 25 Fanontaniana fahatelo, mihanaka eran-tany ny fidiran’ny olona avy any ivelany manakorontana ary manao asan-dahalo mifangaro famotsiam-bola, izay tokony ampidirina amin’ny lalàna momba ny “terrorisme”. Raisinay ny fanamarihana nataonao ary ao amin’ny lalàna misy ny “terrorisme” dia efa misy mamariparitra ny “trafic d’armes” ireny fanamboarana fitaovam-piadiana ireny ary indrindra ny asa fampihorohoroana dia efa tafiditra amin’ity lalàna mikasika ny “terrorisme” izay entina eto anatrehantsika eto ity; kanefa moa raha misy ny fanatsarana tiana atao dia raisina ihany ny fanamarihana ataonareo, Tompoko. Misy koa fanamarihana tamin’ny hoe: hanaovana laharam-pahamehana an’ity lalàna entina eto anatrehanareo ity. Isaorana sahady ny Solombavambahoaka RAHOLDINA RANAIVO Herinantsoina, fa mahatsapa ny maha laharam-pahamehana an’ity. Isaorana anao. Miombon-kevitra aminao izahay ato amin’ny Minisiteran’ny Fitsarana. Araka ny voalaza teo dia tsy afaka niasa ny SAMIFIN, fa nahantona, tsy afaka nifandray tamin’ny any ivelany vokatry ny tsy fananana ity lalàna ity. Noho izany, zava-dehibe tokoa ny fandaniantsika eto androany azy ity ary ny fampiharana azy, ny mpitsara moa dia izay no asany, mampihatra lalàna. Misy ny atao hoe: “SNOLT”, izany hoe ny “Structure Nationale d’Orientation de la Lutte contre le Terrorisme”. Io dia napetraka mihitsy, mba hanao ny fampiharana ity lalàna ity ary izahay ato amin’ny Minisitera koa dia hiezaka hanao ny “vulgarisation” na ny fampahafantarana ny rehetra ny fisian’io lalàna io; indrindra ny mpitsara, mba tsy hihambahamba izy ireo, fa ny hampihatra azy rehefa fantany tsara hoe efa misy lalàna ahafahana manenjika ny asan’ireny “terrorismes” ireny. Mikasika ny fitarainana ataonareo eny anivon’ny Fitsarana izay lazaina, fa resaka politika, ka tsinotsinoavina. Sanatria, Tompoko, tsy hoe manao tsinontsinona anareo izahay fa ny zavatra fanaonay dia raisinay, henoinay ianareo. Misy ao aminay “Direction” izay manao “inspection”. Irahana ilay “Inspecteur” manao fanadihadiana eny ifotony, mba tsy hihainoana feon-dakolosy tokana, samy henoina ny rehetra. Amin’izay koa, mba afaka manao ny asany an-kalalahana ny mpitsara, tsy hoe misy teny dia matahotra, fa mba manana ny filazany koa izy, samy mandanjalanja eo isika. Izahay koa dia vonona hatrany amin’ny fifanakalozan-kevitra avy any aminareo. Raisinay izany ary izahay koa dia te-hampita aminareo hoe izao no zava-misy. Isaorana moa ny namana teo, fa izy ihany no efa nilaza hoe: indraindray dia misy ny sasany manao teny tafahoatra, mandika lalàna, manao hoatran’ny didy jadona. Isaorako anareo izany, fa misy ny fifanakalozana eto amintsika ary izany no angatahana mba hitohy. Momba ny voalaza teo hoe kolikoly, tsy mety raha samy “magistrat”. Ny ao amin’ny “Conseil Supérieur de la Magistrature” dia efa nezahana nasiana olona ivelany ankoatry ny “magistrat”: misy mpampianatra, misy solotenan’ny “Société Civile”. Nezahana moa ny nametrahana an’izay hialana amin’ny hoe manao “corporatisme” na mifanafin-keloka ny ao amin’ny Fitsarana, kanefa dia tsy mitsahatra isika miezaka, manao ny fanatsarana hatrany. Miezaka foana ary ny kolikoly dia ady efa ela izy io, ka hoatran’ny sadaikatra ihany raha tsy tenenina intsony ny ady amin’ny kolikoly ao aminay, raha tsy hoe manao fanavaozana. Miezaka foana izahay manao fanavaozana, Tompoko, ary tsy mandà ny soso-kevitra avy 26 aminareo; fa ny kolikoly dia mahenika sehatra maro, fa tsy ao amin’ny Fitsarana ihany. Izany hoe tsy miaro tena ny tenako, fa mba tiana ampahafantarina kosa hoe raha samy mahatsapa ny andraikiny ny tsirairay, ampy ny fampahafantarana ny vahoaka ny zony amin’ny lalàna; satria vokatry ny tsy fahalalana koa anie; misy ny “rabatteur” avy hatrany dia miditra eny ampovoany eny izy hoe: ao fa izahay hikarakara anareo, fa omeo an’izao. Izay no mampisy foana sy tsy andresena ny kolikoly. Tsy hiraviravy tanana isika, tsy hiraviravy tanana izahay. Raisinay ny soso-kevitra avy aminareo. Hojerena hatrany ny fanatsarana sy ny fanatevenana ny paik’ady izay efa natao mikasika izany. Momba ny famolavolana ny lalàna izay arosonay eto anatrehanareo dia nisy ny fanamarihana teo hoe: mba asio maso ivelany. Ny natao tao amin’ny Minisiteran’ny Fitsarana hatramin’izay dia nisy foana ny atao hoe: “méthode participative” na dia tsy eto aza ry zareo ao amin’ny “Force”, araka ny voalaza teo. Nisy solotenan’izy ireo tamin’ny fotoana namolavolana ity lalàna ity ary rehefa manao an’izay ny ao amin’ny Minisiteran’ny Fitsarana dia miantso olona maro, fa tsy izahay ao ihany. Misy ny atao hoe “Commission de Réforme”, ka antsoina daholo izay sehatra voakasika amin’iny lalàna iny. Raha varotra no resahana dia misy solotenan’ny “Secteur privé” ao, raha ity fandriampahalemana ity moa, ry zareo ao amin’ny Zandarimaria sy ny Polisy dia manana solotena ao. Ny “Société Civile” ihany koa, satria izay no ahazoantsika fanakianana hoe: tsy manaja ny zon’olombelona. Misy solotenan’ireo “Sociétés Civiles” miaro ny zon’olombelona miara mikaon-doha; izay vao tonga atỳ anatrehanareo ny volavolan-dalàna, Tompoko. Misy resaka teo momba ny “garde à vue”, araka ny fanontanian’ny Solombavambahoaka namanay teo. Efa io “48 heures” io no voalazan’ny “code”-ntsika, kanefa raha mbola misy tsy fahavitan’ny asa dia afaka manao “délégation judiciaire” ny Mpitsara mba ahafahan’ny “Officier de Police Judiciaire” manohy ny fanadihadiana izay efa natao, ahafahany mitazona an’ilay olona anaovana fanadihadiana. Momba ny “affectation” dia ny « Conseil Supérieur de la Magistrature » no manao azy. Indraindray dia misy manao fitarainana, mitondra « Certicat médical » ; misy manana antony ataontsika hoe mafonja na tsia entiny eo anatrehan’ny « Conseil ». Indraindray dia misy ny fampihantonana ny fanapahan-kevitra. Anisan’ny angatahanay atsy ho atsy, rehefa mitondra ny hevitra amin’ny SSM dia maniry izahay mba hametraka “SSM fort”, mijoro amin’ny hevitra noraisiny, mba tsy hisy intsony, hihena ny “décision reportée”, ezahina ny amin’izay, Tompoko. Ny fanampianareo vahoaka anay koa no ahafahanay mijoro. Koa dia mangataka fiarahamiasa aminareo izahay amin’izay fotoana izay. Omeko ny Tale Jeneralin’ny SAMIFIN ny fitenenana. 27 Andriamatoa RAZARANAINA Jean Claude, Tale Jeneraly SAMIFIN Misaotra, Ramatoa Minisitra, nanome ny fitenenana. Misaotra, Andriamatoa Filoha, amin’ny fahazoanay miteny eto anatrehanareo. Manolotra ny arahaba aminao sy ny Mambran’ny Birao Maharitra, indrindra ianareo Solombavambahoaka isanisany. Voninahitra lehibe ho anay Antenimierampirenena ity. ny fahafahana miteny eto anivon’ity Lapan’ny Zavatra tsotsotra fotsiny angamba no fanazavana ho entiko mahakasika ny SAMIFIN. Raha ny marina moa dia nisy fanasana nataon’Andriamatoa Filoha anay, hamelabelatra eto anatrehanareo ny rafitra hiadiana amin’ny famotsiam-bola ary miampy koa ny rafitra hiadiana amin’ny famatsiam-bolan’ny fampihorohoroana. Izany hoe: « le blanchiment et le financement du terrorisme ». Tokony natao omaly izy io, fa nifanindry ilay izy. Nahazo antso tamin’Andriamatoa Sekretera Jeneraly moa ny tenako omaly hariva, fa hafindra amin’ny herinandro ambony ny fahatongavanay eto, hamelabelatra aminareo, dia manasa anareo mba hiaraka hifampidinika eto, satria tsara ny ahafantaranareo an’ilay rafitra hiadiana amin’ny famotsiam-bola ary misy zavatra vaovao marobe ao anatiny raha mitaha amin’ny paik’ady heloka izay mahazatra antsika hatramin’izay. Eo anatrehan’izay no amaliako ny fanamarihana izay nataon’ny Solombavambahoakan’Arivonimamo moa izy teo? Efa nisy fotoana nihaonantsika sy ianao indray mandeha, ka niresahanao zavatra antsipiriany maromaro tamiko. Heveriko, angamba hoe tianay ny hitohizan’izay fifanakalozan-kevitra izay, satria ny an’ny SAMIFIN, ny itovizan’ny eran-tany dia miainga amin’ny antsoina hoe « déclaration de soupçon » na filazana zavatra mampiahiahy amin’ny fomba fiasa. Io dia efa misy sampan’asa voalazan’ny lalàna, itovizan’ny rehetra eran’izao tontolo izao, manao an’io fanambarana io mankany amin’ny SAMIFIN. Ny tena votoatin’ny asanay izany dia « service des renseignements financiers ». Tsy izahay ihany no manao ilay ady amin’ny famotsiam-bola, fa misy rafitra ao; izahay eo afovoany manetsiketsika an’ilay izy ary izay moa no iarahanay miasa be dia be amin’ny fahefana ara-pitsarana. Koa raha sitrakareo dia avelao amin’izay fotoana izay no hamelabelarako azy, fa sao lasa lavabe ny fotoana. Izay no antony tsy ahitanareo anay eny amin’ireny zavatra mafampana ireny, satria ny ankamaroan’ireny dia « renseignements » avy atỳ aminay no entin’ny Polisy mandeha manao ny « constatation » ary izahay ao amin’ny SAMIFIN dia tsy manana andraikitra maha « Officier de Police Judiciaire ». Izay no maha samihafa azy. Koa amin’ny herin’andro ambony, dia manome toky anareo sady hanao tatitra vitsivitsy izahay, satria manana adidy hanao tatitra aminareo Antenimierampirenena izahay. Raisiko ao anatin’izay ny mikasika ny « bois de rose ». Betsaka ny resaka azo atao mikasika azy io. Azontsika resahana amin’izany ny zava-misy ao amin’ny SAMIFIN, izay hifampizarantsika ary angatahanay koa ny fiaraha-miasa aminareo, mba tsy ho lalan-tokana fotsiny no fandehan’ny fiaraha-miasa amin’izay fotoana izay. 28 Misaotra, Tompoko. - Tehaka Mikasika ny fanamarihan’ny Solombavambahoaka RAHASIMANANA Paul Bert, Rossy moa no mahazatra. Marina dia marina, fa anisan’ny antony ilantsika ity lalàna ity izay, indrindra ho anay, ireny vola izay noheverina fa maloto ireny dia mivoaka ny firenena. Izay no mahatonga ity lalàna ity hoe: “criminalité transnationale organisée”. Misy fandikana diso mantsy tao hoe: iraisampirenena. Tsy iraisam-pirenena, fa mivoaka amin’ny fari-pirenena dia tokony arahana ireny vola ireny, dia ny rafitra iadiana amin’ny famotsiam-bola eran-tany. Efa misy fiaraha-miasa ao amin’io « Groupe Egmont » io, efa misy « réseau électronique » izay iarahanay, « internet » tokony idirana; fa noho isika tsy manana ity lalàna ity araka ny voalazandRamatoa Minisitra teo, dia tsy tafiditra ao amin’ilay fiaraha-miasa, hany ka tsy afaka manao fanadihadiana iraisam-pirenena vokatr’izay zavatra izay. Rehefa vita ity lalàna ity, raha lanianareo soa aman-tsara dia halefanay amin’izay ny fangatahana, ho tafiditra ao anatin’io « Groupe Egmont » io isika ary ny Gouvernemanta dia ho tafiditra ao anatin’ny antsoina hoe: “GABAOA”, (Groupe Antiblachiment de l’Afrique Orientale et Australe) izay mandrindra ny ady atao amin’ny famotsiam-bola sy ny fampihorohoroana. Izay angamba no valin-teny tsotsotra avy atỳ amiko fa dia mamerina ny fankasitrahana, Andriamatoa Filoha Andriamatoa FILOHA Mankasitra, mankatelina an-dRamatoa Minisitra, ary misaotra anao ihany koa, Andriamatoa Tale Jeneraly. Araka ny resaka izay nifanaovantsika moa dia tsy tokony adinoina mihitsy na oviana na oviana, fa mila vola ihany koa ny Gasy, “sans transition”. Satroka. Ramatoa RATSIVALAKA née RAHERIARIVONY Marie Michelle Misaotra, Andriamatoa Filoha. Nandray naoty ianao, Ramatoa Minisitra, fa hoatran’ny tsy voaray ilay resaka Fokontany teo. Izao no tiako lazaina: ny Fokontany dia « la plus petite division admnistrative de Madagascar ». Io « division administrative » io taloha dia nofidina. Tamin’ny andron’Andriamatoa ZAFY Albert dia naetry, satria tamin’ny andron’Andriamatoa Filoha ZAFY Albert dia tsy nofidiana intsony izy, fa notendrena. Nihena be mihitsy ny herin’ilay « plus petite division administrative de Madagascar » izay misy ny « civilisation »-ntsika. Izay no mahatonga hoe: taloha dia nisy ny andrimasom-pokonolona, misy fahaizana mihitsy ataon’ny Fokonolona ary ny Filoham-pokontany izay voafidy, voafidin’ny olona manodidina azy fa tsy « nommé », ka « intéressant » amintsika mihitsy, satria na ny any aminareo aza ny Filoham-pokontany no mahafantatra voalohany, fa tsy tonga dia miakatra any amin’ny Zandary, tsy tonga dia miakatra any amin’ny Polisy, tsy tonga dia miakatra any amin’ny tribonaly; fa « la plus petite division administrative de Madagascar », izay misy ny « civilisation »-ntsika no angatahana haverina, mba hiarovana ny Fokonolona, satria ny 29 andrimasom-pokonolona no tena « très important » ; tsy vitan’ny hoe « grille de protection » na « fer 8 » na « fer 6 »; tsy misy dikany amin’ny basin’ny olon-dratsy izany, fa mba mangataka an’izay « la plus petite division l’administrative de Madagascar » izay, hapetraka amin’ny Fokonolona sy ny Fokontany, Tompoko. - Tehaka Andriamatoa FILOHA Misaotra, Ramatoa Solombavambahoaka. Handray fitenenana, Ramatoa Minisitra. Eny, Tompoko, omena roa minitra, Ramatoa Minisitra. Ramatoa RAMANANTENASOA Noëline, Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana Eny Tompoko. Ialana tsiny, voaray ny soso-kevitrao ary iarahanay mifampizara amin’ny Minisitra namana izay soso-kevitra izay. Mifanandrify kokoa amin’ny “Ministère de l’Intérieur” angamba izay zavatra izay. Ny “Ministère de la Justice” dia tsy afa-miala, satria manampy be dia be ny fitsarana koa rehefa mandray ny andraikiny ny Fokontany. Misy “réforme” ataon’ny “Justice” dia ilay hoe: “Justice de proximité”. Tena misy fifandraisany izay zavatra izay, fa raisina ny soso-kevitrao, Tompoko, ary hifampizarana amin’ny namana, hodinihana ny fomba hanatanterahana azy. - Tehaka - 11 - Fandraisana fanapahan-kevitra mikasika ny ny Volavolan-dalàna laharana faha-005/2014 tamin’ny 28 May 2014, miady amin’ny asa fampihorohoroana sy ny heloka bevava voarindra mahakasika firenena maro Andriamatoa FILOHA Misaotra, Ramatoa Minisitra. Raha ny tena izy, satria efa tokony hiroso amin’ny fanapahan-kevitra isika izao; raha ny tena izy dia mitovy amin’ilay teo ihany: misy ny fijerena amin’ny antsipiriany amin’ny lalàna, fa raha ohatra mety amintsika, satria efa voaresaka avy any amin’ny Mpampakatenin’ny Vaomiera ilay izy teo, efa niteny izy hoe ireto avy ny andininy izay namboarina, ireto avy ny tsy nasiana fanitsiana. Raha ohatra efa mazava sy mety amintsika ny nentin’ny Mpampakateny avy dia hanangan-tanana isika amin’ny fandaniana. Inona no mety amintsika, avy dia atao faobe? Eny ary. 30 Iza no mandany an’ity volavolan-dalàna ity. - Solombavambahoaka maro no nanangan-tanana Iza no mitsipaka. - Tsy misy Iza no tsy manan-kevitra - Tsy misy Eny ary, dia ambara izany fa lany iny volavolan-dalàna iny. Mankasitra, makantelina antsika izay niasa nametrapetraka an’iny. Misaotra ny Solombavambahoaka, izay nandany azy koa isika. Fanamarihana kely: atoandro ihany moa ny andro. Raha ohatra ka tiantsika, azontsika atao sahala amin’ny omaly ihany koa, hialana amin’ny 7 ora, alina, nolazain’Andriamatoa Solombavambahoaka RAHOLDINA RANAIVO Herinantsoina, teo dia azontsika tohizana ilay izy, satria volavolan-dalàna roa no sisa ato sy fametrahana Vaomiera iray. Raha sitrakareo avy hatrany dia hotohizantsika ilay izy, mba hialana ilay resaka amin’ny hoe amin’ny 7ora, alina. Mety amin-dRamatoa Minisitra, satria mbola hamonjy “Conseil des Ministres” koa izy amin’ny 3 ora; ka ataontsika tohivakana ny asantsika. Angamba mety amintsika sy amin-dry zareo avy ao amin’ny Governemanta izay, fa isika moa no tompon’ny fanapahana farany. - 12 - Fandinihana sy fandraisana fanapahan-kevitra mikasika ny Volavolan-dalàna laharana faha-006/2014 tamin’ny 28 May 2014 « sur la lutte contre la Cybercriminalité » Andriamatoa FILOHA Eny ary, efa ho tonga eo ny rano sy ny mahazatra. Izay no efa nanaovana ny “commande” aloha be. Izao isika, raha sitrakareo, dia hiroso amin’ny Volavolan-dalàna manaraka. - 13 - Famakiana ny tatitra Andriamatoa TODY Arnaud Nivory ny Talata faha-17 Jona 2014, tamin’ny 5 ora, hariva, ny Vaomieran’ny Lalàna, nandinika ny Volavolan-dalàna laharana faha-006/2014 tamin’ny 28 May 2014 “sur la lutte contre la Cybercriminalité”. Ramatoa VOLAHAINGO Marie Thérèse, Filohan’ny Vaomieran’ny Lalàna no nitarika ny fivoriana. 31 Ireto avy ireo mpikambana tonga nanatrika ny fivoriana: Ramatoa sy Andriamatoa isany: 1 VOLAHAINGO Marie Thérèse 2 RASOANOROMALALA Marie Horace 3 TODY Arnaud 4 RAHOLJAONA Harson 5 RAHOLDINA RANAIVO Herinantsoina 6 RAZAFIMANANTSOA Hanitriniaina 7 ANDRIANARIVO Harimampianina Tonga nisolo tena ny Governementa Ramatoa sy Andriamatoa isany: 1 RAZANAKOTO Marie Solange MINJUS 2 RABANOSON Juriste /OMERT 3 RAZAFITSARA Alisoa DSI MPTNT 4 LALAHARINIVO Laurette DRL MINJUS 5 RAKOTOMALALA Nadia CSVJ MINJUS 6 RAKOTOZAFY Haingonirina Magisrat DRL/MINJUS 7 RANDRIANARISON Maximienne CSL/MINJUS 8 RABEARIJAONA Christian Jacky Magistrat DRL/MINJUS 9 RAJOELISON Fanja Harizo SAPPDH MINJUS 10 RAZAFIMAVANSOA Tantely SG 11 ANDRIAMAMPIONONA Jean Rolland DGPN 12 RAKOTONDRAINIVONONA Panoel Macaire DSP 13 ANDRIANIRINA Alain Bruno DPJ 14 Colonel RABEHAJASOA Andrianarivo DPSE/SEG 15 Colonel RAZAFIMAHATRATRA Jean Jacques MDN/DEP 16 Lieutenant Colonel RAVAHALAY Solo Pierre COM/DOE/STD Rehefa avy niarahaba ny mpivory, Ramatoa Filoha, dia nomeny ny teknisiana ny fitenenana, mba hitondrany ny fanazavana momba ny volavolan-dalàna. Ny fampiasana ny karazana teknolojia momba ny fampitam-baovao sy ny fifandraisana dia toe-javatra tsy azo ialana ankehitriny. Ny vokatsoa aterany dia inoana, fa hitondra antsika any amin’ny fampandrosoana. Na izany aza anefa dia hita fa misy voka-dratsy eran-tany, noho ny fisian’ny karazan-keloka antsoina hoe “cybercriminalité” na raha adika amin’ny teny malalaka dia antsoina hoe: “Heloka natao amin’ny alàlan’ny fampiasana ireo fitaovana informatika na elektronika”. Ny antony nandrafetana ity volavolan-dalàna ity koa, satria ny fehezan-dalàna famaizana dia tsy ahitana ireo karazan-keloka vaovao ireo, ka tsy ahafahana manasazy ireo mpanao heloka momba izany, na dia hita fa misy voka-dratsy betsaka tokoa aterany. Ankoatra izay dia hita ato anatin’ity volavolan-dalàna ity ny fepetra fisorohana ary koa ny fepetra fanasaziana ny famerenan-keloka. 32 Ity volavolan-dalàna ity dia ahitana toko miisa 3 sy andininy 41. Toko I: Ny Heloka momba ny fitaovam-pifandraisana, misy andininy 15. Toko II: Ny Fahavoazana mihatra amin’ny olon-tsotra amin’ny alàlan’ny fampiasana ireo fitaovam-pifandraisana. Tsipihana manokana ny fiarovana ny zaza tsy ampy taona, amin’ireo endrim-pifandraisana mamoafady ataon’ny olona amin’ny ankizy na amin’ny alàlan’ny sary na amin’ny alàlan’ny fifandraisana mikendry filana ara-nofo, amin’ny alàlan’ny “internet”. Toko III: Mikasika ireo mpandraharaha sy ireo mpisahana asa miandraikitra ny fitrandrahana ny tamba-jotra sy ireo sampandraharaha momba ny fifandraisan-davitra any amin’ny serasera elektronika. Ireo sazy moa dia natao henjana tokoa. Ho an’ny Governementa dia ilaina tokoa ity volavolan-dalàna ity, fa raha tsy izany dia ho voasakana ireo heloka natao amin’ny alàlan’ny fampiasana fitaovana informatika na elektronika. Rehefa izany dia niroso tamin’ny fametrahana fanontaniana ny mpivory: 1. Inona no maha samihafa ny “piratage de l’internet” sy ny “cybercriminalité”? 2. Tafiditra ao anatin’y « cybercriminalité » ve ny fanaovana « faux en matière de connaissement? » 3. Manao ahoana ny fampiharana ny sazy? 4. Tsy fohy loatra ilay fe-potoana 1 taona, hamafana ny “donnée” voalaza ao amin’ny andininy faha-27? Valim-panontaniana avy amin’ny Teknisiana: 1. Ny “piratage de l’internet” dia tafiditra ao anatin’ny « cybercriminalité » daholo. 2. Eny, rehefa mampiasa fitaovana informatika ilay mpanao heloka. 3. Tsy mitovy ny fampiharana azy, fa miankina amin’ny zava-misy sy ny zavatra simba. 4. Ny fe-potoana 1 taona dia mahakasika ny fitazonan’ny mpandraharaha ny “données” rehetra, fa hisy “centre de donnée” hatsangana hitahirizana ny “archives” rehetra. Taorian’izay dia niroso tamin’ny fandinihana isan’andininy ny volavolan-dalàna ny mpivory. Toko I : Ny heloka momba ny fitaovam-pifandraisana. Andininy voalohany ka hatramin’ny andininy faha-15: lany tsy nasiam-panitsiana sy tsy nasiam-panovàna. Toko II: Ny fahavoazana mihatra amin’ny olon-tsotra amin’ny alàlan’ny fampiasana ireo fitaovam-pifandraisana. Andininy faha-16 ka hatramin’ny andininy faha-21: lany tsy nasiam-panitsiana sy tsy nasiampanovàna. Andininy faha-22: lany nasiam-panovàna (Jereo tovana). Andininy faha-23 hatramin’ny faha-25: lany tsy nasiam-panitsiana sy tsy nasiam-panovàna. 33 Toko III: Ireo mpandraharaha sy ireo mpisahana asa miandraikitra ny fitrandrahana ny tamba-jotra sy ireo sampandrahara momba ny fifandraisan-davitra na ny serasera elektronika. Andininy faha-26 ka hatramin’ny andininy faha-30: lany tsy nasiam-panitsiana sy tsy nasiampanovàna. Andininy faha-31: lany nasiam-panovàna (jereo tovana). Andininy faha-32 ka hatramin’ny andininy faha-41: lany tsy nasiam-panitsiana sy tsy nasiampanovàna. Niato 30 minitra, ny fivoriana noho ny tsy fahatratrana ny fetr’isa ahazoana mandray fanapahan-kevitra, ho fanajana ny Fitsipika Anatiny mifehy ny Antenimierampirenena. Rehefa izany dia nolanian’ny mpivory tamin’ny endriny nasiam-panovàna ny Volavolandalàna laharana faha-006/2014 tamin’ny 28 May 2014 “sur la lute contre la Cybercriminalité”, ka ho entina any amin’ny fivoriambe handraisana fanapahan-kevitra. Nifarana tamin’ny 6 ora sy 30 minitra, hariva, ny fivoriana, rehefa avy nisaotra ny mpivory, Ramatoa Filoha. TOVANA Amendements VERSION ORIGINALE VERSION AMENDEE Article 22, alinéa 2: On entend par …âgé de Article 22, alinéa 2: On entend par …âgé de dix-huit ans. moins de dix-huit ans. Article 31 alinéa 3: La conservation et le Article 31, alinéa 3: La conservation et le traitement …. Des dispositions de la loi… traitement …. Des dispositions du projet de loi… Andriamatoa FILOHA Misaotra anao, Andriamatoa Mpampakateny, nitondra an’izay tatitra izay. Araka ny fomba mahazatra, raha ohatra misy fanamarihana mikasika ny tatitra, dia misokatra ho antsika ny fitenenana. Anao, Ramatoa Filoha, ny fitenenana. Ramatoa VOLAHAINGO Marie Thérèse Misaotra, Andriamatoa Filoha, nanome ny fitenenana. Amin’ny maha Filohan’ny Vaomiera ahy no andraisako fitenenana eto. Izahay tao amin’ny Vaomiera dia niasa niaraka ary nilamina tsara niaraka tamin’ireo Teknisiana. Minisitera 4 no voakasika tamin’izany dia ny Minisiteran’ny Fitsarana, izay nahatonga Delegasiona sy Teknisiana maro, tao ihany koa ny Minisiteran’ny 34 « Télécommunication », ny avy ao amin’ny Zandarimariam-pirenena, ny Filaminana Anatiny na ny Polisim-pirenena. Nandritra ny adihevitra sy fametraham-panontaniana dia samy nametraka fanontaniana mifandraika amin’izay ahiahiny sy tolo-kevitra, lalàna izay tokony ampiharina. Notsongaina manokana tao anatin’izany ny « puce », izay amidy amoron-dalana, kanefa tsy misy fakana ny laharan’ny karapanondro. Ireo matetika no ampiasainy amin’ny fanaovana heloka amin’ity « cybercriminalité » ity. Ny laharana iantsoana ny Zandarimariam-pirenena sy ny Polisy, rehefa misy olona manao asa ratsy dia « occupée »-n’izy ireo iny « ligne » iny dia lasa tsy tafiditra ilay antso tokony ho any amin’ny Zandarimaria. Marihiko, ao anatin’izany dia ny tokony ampidirina ny lalàna anenjehana an’ireny mpanao asa ratsy ireny. Araka izany dia resy lahatra izahay tao amin’ny Vaomiera, fa zava-dehibe ary ilaintsika ity lalàna ity, indrindra amin’izao fivoaran’ny serasera sy ny teknolojia avo lenta izay ampiasaintsika izao. Koa dia mitaona sy mandresy lahatra antsika Solombavambahoaka namana, mba handany izany, hisian’ny fiarovana sy hampandrosoana ny firenena misy antsika ity. Misaotra, Tompoko. Andriamatoa FILOHA Misaotra anao, Ramatoa Filoha. Raha sitrakareo, raha ohatra tsy misy intsony ny fangataham-panitsiana avy aty amintsika Solombavambahoaka dia alefa any amin-dry zareo solotenan’ny Governemanta ny fitenenana. Ramatoa RAMANANTENASOA Noëline, Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana Tsy misy fanitsiana, Tompoko. Andriamatoa FILOHA Eny ary, misaotra anao, Ramatoa Minisitra. Hiditra amin’ny adihevitra isika raha toa ka misy. Tsy misy. Fanampin-kevitra farany avy amin’ny solotenan’ny Governemanta, mikasika ity volavolandalàna ity. Tsy misy. Eny ary, misaotra. 35 - 14 - Fandraisana fanapahan-kevitra mikasika ny Volavolan-dalàna laharana faha-006/2014 tamin’ny 28 May 2014 « sur la lutte contre la Cybercriminalité » Andriamatoa FILOHA Hiditra amin’ny fanapahan-kevitra isika, raha sitrakareo. Teo dia nisy an’ilay fomba izay efa nataontsika, angamba ataontsika fandravonana ihany ilay izy. Ho an’izay manaiky an’ity lalàna ity, aoka hanangan-tànana, Tompoko. - Solombavambahoaka maro no nanangan-tànana Iza no mitsipaka? - Tsy misy Iza no tsy manan-kevitra? - Tsy misy Ambara fa lany ity volavolan-dalàna mikasika ny “cybercriminalité” ity. - Tehaka Taorian’ny fandaniana an’ireo Volavolan-dalàna ireo, dia omena an-dRamatoa Minisitra, ny fitenenana raha misy teny tiany ambara. Omena an-dRamatoa Filohan’ny Vaomiera, ny fitenenana. Ramatoa VOLAHAINGO Marie Thérèse Misy hadino kely, Andriamatao Filoha. Ny tsara homarihana, Ramatoa Minisitra, fa misy voambolana sarotra vao azon’ny mpamaky, tsy azon’ny sarambabem-bahoaka, ohatra: “cybercriminalité”. Soso-kevitra, asa na any amin’ny Akademia no mba ahitana an’izay, mba ahita voambolana amin’ny teny Malagasy, entintsika ilazana sy anazavana an’io, indrindra ny anaparitahana an’ireo lalàna vaovao ireo ho fantatry ny besinimaro, hiparitaka any ambanivohitra lavitra indrindra any. Izay no fangatahako. Andriamatoa FILOHA Eny ary, omentsika an-dRamatoa Minisitra, ny fitenenana. Misaotra, Ramatoa Filoha. 36 Ramatoa RAMANANTENASOA Noëline, Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana Misaotra, Andrimatoa Filoha. Misaotra ny Filohan’ny Vaomiera nanao an’izay soso-kevitra izay. Horaisinay izay sosokevitra izay, Tompoko. Andriamatoa Filoha, ho antsika Solombavambahoaka rehetra, raha tsy mahadiso, Tompoko, dia mbola misy volavolan-dalàna anankiray, fahatelo nentina eto ity. Andriamatoa FILOHA Iny moa no angatahana ny hevitsika eto. Tohizana izany ilay izy? Tohizana, eny ary. Efa vonona ny Mpampakateny. Andriamatoa TODY Arnaud Andriamatoa Filoha, izahay moa no Mpampakateny amin’ilay izy; ny teknisiana mbola manao “frappe” an’ilay tatitra, ka tsy maintsy misintaka kely isika, satria efa voalaza amin’ny telo ora ilay izy. Marobe ny asan-dry zareo ao, dia tsy maintsy miandry kely isika. Andriamatoa FILOHA Izany hoe mbola tsy voazara izy ity, satria efa tonga aty amiko mantsy ny tatitra. Be asa ry zareo ao manao an’ilay “multiplication”. Andriamatoa TODY Arnaud Tokony miandry kely isika, dimy minitra dia mety efa ho vita ilay izy. - 15 - Fandinihana sy fandraisana fanapahan-kevitra mikasika ny Volavolan-dalàna laharana faha-007/2014 tamin’ny 28 May 2014 « portant institution de la Commission Nationale Indépendante des Droits de l’Homme » Andriamatoa FILOHA Misy soso-kevitra avy aty aminay, satria efa misy “exemplaires” vitsivitsy ihany efa vonona, sao dia azo vakiana dia henointsika, tohizantsika ihany ny asantsika. Mety izay. 37 - 16 - Famakiana ny tatitra Andriamatoa TODY Arnaud Misaotra anao, Andriamatoa Filoha. Nivory ny Talata faha-17 Jona 2014, tamin’ny 7 ora, hariva, ny Vaomieran’ny Lalàna, nandinika ny Volavolan-dalàna laharana faha-007/2014 tamin’ny 28 May 2014 « portant institution de la Commission Nationale Indépendante des Droits de l’Homme » Ramatoa VOLAHAINGO Marie Thérèse, Filohan’ny Vaomieran’ny Lalàna no nitarika ny fivoriana. Ireto avy ireo Mpikambana tonga nanatrika ny fivoriana: Ramatoa sy Andriamatoa isany: 1- VOLAHAINGO Marie Thérèse 2- RAHOLIJAONA Harison 3- TODY Arnaud 4- RAZAFIMANANTSOA Lobo Hanitraniaina 5- ANDRIANARIVO Harimampianina Vaomieran’ny Mponina sy ny Fiahiana ny ara-tsosialy: Ramatoa sy Andriamatoa isany: 1- NASSER Amhmed 2- RATSIVALAKA Michelle Tonga nisolo tena ny Governementa: Ramatoa sy Andriamatoa isany: 1- RAZANAKOTO Marie Solange 2- LALAHARINIVO Laurette 3- RAKOTOMALALA Nadia 4- RAKOTOZAFY Haingonirina 5- RANDRIANARISON Maximienne 6- RABEARIJAONA Christian Jacky 7- RAJOELISON Fanja Harizo DGAJER MINJUS DRL MINJUS CSVJ MINJUS MagisratDRL MINJUS CSL MINJUS Magistrat DRL MINJUS SAPPDH MINJUS Rehefa avy niarahaba ny mpivory, Ramatoa Filoha, dia nomeny ny teknisiana ny fitenenana, mba hitondrany fanazavana momba ny Volavolan-dalàna. Nanambara ny teknisiana, fa i Madagasikara dia nankato ny ankamaroan’ireo fifanarahana iraisam-pirenena momba ny zon’olombelona. Manana andraikitra hanatanteraka ireo toromarika avy amin’ireo rafitra mpanara-maso izy ireo. Ny fifanarahana iraisam-pirenena sy ny filan-kevitra momba ny zon’olombelona no nandinika ny tatitra “Examen Périodique Universel”, taty aoriana. Manana andraikitra koa handray izay fepetra ilaina ho fampiharana eo anivon’ny firenena, indrindra amin’ny alàlan’ny fanovana lalàna, na ara-pitsarana na amin’ny fomba hafa ary 38 amin’ny fampandehanana ny vaomieram-pirenena momba ny zon’olombelona, mifanaraka amin’ny “Principe de Paris”. Ny fivoriamben’ny Firenena Mikambana koa mantsy dia nandany araka ny fanapahan-kevitra A/RES/48/134 tamin’ny 20 desambra 1993, fenitra iraisam-pirenena maromaro momba ny fananganana vaomieram-pirenena miaro ny zon’olombelona, notsoahana avy amin’ny “Principe de Paris”. Ireo fepetra ireo dia manindry amin’ny maha zava-dehibe ho an’ireo vaomiera ireo ny hananany: - Fahefana malalaka, - Mpikambana maro lafy ary mahasolotena ny maro, - Ny hananganana azy amin’ny alàlan’ny Lalàmpanorenana, na lalàna hafa, - Ny hanana ny fahaleovantena tsy iankinany amin’ny fahefana mpanatanteraka, mahakasika ny fanendrena ireo mpikambana ao aminy. Ireo mpikambana ao amin’ny vaomiera nantsangana dia avy amin’ny sehatra samihafa, marolafy, manana fahaizana sy traikefa, tsara fitondran-tena sy marina ary mandala ireo soa toavina sy ireo fenitra mahakasika ny zon’olombelona. Ity Volavolan-dalàna ity dia ahitana andininy 37 natambatra ao anaty toko 7. TokoI: momba ny fepetra ankapobeny TokoII: ny asa aman’andraikitry ny vaomiera TokoIII: fandaminana sy fampandehanana ny vaomiera TokoIV: fahefan’ny vaomiera TokoV: paikady, fandinihana, fitarainana TokoVI: momba ny fepetra ara-bola TokoVII: fepetra famaranana Rehefa izany dia nanainga ny mpikambana ao amin’ny vaomiera, handany ity Volavolandalàna ity ireo teknisiana, satria dingana lehibe no ho vita raha lany izany. Nanamarika ny mpikambana tao amin’ny vaomiera, fa ilaina tokoa ny handaniana io Volavolan-dalàna io, mba ahafahana mamaly ny “recommandation” any amin’ny “Conseil de Droits de l’Homme”. Taorian’izany dia niroso tamin’ny fandaniana isan’andininy ny Volavolan-dalàna ny mpivory. Toko momba ny fepetra ankapobeny: Andininy voalohany : lany tsy nasiam-panitsiana sy tsy nasiam-panovana Toko I : ny asa aman’andraikitry ny Vaomiera Andininy faha- 2 hatramin’ny faha-5 : lany tsy nasiam-panitsiana sy tsy nasiam-panovana Toko II : ireo mpikambana mandrafitra ny Vaomiera Andininy faha-6 hatramin’ny faha-13: lany tsy nasiam-panitsiana sy tsy nasiam-panovana 39 Toko III: fandaminana sy fampandehanana ny Vaomiera Andininy faha-14 hatramin’ny faha-20: lany tsy nasiam-panitsiana sy tsy nasiam-panovana Toko IV: fahefan’ny Vaomiera Andininy faha-21 hatramin’ny faha-23: lany tsy nasiam-panitsiana sy tsy nasiam-panovana Toko V: paikady, fandinihana, fitarainana Andininy faha-24 hatramin’ny faha-28: lany tsy nasiam-panitsiana sy tsy nasiam-panovana Toko VI: momba ny fepetra ara-bola Andininy faha-29 hatramin’ny faha-31: lany tsy nasiam-panitsiana sy tsy nasiam-panovana Toko VII: fepetra famaranana Andininy faha-32 hatramin’ny faha-34: lany tsy nasiam-panitsiana sy tsy nasiam-panovana Noho ny tsy fahatrarana ny fetr’isa ahazoana mandray fanapahan-kevitra dia naato 30 minitra, ny fivoriana ho fanajana ny Fitsipika Anaty mifehy ny Antenimierampirenena. Rehefa izany dia nolanian’ny Vaomieran’ny Lalàna tamin’ny endriny tsy nasiam-panovana, ny Volavolan-dalàna laharana faha-007/2014 tamin’ny 28 May 2014 “portant institution de la Commission Nationale Indépendante des Droits de l’Homme” ka ho entina any amin’ny fivoriambe handraisana fanapahan-kevitra farany. Nifarana tamin’ny 7 ora sy 45 minitra, hariva, ny fivoriana rehefa avy nisaotra ny mpivory, Ramatoa Filoha. Misaotra, Andriamatoa Filoha. - 17 - Fanamarihana na fanitsiana ny tatitra Andriamatoa FILOHA Eny ary. Misaotra anao ary, Andriamatoa Mpampakateny. Raha misy fanitsiana na fanampiana avy amintsika tao anatin’ny Vaomiera dia misokatra ny fitenenana. Ramatoa Filohan’ny Vaomiera. 40 Ramatoa VOLAHAINGO Marie Thérèse Ity volavolan-dalàna ity izany dia nametrahana ny Vaomieram-pirenena mahaleotena miaro ny Zon’olombelona. Koa araka izay voalaza teo dia mipetraka ao ny andininy amin’ny fomba fametrahana ny olona hiasa ao anatin’io Vaomiera io sy ny fomba fifidianana azy ary ny fomba fiasan’ny rehetra. Tsy dia misy lalàna fanasaziana loatra ato anatiny, fa “structure” fametrahana rafitra amin’ny ankapobeny sy ny fomba fiasa no ao. Izay no isarihako ny saintsika, tsy dia misy zavatra sarotra na manahirana na mampiahiahy ato anatiny. Koa miangavy antsika namana Solombavambahoaka, handany azy tsy ampisalasalana. Misaotra, Tompoko. Andriamatoa FILOHA Misaotra, Ramatoa Filohan’ny Vaomiera. Tena mahay mivarotra tokoa ianao, Ramatoa Filoha. Omentsika an-dry zareo ao amin’ny Governenamanta ny fitenenana. Ramatoa RAMANANTENASOA Noëline, Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana Andriamatoa Filoha, Ianareo Solombavambahoaka. Isaorana ny Filohan’ny Vaomiera, fa tena mahay mivarotra tokoa, araka ny teninao teo. Raha tsy diso ny fitadidianay dia toa nangataka adihevitra tao amin’ny Vaomiera, amin’ny andininy faha-6 momba ny mpikambana handrafitra ny Vaomiera. Nangataka ny tao mba hatao roa ny isan’ny mpikambana avy amin’ny tsy miankina amin’ny Fanjakana. Izay ihany no fanamarihana tianay apetraka. Iray no voasoratra ao, fa roa no nangatahana ary nolaniana tao anatin’ny Vaomiera tamin’izay fotoana izay, Tompoko. Misaotra, Tompoko. - 18 - Adihevitra ankapobeny Andriamatoa FILOHA Eny ary, mankasitraka mankatelina, tamin’ny fanitsiana, Ramatoa Minisitra. Izao isika dia hiditra amin’ny adihevitra, raha ohatra ka misy izay. Omena antsika ny fitenenana. Azafady aloha, firy ny Solombavambahoaka handray fitenenana. Iray ihany. 41 Eny ary, omena anao, Andriamatoa Solombavambahoaka, ny fitenenana. Andriamatoa DJAOSERA Irenée Tsy hanao kabary lava, Andriamatoa Filoha. Misaotra anao, nanome ny fitenenana. Miarahaba antsika Solombavambahoaka rehetra. Miarahaba ny Minisitra sy ianareo ao anatin’izany Minisiteran’ny Fitsarana izany. Tsy iadian-kevitra ny mikasika an’ity lalàna ity, Andriamatoa Filoha, fa ny andraisana fitenenana dia tsy adihevitra, fa fisaorana. Misaotra ny Minisitry ny Fitsarana tamin’ny fandraisana andraikitra, nisy andraikitra noraisina tamin’ny “cas” tao Analalava. Tena saika nisy zavatra nafana tany, fa noho ny fandraisana andraikitra no nahatonga ny filaminam-bahoaka tany an-toerana. Koa manararaotra ny fahatongavanao eto, amin’izany fisaorana izany, satria ny olona manao no isaorana; ny olona tsy manao tenenina. Izy dia nanao ka isaorantsika. Misaotra, betsaka, Tompokolahy. Mankasitraka, Tompokovavy. Andriamatoa FILOHA Andriamatoa Solombavambahoaka. Andriamatoa RAKOTOMANJATO Rodin Edmond Georges Misaotra, Andriamatoa Filoha. Mbola isaorana, Ramatoa Minisitra, sy ny namany maharitra eto. Atao ahoana moa, fa mahavita zavatra goavana ianareo androany, nandany lalàna maromaro, ka tsara izany. Ny tiako tenenina amin’izy ity dia izao: isaorako ny namana avy any Analalava teo. Ny zavatra dradradradrain’Andriamatoa Filoham-pirenena dia tsy inona, fa ny fampihavanam-pirenena. Iarahantsika mahalala izany. Ny tena fototra iavian’ny disadisa, ny zavatra mamoafady eto amin’ny Firenena dia ity zavatra dinihantsika ity, tsy inona izany fa ny Zon’olombelona. Tsy tadidiko, fa mbola tany amin’ny “mandat” voalohany na faharoa tany aho dia efa niady an’ity, fa tsy mety mihatra eto amintsika izy hatramin’izao. Asa amin’ity Repoblika fahefatra ity, mba ahafahana mametraka an’ilay tany tan-dalàna ary mametraka an’ilay fihavanampirenena, hananana Firenena vanona. Tsy maintsy jerena tsara hoe: ahoana marina fa isika amin’izao fotoana izao dia mbola misy manamboninahitra izay manana ny maha izy azy, voatazona eny Tsiafahy. Miteny aho eto, mitarika ny saina. Izay ilay hoe mbola tarihina; inona no olana raha mipetraka, tsy ampy ve izay; aleo apetraka ny Repoblika fahefatra dia mifandray tànana, mifankatia amin’izay, satria izany no anisan’ny soatoavina. Raha miresaka isika, mandalina an’ity “Droits de l’Homme” ity; amin’ny teny Malagasy, amin’ny fifandraisana dia hoatran’ny 42 raisina ihany ny soatoavina Malagasy, fa rehefa io no voakitika dia tsy mety milamina ny firenena. Aleo isika hiezaka handamina an’ity Repoblika fahefatra ity, ho tsinjovina haharitra ity firenena sy fitondrana ity, mba hodimbiasin’ny Repoblika manaraka izany, hahavita “mandat” anankiray amin’izay, hahavita zavatra ianareo eo amin’ity fitondrana ity. Eto aho dia mirary, ho lany ity, fa manipika an’izay fotsiny hoe aoka hotazonina ny soatoavina Malagasy, hapetraka ny tena fihavanam-pirenena araka ny tenin’ny Filohampirenena. Ao amin’ny Fitsarana no tena ivoahan’ny zavatra mamoafady indraindray. Miala tsiny aho, tsy ianao izany, Ramatoa Minisitra, fa ao no ivoahany, satria rehefa manao “article”; jereo tsara ny “Code pénal”, raha mandinika ianao; tahaka anay mpanao lalàna. Efa imbetsaka moa no naha Solombavambahoaka ny tena; fa misy “articles” maromaro ao amin’ny “Code pénal”; rehefa tsy metimety amin’ny olona anankiray erỳ ambony erỳ, ilay teny midina dia ny mavesatra no atao, fa ilay maivana kosa ho an’ny olona namana. Izay ilay izy, maromaro ny “articles”, samy milaza hoe: mangalatra, fa ilay mangalatra, zavatra hafa no …. Marobe no azo lazaina amin’io. Ny “article” dia miankina amin’ny fahaizan’ny mpitendry “machine” ihany. Rehefa miteny ny any ambony dia izay no ampihariny. Ilay andininy arỳ no ataony; fa raha namanamana dia hamaivanina ny tenin’ny “machine”. Izay ilay izy ary tsy mamaky izy; tsy ny “procureur” na any amin’izay mpandalina, any amin’ny fitsarana tsy dia mamaky, fa ilay teny avy arỳ hoe: ilay voalohany amin’ny andininy toy izao no entiny, satria ilay olona miteny tsy mahalala ireo andininy marobe ao amin’ny “Code pénal”. Mirary izahay raha mirary, mba hiova, fa olona manana ny maha izy azy ianao, Ramatoa Minisitra ary mahafinaritra ka isaorana ny hitohizan’izay. Misaotra betsaka, Tompoko. Andriamatoa FILOHA Misaotra Andriamatoa Solombavambahoaka. Andriamatoa Solombavambahoaka. Andriamatoa TODY Arnaud Maimaika izahay, Andriamatoa Filoha, fa misy zavatra tianay ampitaina amin-dRamatoa Minisitra, koa ity. Momba an’i Toamasina manokana, Ramatoa Minisitra. Misy « factum » herin-taona, « mise en délibéré » herin-taona, « proroger » im-polo ny « dossier ». Farany dia « affecté ». Ao amin’ny tribonaly ao Toamasina, indrindra ao amin’ny « première instance »; 10 taona « inamovible » ny « magistrat » ao Toamasina, tsy azo « affecter »-na mihitsy, efa misy 5 na 6 ao; « affectés » dia mbola tafaverina miasa ao ihany. Misaotra, Andriamatoa Filoha. Misaotra, Ramatoa Minisitra. 43 Andriamatoa FILOHA Andriamatoa RAHOLDINA RANAIVO Herinantsoina no farany. Andriamatoa RAHOLDINA RANAIVO Herinantsoina Tsy ho lava resaka aho, Andriamatoa Filoha, fa fisaorana ny Minisitera no ataonay ato amin’ny “Commission Juridique”, satria maromaro ny lalàna nodinihana tamin’ity. Hatramin’izay mantsy dia lany resaka fotsiny izahay ato; farany izahay dia lazain’ny olona hoe mpitady tombotsoa fotsiny, nefa ny lalàna no tsy misy tonga atỳ. Isaorana anareo, misimisia ny hoatra an’izao, fa ny iangavianay fotsiny; amafisiko eto ny tsy hisian’ny zavatra konokononina any, fa izahay miresaka izao, Ramatoa Minisitra, mba tiako ho fantatry ny mpiara-miasa aminao ireo fa Solombavambahoakan’i Madagasikara izahay, fa tsy Solombavambahoakan’ny MAPAR, na Solombavambahoakan’ny FAFI V, Solombavambahoakan’i Madagasikara voafidy tao amin’ny MAPAR. Koa aza jerena amin’ny maha MAPAR, na zanaka MAPAR anay rehefa mitondra ny feombahoaka izahay. Ny tsy mampisy kibo ahy ity, tsy hoe tsy tonga ny karamanay, fa “virement”; koa izaho tsy hitelin-kafatra amin’ny maha mpikabary ahy. Araraotiko eto, Andriamatoa Filoha, fa niangavy ny “Rapporteur”-nay amin’ny “Commission de l’Aménagement du Territoire” hoe: amin’ny 7 ora hariva, dia mba aleo mba atao izao, satria ny anay tsy dia lava, fa fohifohy hoatra ahy izao ihany. Misaotra, Tompokolahy. Mankatelina, Tompokovavy. - 19 - Fandraisana fanapahan-kevitra mikasika ny Volavolan-dalàna laharana faha-007/2014 tamin’ny 28 May 2014 « portant institution de la Commission Nationale Indépendante des Droits de l’Homme » Andriamatoa FILOHA Eny ary, raha sitrakareo Solombavambahoaka isany, namana sy tapaka dia hiditra amin’ny fanapahan-kevitra isika izao. Ataontsika ny fanitsiana sy fanamboarana ny rehetra, izay efa voalazan’ny Mpampakanteny teo. Ataontsika ambongadiny koa ny fanapahana an’ity Volavolan-dalàna ity. Koa izay manaiky an’ity Volavolan-dalàna ity dia manangana tànana. - Solombavambahoaka maro no nanangan-tànana Iza no mitsipaka? - Tsy misy - Iza no tsy manan-kevitra? - Tsy misy - 44 Ambara fa lany ny Volavolan-dalàna, fametrahana ny Vaomieram-pirenena misahana ny Zon’olombelona. Mitodika kely, amin-dRamatoa Minisitra, sao mbola misy teny tianao ambara. Anao ny sehatra, Ramatoa Minisitra. Ramatoa RAMANANTENASOA Noëline, Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana Misaotra anao, Andriamatoa Filoha, nanome ny fitenenana. Andriamatoa Filoha, Ianareo Solombavambahoaka hajaina. Mankasitraka, mankatelina izahay, Tompoko, tamin’ny nandanianareo ireny Volavolandalàna naroso teto anatrehanareo ireny. Misaotra amin’ny fiaraha-miasa ary manaporofo izany, fa samy tia an’ity Tanindrazantsika ity isika ary mikatsaka hatrany amin’ny iarovana azy, amin’ny alalan’ireny lalàna ireny; indrindra mikatsaka hatrany ny hisian’ny fandriampahalemana, mba ahafahan’ny Malagasy miasa ampilaminana sy hamokatra ampilaminana. Voaray avokoa ireny fanamarihana sy soso-kevitra nomenareo ireny. Hodinihanay sy hezahanay araka izay azo atao, mba tsy hahararaka an-tany ireny soso-kevitra mahasoa nomenareo anay ireny. Misy ny fisaorana nataon’Andriamatoa Solombavambahoakan’Analalava. Misaotra tena ihany ianao, satria asa iarahantsika manao ny fikatsahana ny fandriampahalemana. Koa raha vao ny “ordre public” no voatohitohina dia rariny raha mandray fanapahan-kevitra isika rehetra amin’izay, araky ny lalàna ihany. Isaorana be dia be, Tompoko. Mankasitraka, mankatelina, izahay rehetra tonga eto. Misaotra anareo rehetra tamin’ny fandaniana ireto Volavolan-dalàna telo ireto ary indrindra ny fanekenareo koa amin’ny nandrosoana ny fotoana nanaovana azy, fa tsy niandry tamin’ny 3 ora. Tena fitsinjovana anay no nataonareo. Koa dia mankasitraka, mankatelina, Tompoko. - Tehaka - 20 - Fandinihana sy fandraisana fanapahan-kevitra mikasika ny Tolo-pehin-kevitra laharana faha-002-2014/R, hananganana Vaomiera mpanadihady eo anivon’ny Parlemanta, mahakasika ireo olana momba ny fananan-tany eto Madagasikara Andriamatoa FILOHA Misaotra sy mankatelina, Ramatoa Minisitra sy ireo mpiara-miasa aminao. Isaorana ihany koa isika Solombavambahoaka, nandany ny lalàna teo. 45 Isaorana ianareo ao amin’ny Vaomiera izay nilofo, nanao ny ainareo tsy ho zavatra, tamin’ny nahafahana nampiakatra ity lalàna ity, teto amin’ny tranobe fivoriantsika. Omen-dalana ianao, Ramatoa Minisitra, sy ireo mpiara-miasa aminao. Mahazoa toerana ary isika. Mitohy ny fivoriantsika, Tompokolahy sy Tompokovavy, Solombavambahoaka isany. Satria efa nantsoina ry zareo ao amin’ny Minisiteran’ny “Sport”; koa mandrapahatongan’izy ireo dia misy ny Volavolan-dalàna mahakasika ny fampiasana zava-mahadomelina ao anatin’ny fanatanjahantena. Alefantsika farany iny, fa ny Vaomiera mikasika ny fanajariana ny tany no ampiakarintsika, raha sitrakareo. Efa vonona ve ny Mpampakatenin’ny Vaomiera? Anao ny sehatra, Andriamatoa Mpampakateny. - 21 - Famakiana ny tatitra Andriamatoa RATOVOSON Manoelina Hery Misaotra anao, Andriamatoa Filoha, nanome ny fitenenana. Andriamatoa Filoha sy ianareo ao amin’ny Birao Maharitra. Andriamatoa isany Solombavambahoaka, namana. Ny voalohan-teninay dia mametraka fisaorana amin’izao fanomezanareo anjara fitenenana anay izao. Raha ny tena marina dia tokony rahariva amin’ny 7 ora, ity no hatao, kanefa noho ny fandaharam-potoana sy ny fahamehana ary ny fangatahana dia nomenareo alalana izahay, hanolotra izany tatitra izany. Koa isaorana manokana ianareo. Tonga eto izahay ao amin’ny Vaomieran’ny Fanajariana ny Tany sy ny Fitantanana ny tany. Nivory ny Alakamisy faha-5 Jona 2014, tamin’ny 3 ora sy 15 minitra, tolak’andro, ny Vaomiera mitambatra niarahan’ny Vaomieran’ny Fanajariana ny Tany sy ny Fitantanana ny Tany sy ny Vaomieran’ny Lalàna, nandinika ny Tolo-pehin-kevitra laharana faha-002-2014/R, hananganana Vaomiera mpanadihady eo anivon’ny Parlemanta, mahakasika ireo olana momba ny fananan-tany eto Madagasikara atolotr’Andriamatoa RAHOLDINA Naivo, Solombavambahoakan’i Madagasikara sy ireo namany. Andriamatoa RAVELONANOSY Mamy Tiana Télésphore Gérard, Filohan’ny Vaomieran’ny Fanajariana ny Tany sy ny Fitantanana ny Tany, no nitarika ny fivoriana. 46 Ireto avy ireo Solombavambahoaka nanatrika ny fivoriana, - Vaomieran’ny Fanajariana ny tany sy ny Fitantanana ny tany: Andriamatoa isany, 1. RAVELONANOSY Mamy Tiana Télésphore Gérard 2. FAMINDRA Justin 3. RAZANADRABEARIMANANA Jacques Aurélien Mamy 4. ROILAHY dit Jonah 5. RAHOLDINA Naivo 6. RAHARIJAONA - Vaomieran’ny Lalàna: Andriamatoa RAHOLDINA Naivo. Tsy mpikambana ao amin’ny Vaomiera fa tonga nivory: - Ramatoa RATSIVALAKA Michelle - Andriamatoa RAHASIMANANA Paul Bert Rehefa avy niarahaba ny mpivory, Andriamatoa Filoha, dia nomeny an’Andriamatoa RAHOLDINA Naivo, ny fitenenana mba hitondrany fanazavana mikasika ny Tolo-pehinkevitra. Alohan’ny nitondran’Andriamatoa RAHOLDINA Naivo, ny fanazavana dia nangataka tamin’Andriamatoa Filoha, izy mba tsy hanatrika eto ny teknisiana. Nambaran’Andriamatoa Filoha, fa heverina ho marina izany, fa any amin’ny fotoana ilàna azy dia hantsoina ihany izy ireo. Nisaotra ny mpivory ireo teknisiana, fa fanapahan-kevitra lehibe no noraisin’ny Vaomiera mikasika ny fanajariana ny tany. Taorian’izany dia nanangana ny birao ny mpikambana ao amin’ny Vaomiera, ka lany fa Andriamatoa Famindra Justin, no Filoha Lefitry ny Vaomieran’ny Fanajariana ny tany sy ny Fitantanana ny tany; Andriamatoa ROILAHY kosa no Mpampakanteny; Andriamatoa RAZANADRABEARIMANANA Jacques Aurélien Mamy, no Mpampakateny Lefitra. Nanamarika ny mpanolotra ny Tolo-pehin-kevitra, fa tsy mbola tokony nantsoina aloha ireo teknisiana, satria izy ireo no hohadihadiana mikasika ity raharaha ity. Taorian’izany dia namintina ny famelabelarana ny antonantony izy. Nambarany, fa araka ny voalaza ao amin’ny Fitsipika Anaty mifehy ny Antenimierampirenena, Toko faha-III, andininy faha-180 hatramin’ny andininy faha-187, dia azo atao ny manangana Vaomiera Mpanadihady eo anivon’ny Parlemanta. Iaraha-mahalala, fa ny Solombavambahoaka dia mpitondra ny feom-bahoaka ary mpanao lalàna hiaro azy. 47 Ny zava-misy tato ho ato dia nirongatra ny fandravana trano, ny fandroahana olona eo amin’ny taniny. Eo anatrehan’izany dia toa manana taratasy daholo ny olona mandrava sy maka ny tany ary eken’ny Fitsarana daholo izy ireny, ka matetika dia resy foana ny vahoaka madinika. Isaorana ny fanjakana, fa naato ny fandravana trano teny Ankadimbahoaka. Nanamarika koa izy fa ny 80%-n’ny raharaha eny amin’ny Fitsarana dia ady tany avokoa, ka ny 60%-n’izany dia faharesen’ny vahoaka madinika. Tsy manome tsiny ny Fitsarana, ny mpanolotra ity Tolo-pehin-kevitra ity, fa milaza kosa ny tsy fahampian’ny fanadihadiana nataony mikasika ny raharaha ady tany. Noho ireo antony ireo dia mangataka ny hananganana Vaomiera Mpanadihady, Andriamatoa Solombavambahoaka sy ny namany, hanamarina sy hamakafaka ifotony ny zava-mitranga eto Madagasikara, mahakasika ny ady tany. Rehefa izany dia nanome fitenenana ny mpivory, Andriamatoa Filoha, mba hitondrany fanamarihina na fanontaniana. Nisy tamin’ireo mpivory no nilaza, fa tratry ny kely tsy mba mamindro ny vahoaka madinika, ka ilaina tokoa ny fisian’ity Vaomiera Mpanadihady ity. Ao aminy “Topo” sy “Domaine” no fositra amin’io ady tany io, satria misy taratasy roa samihafa avoakan’izy ireo mikasika tany iray. Nangataka ny Solombavambahoaka iray ny mba hananan’ny Vaomiera rijan-teny na “textes”, ahafahana mahalala ny momba ny fananan-tany. Nanambara ny Solombavambahoaka iray, fa “bombe à retardement” ho an’ny fitondrana ny resaka ady tany, satria efa mahazo faka lalina eny amin’ny Fitsarana sy ny “Domaine” ary ny olona ambony sasantsany. Misy mihitsy firenen-dehibe mamatsy vola, mba ahafahany manana tany atỳ amintsika. Zava-doza ho an’ny firenena ny olana mikasika ny ady tany, raha tsy misy ny vahaolana atao haingana. Taorian’izany dia niroso tamin’ny fandraisana fanapahan-kevitra ny mpivory. Ho fanajana ny voalazan’ny Fitsipika Anaty mifehy ny Antenimierampirenena dia naato 30 minitra, ny fivoriana noho ny tsy fahatratrarana ny fetr’isa ahazoana manapa-kevitra. Nankatoavin’ny Vaomiera mitambatra tsy nisy nitsipaka ity Tolo-pehin-kevitra laharana faha002-2014/R, hananganana ny Vaomiera mpanadihady eo anivon’ny Parlemanta, mahakasika ireo olana momba ny fananan-tany eto Madagasikara, ka ho entina eo anivon’ny Fivoriambe, handraisana fanapahan-kevitra farany. Nifarana tamin’ny 4 ora sy sasany, hariva, ny fivoriana, rehefa avy nisaotra ny mpivory, Andriamatoa Filoha. 48 Izay ny tatitra nataon’ny Vaomiera ao amin’ny Fanajariana ny tany sy Fananan-tany. Misaotra anao, Andriamatoa Filoha. - Tehaka Andriamatoa FILOHA Misaotra anao, Andriamatoa Mpampakateny. Sao dia manana fanamarihana na fanitsiana tiana hatao isika, indrindra fa ianareo tao anatin’ny Vaomiera izay voakasik’izany. Andriamatoa NIVO Rufin; avy eo ny Solombavambahoaka RAHOLDINA Naivo Herinantsoina. Andriamatoa NIVO Rufin Misaotra, Andriamatoa Filoha, nanome ny fitenenana. Ny ahy dia momba ity fananan-tany ity. Matetika ny mampiady amin’ny resaka fananan-tany dia avy any ifotony. Raha dinihantsika ny tantara dia toy ny hoe: nangataka tany tamin’ny fanjakana ny SEIMAD. Ny SEIMAD koa no mamaritra ny tany ho an’ny olona, rehefa tsy vitany ilay “Projet de 3 000 logements”. Izay no matetika zava-misy; fa tsy fantatro ny fanadihadiana ataon’ny Vaomiera hoe: aiza no fototra, satria manjary “victime” foana ny farany. Raha tsy ampiasain’ny SEIMAD ny tany dia tokony averiny any amin’ny vahoaka, fa tsy tokony amidiny intsony. Tratran’izany koa izahay any Atsimo Atsinanana. Izay no teneniko: avereno aloha ny fanadihadiana ahitana hoe iza marina no naka ny tany? Andriamatoa FILOHA Isika izao Andriamatoa Solombavambahoaka dia tsy mbola miditra amin’ny adihevitra. Mbola fanitsiana sy fanamarihana aloha, izay vao miditra amin’ny adihevitra. Ny Solombavambahoaka RAHOLDINA Naivo Herinantsoina. Andriamatoa RAHOLDINA Naivo Herinantsoina Misaotra, Andriamatoa Filoha, nanome ny fitenenana. Avy hatrany angamba dia zavatra telo, Andriamatoa Filoha, no andraisako fitenenana. Hozaraiko telo dia tsy miverina intsony aho rehefa avy eo. Ny voalohan-teny dia fisaorana ny Solombavambahoaka rehetra. Ataoko hoe tsy vakivolo, tsy ankanavaka, fa mba anisan’ny nanohana ny foko, Andriamatoa Filoha, na dia nisy aza ny tsy fitovian-kevitra tato; fa amin’ny maha hevitra tera-bary sy embok’akondro antsika, rehefa mitraka dia iray ihany, samy manana ny ankolafiny; rehefa misy voin-kava-mahatratra mikasika ny tany, satria isika nofidim-bahoaka mipetraka ambonin’ny tany dia samy miaramanaiky daholo; samy niara-dia daholo, tsy misy zanak’Ikalahafa na zanak’i Dada na zanaka MAPAR; fa iray daholo ny Solombavambahoaka tato. Koa isaorako manokana, satria 57 ireo Solombavambahoaka niara-nanao sonia, ankoatra ireo olona mbola saika hanao, kanefa tsy maintsy aterina mialoha ilay taratasy. 49 Izay no ahitana, Andriamatoa Filoha, fa mitondra ny feon’ny vahoaka sy ny hetahetambahoaka tokoa isika. Faharoa dia tsy afaka misaraka ny politika sy ny teknika. Koa alohan’ny hidirantsika amin’ny votoatiny dia hiditra kely amin’ny fisehoana na “forme” aho, amin’ny teny frantsay. Ny “fond” no votoatiny. Ny “forme” na fisehoana no ataontsika amin’izao fotoana izao. Ny tiako lazaina amin’ny namana dia mbola tsy miditra amin’ny “fond” na votoatiny isika, fa eo amin’ny fahafahana manangana ny Vaomiera aloha. Koa araka ny voalazan’ny Fitsipika Anatintsika, Andriamatoa Filoha, dia misy aloha manao sonia; valo iny raha kely indrindra. Feno iny dia niditra tao amin’ny Vaomiera dia lany koa iny; fa ny tokony dinihantsika androany dia... Andraso aloha, fa mbola miresaka, Andriamatoa Filoha. Andriamatoa FILOHA Tsy izay fa tonga ny “sandwich”. Andriamatoa RAHOLDINA Naivo Herinantsoina Misaotra indrindra; fa masa-bary mainty kitoza isika. Faharoa, ny tiako resahana, Andriamatoa Filoha, dia hiditra amin’ny fandaniana an’ity isika hoe: ekena sa tsia. Raha ny voalazan’ny Fitsipika Anaty, rehefa laniana io dia fidina koa ny Filoha mpitarika azy; atsangana ny mpikambana ao anatiny. Misy mpikambana 20 eo ho eo farafahakeliny. Mba tsy hahatonga azy lava be, Andriamatoa Filoha, satria mety avy hatrany ary mangetaheta daholo isika, mba tsy ho “hors sujet”, ny angatahanay dia ny fandaniana ity “Proposition de Résolution” ity. Rehefa laniantsika izay dia jerena hoe: iza no hitarika azy. Rehefa tafavory ny Vaomiera, dia entina aminareo amin’ny herinandro ambony hoe ireto avy no mpikambana, entintsika daholo ny olana rehetra. Raha misy mpanao gazety moa, mba tsy hidiran’ny resaka politika, satria tsy voatery hoe rehefa mitaraina amin’ny Vaomiera ilay olona dia manana ny marina foana; fa alefany atỳ ny fitarainana dia ataon’ny Vaomiera ny fanadihadiana. Avoaka ny valin’ny fanadihadiana. Entina eto izany, Andriamatoa Filoha, dia hita amin’izay ny zavatra horaisina; fa tsy avy hatrany akory dia ho tsara ny valiny eo. Misaotra, Andriamatoa Filoha. Ny fahatelo dia ny kibo tsy mba lamosina, ny tsinay tsy mba vatsy; efa novalianao teo ilay izy, fa misaotra indrindra. Mitohy ny tantara. 50 - 22 - Fandraisana fanapahan-kevitra amin’ny fametrahana ny Vaomiera Andriamatoa FILOHA Misaotra anao, Andriamatoa Solombavambahoaka. Raha ohatra tsy misy intsony ny fanitsiana dia hiditra amin’ny adihevitra amin’izay isika. Raha tsy misy adihevitra dia hiditra amin’ny fametrahana ny Vaomiera isika. Iza aloha no mandany ny fametrahana an’ity Vaomiera ity? - Solombavambahoaka maro no nanangan-tànana Iza no mitsipaka? - Tsy misy Iza no tsy manan-kevitra? - Tsy misy Koa ambarako ary fa lany ny hevitra hoe: fametrahana Vaomiera mahakasika ny fananantany eto amin’ny Antenimierampirenena. Rahoviana no hametrahana ny “structure”? Andriamatoa RAHOLDINA Ranaivo Herinantsoina Fidina eto izay ho Filohany, avy eo maka ny lisitry ny Vondrona Parlemantera, izay hiditra ho mpikambana. Ny Filoha no mitarika azy, ka entina eto amin’ny Fivoriambe izany. Ny tenako moa dia hirotsaka, satria izaho no anisan’ny nitarika azy. Raha misy namana moa, ny hevitra tera-bary. - 23 - Fifidianana ny Filohan’ny Vaomiera mpanadihady eo anivon’ny Parlemanta, mahakasika ireo olana momba ny fananan-tany eto Madagasikara Andriamatoa FILOHA Firy moa ny mpilatsaka hofidina amin’io? Eo amin’ny Filoha no resahantsika eto. Ny Solombavambahoaka RAHOLDINA Ranaivo Herinantsoina, ny iray. Iza no faharoa? Iza no mpilatsaka hofidina faharoa? Tsy misy. Lany izany ny Solombavambahoaka RAHOLDINA Ranaivo Herinantsoina. -TehakaSa mbola hasiana tsangan-tànana indray? Asiana tsangan-tànana sao dia misy “vice de procédure”. 51 Iza no mandany an’Andriamatoa RAHOLDINA Ranaivo Herinantsoina, ho Filohan’ny “Commission d’Enquête Parlementaire sur l’Aménagement du Territoire et sur les Dossiers Fonciers”, ho an’i Madagasikara iray manontolo. Izy rehetra. Eny àry. Ny “structure” moa dia misy Filoha Lefitra. Raha misy te-hiditra ho Filoha Lefitra dia afaka manangan-tànana ihany koa isika. Ny Solombavambahoaka FAMINDRA Justin. Misaotra anao, Andriamatoa Solombavambahoaka. Iza no mahalany an’Andriamatoa FAMINDRA Justin, ho Filoha Lefitr’io Vaomiera io? Atsangano ny tànana. - Solombavambahoaka maro no nanangan-tànana Misaotra, Tompoko. Iza no mitsipaka? -Tsy misyIza no tsy milaza ny heviny? -Tsy misyLany ho Filoha Lefitry ny Vaomiera, izay vao natsangana teo, Andriamatoa FAMINDRA Justin. Andriamatoa RAHOLDINA Ranaivo Herinantsoina Sao dia misy “vice de forme”, Andriamatoa Filoha, ka lasa tsy hety ity zavatra ity. Ilay fomba fananganana azy, raha araka ny Fitsipika Anaty dia ny Filoha no fidina eto. Atsangana ny Vaomiera, izay vao mifidy ny ho Filoha Lefitra. Misy solotena, sy ny sisa. Ao anatiny ao indray no mifidy ny birao, fa ny Filoha no fidina eto aloha. Andriamatoa FILOHA Misaotra, Andriamatoa Solombavambahoaka. Iza ary no te-hiditra ao anatin’io Vaomiera io? Misy satroka. Andriamatoa RAKOTOMANJATO Rodin Edmond Georges Azafady, Andriamatoa Filoha. Tsy maintsy jerena ity zavatra ity, fa mamoa-doza; satria ny fananan-tany izany dia resaka olana ary mahakasika an’i Madagasikara iray manontolo. Tsy ho azo atao io, fa raha ny faniriana, raha ny eritreritro dia tokony ho zaraina isaky ny Faritany io. Ny solotena avy arỳ 52 dia Ranona, ny solotena avy arỳ dia Ranona. Ireny amin’izay no mitondra ny tatitra; fa raha ny eto Antananarivo dia tsy hahalala ny olana any Mahajanga mihitsy. Misaotra, Tompoko. Andriamatoa FILOHA Mifandraika tsara amin’ny hevitra teo anie izay. “Arrangement interne” ao anatin’ny “Commission” izay. Iza avy no hiditra ao anatin’ny Vaomiera; sa misy toerana isoratana anarana? Andriamatoa RAHOLDINA RANAIVO Herinantsoina Hoatran’ny fananganana an’ilay Vaomiera ihany io, Andriamatoa Filoha. Misy taratasy halefa any amin’ny Vondrona Parlemantera rehetra. Miditra izay ho mpikambana ary avy eo mivory. Rehefa mivory io dia midinika, araka ny tenin’Andriamatoa Solombavambahoaka RAKOTOMANJATO Rodin teo. Ny nataontsika androany aloha dia zavatra roa: lany ilay izy, voafidy ny Filoha; alefantsika ny “procédure” manaraka. Misaotra, Andriamatoa Filoha. Andriamatoa FILOHA Eny ary. Misaotra betsaka amin’ilay “précision”, Andriamatoa Solombavambahoaka. Angamba hiato minitra vitsivitsy isika, raha ohatra mbola tsy tonga ny avy ao amin’ny Minisiteran’ny Fanatanjahantena. Arahabaina izany ny Filoha vaovaon’ny Vaomieran’ny “Aménagement du Territoire et Dossiers fonciers”. Aiza ho aiza ry zareo ao amin’ny Minisiteran’ny Fanatanjahantena? Ny “Sandwich” tonga dia zarainareo. Amin’ny firy ry zareo no ho tonga, satria amin’izay eto ihany isika no miandry azy. Atao ilay izy dia vita, aleo tsy tapahana ny fivoriana, fa tapaka ny aingam-panahy. Aleo aloha misy solotenan’ny Minisiteran’ny Fanatanjahantena eo. Marina fa efa atỳ amintsika « ny texte », efa vonona ve ny Vaomiera? Ny Vaomiera mikasika an’io efa eto? Ny Mpampakanteny? Iza moa no Filohan’ny Vaomieran’ny Fanatanjahantena? Tsy eo? Iza no Mpampakanteny? Efa andalana aiza ho aiza? Ny tiako anontaniana anareo dia hoe: amin’ny firy no mety amin’ny Minisitra? Efa andalana ve izy? Lavitra sa efa akaikikaiky? Mba omeo anay izay “information” izay, Andriamatoa Solombavambahoaka. Misaotra. 53 Manao satroka, ny Solombavambahoaka RAVELOARIVONJY Behavana. Andriamatoa RAVELOARIVONJY Behavana Tsy tiako hotenenina amin’ny “micro” izy ity. Andriamatoa Filoha, isika efa manana an’Andriamatoa RAHOLDINA ho Filoha. Manana fahazaran-dratsy isika; isika dia efa manana ny “Commissions” rehetra, manana ny Filohany avy ireo ary manana ny “entité”-ny koa ato amin’ny Antenimiera. Ny tiako ho tenenina dia tsy misy olana tsy ahitana vahaolana. Tokony handray fepetra isika amin’io resaka “absence” io. Mila hentitra isika amin’io zavatra io. Tombotsoa betsaka ho an’ny havantsika izao dia atao tsinontsinona hoatra an’io. Izaho aloha tsy tia an’io. Raha mandray fepetra amin’io ianareo dia namanareo aho. Izaho dia miteny, fa tsy mety io. Tsy Solombavambahoaka no manao sarisary hoatran’io. Mandraisa fepetra ianareo, Andriamatoa Filoha, fa tsy mety io. Tapaho ny “indemnité”-n’ireo, fa tsy adalantsika no mivory eto. Izahay avy any Antsiranana, tsy afaka mody. Izay afaka mody, mandeha any ananona any izy dia tsy mivory. Izahay ity anie afabaraka amin’ny tany nahalany anay any hoe: tsy mamangy tanàna, nefa raharaham-pirenena no nifidianana antsika. Izaho izao any Sambava, efa ratsy no ahitan’olona ahy, satria tsy afaka mandeha any aho. Mahatsapa anefa aho, fa manana “responsabilité” dia mijanona mivory eto. Koa ny iangaviako anareo, satria mampalahelo ahy, fa ny sasany dia tsinontsinoavina. Alefaso “par entité” io, “par mouvance”. Aleo mba ho hentitra ny « entité » ato amin’ny Antenimiera. Tsy mety io, misy mandeha mamonjy ny toerana misy azy ihany; marina izany, fa ny tsy mamonjy kosa, tokony mba mazava ny antony ialany eto. Tsy omena 4X4 izy. Andriamatoa FILOHA Voaray izay Andriamatoa Solombavambahoaka. Ramatoa Solombavambahoaka. Ramatoa RATSIVALAKA née RAHERIARIVO Marie Michelle Ny tiako lazaina aminao, Andriamatoa Filoha: rehefa vita ny fivoriana dia manomana « communiqué » tamin’ny zavatra nataontsika, fa tsy hoe “Projet de Loi” fotsiny, fa na dia “résolution” aza, satria ny olona mieritreritra hoe tsy manao na inona na inona isika. Mangataka mba hisy “porte parole” angamba, hiteny amin’ny “presse”, mba avoaka “communiqué” amin’ny olona rehetra ny zavatra nataontsika, rehefa vita ny “session”. Misaotra, Tompoko. Andriamatoa FILOHA Asan’ny “Rapporteurs Généraux” ato amin’ny Birao Maharitra izay zavatra izay ary minoa sy matokia ianareo, fa amin’ny fotoan’androny dia hivoaka ny tatitra mikasika ny asa rehetra nataon’ny Solombavambahoaka, mandritra ity “session ordinaire” ity. Andriamatoa Solombavambahoaka RAHOLDINA RANAIVO Herinantsoina. 54 Andriamatoa RAHOLDINA RANAIVO Herinantsoina Misaotra, Andriamatoa Filoha. Zavatra roa no hoteneniko. Mikasika ny tenin’ny namana teo dia izao: ny olana amintsika anie dia tsotra; ao anatin’ny “session” isika izao. Izaho kosa dia tsy miombon-kevitra na avy any Antsiranana izy na avy any Mahajanga; fa ny fantatray rehefa “session” dia eto Antananarivo. Izahay koa anie mba misy manasa hoe handeha arỳ. Gaga izahay, fa amin’ny fahitalavitra no mahita hoe: Solombavambahoaka firifiry arỳ sy arỳ. Fantatray fa fotoam-pivoriana ara-potoana ity. Eto no fotoanantsika, rehefa tsy ara-potoana dia samy mandeha samy mitady any, fa lasa mampiana-dratsy ilay izy. Ny olana aminay dia tsotra: izahay tonga eto amin’ny 9 ora. Izaho Malagasy, “Académicien” aho, mpandalina ny teny Malagasy mihitsy aho. Tonga eto izahay amin’ny 9 ora; amin’ny 10 ora, mbola tsy manomboka ny fivoriana. Lasa izahay mandehandeha any. Rehefa mandehandeha any dia tsy tafaverina intsony avy eo; satria raha vao mivoaka eto izahay dia angatahan’olona vola. Izaho izao dia efa “billets” telo no nomen’olona ahy teo. Fangatahana arendrina firifiry. Aleo tsorina eto ny marina, fa hifampihatsaravelatsihy eto fotsiny. Avy eo izahay misy miteny hoe: tsy hita ianareo, anefa ilay olona tsy hita iny, adin’ny roa atỳ aorianay vao tonga. Koa aleo isika hifamarafara, fa lany hifampitsikera eto fotsiny. Marina mihitsy izany voalaza izany. Enjehin’ny olona foana isika amin’ity, lazaina hoe toy izao; kanefa ny tatitra no tsy mazava. Faharoa, ny angatahanay dia tsotra, fa efa mba nataonay ihany izy ity. Ny tenako no nanao azy, tamin’izaho tao amin’ny CST. Koa angatahanay ny “Administration”, mba hihaona daholo ny Solombavambahoaka rehetra, fa tsy isika akory no ati-doha be hoatran’ny inona hoe: ireto avy no nodinihana tato, satria na ny “assistants”-ntsika aza hatramin’izao mbola tsy misy. Omena anay daholo rehefa tapitra ny “session”, Andriamatoa Filoha, hoe ireto avy no lany teto, nanomboka hatramin’izao ka hatramin’izao. Fintininy ao izany; satria izahay dia mahalala hoe firifiry no isan’ny mpiasa ato, ny “fantôme” misy ato koa izany; fa mbola horesahana amin’Andriamatoa Kestora izany. Omeny anay io, iny no fintininay, hozarainay any amin’ny “arrondissement” nahalany anay, amin’ny teny Malagasy sy amin’ny teny Frantsay. Tsy mila mitady firy intsony isika amin’izay fotoana izay, fa anjarantsika no manazava azy amin’ny vahoaka. Ny olana mantsy dia tsotra. Ny manome tsiny antsika dia moramora kokoa, fa ny fankasitrahana dia “zéro sur vingt”. Isika koa tsy mila sitraka na ba kely ato akory, fa ny any amin’ny vahoaka no ilaintsika an’izay. Koa izahay dia mangataka araka ny tenin’ny Zokiolona teo hoe: rehefa miala eto izahay, Andriamatoa Filoha, dia “documents” be dia be hoatran’izay koa no ilainay, tatitra, famintinana ny zavatra rehetra tato, amin’ny teny Malagasy sy amin’ny teny Frantsay. Farany dia farany, miangavy izahay, Andriamatoa Filoha, satria efa mahazo fitenenana ihany, hoy ny namana Mamy RAKOTOARIVELO izay, araraotiko eto ny milaza, fa mba ilainay adika amin’ny teny Malagasy ny Fitsipika Anatin’ny Antenimierampirenena. Iray volan’ny teny Malagasy izao, koa mba ilainay ho vita amin’ny teny Malagasy izany. 55 Farany, efa nantsoiko an-telefaonina, fa tsy mbola nitarika fivoriana, Andriamatoa Filoha, izay soloinao toerana, mba ampitao any aminy, ny amin’ny fomba fiasa ato amin’ny “Administration”-ntsika, indrindra fa ny “Secrétaire Général”. Izaho tsy manana olana aminy manokana, fa mba tsy hisian’ny jabaka hoatran’ny nampanaovina anay tamin’ny androndRamatoa RAZANAMAHASOA Christine, dia asaivo manao ny asany tsara izy. Ny antony dia tsotra: ny “enquête parlementaite”, Tompoko, efa mba “parlementaire” izahay na dia Tetezamita aza; “confidentiel” io, tsy tokony ho teniteneninareo. Gaga be izahay, tratran’ny “vice de forme” indray tao. Nantsoina tany indray, tao amin’ny Minisiteran’ny Fanajariana ny Tany; soa ihany fa nanana “présence d’esprit” hoe aleo hivoaka io, fa raha nanatrika teo, ka lany teto io dia rava tahaka anay teo koa ilay izy. Koa mba tsy hanomezan-tsiny lava eto, satria dimy taona anie no iarahana eto, raha sitrapon’Andriamanitra, fa raha sitrapon’olombelona dia roa taona na herintaona; fa izahay mbola hirotsaka ihany na ravana aza ity. Misaotra, Tompokolahy. Mankatelina, Tompokovavy. Andriamatoa FILOHA Misaotra, Andriamatoa Solombavambahoaka. Mikasika ny “absentéisme”, isika ihany anie no mahatonga an’io. Isika ihany ohatra no mi“organiser” ny “investiture”-ntsika amin’ny fotoana izay fantatra tsara fa misy fivoriana arapotoana. Raha mba faran’ny herinandro anie ilay izy dia mety, tsy maninona; fa antenantenan’ny herinandro no anaovantsika azy. Tsy fantatro ny antony, sa izay ve no hitan’ny “radar”-ntsika any sa hoatran’izany. Mbola tsy fantatra ny antony hatramin’izao. Iny angamba, satria mbola handalo “investiture” daholo isika ireo, aleo mba manara-dalàna amin’izay zavatra izay, raha ohatra ao anatin’ny fivoriana ara-potoana na tsy ara-potoana isika, aleo mba atao faran’ny herinandro ireny “investitures” ireny, raha ny fahitako azy. Izay no mikasika ny “absentéisme”, satria ny ankamaroan’ny olona tsy eo dia izay no olany. Eo koa raha ny tena marina, ilay resaka fanaovana “suivi”-n’ny “activité” any amin’ny Faritra Atsimo. Isika ihany no nametraka an’iny. Angamba mazava ny resaka “discipline”, fa tokony samy hanaraka ny fitsipika daholo isika. Misy ny tsy azo idivirana, fa efa voaray ilay resaka teo dia ampiharintsika izany ny Fitsipika Anatiny. Izay angamba no mahatsara an’iny. Misy fandraisam-pitenenana hafa ve? Aiza ho aiza, Andriamatoa Minisitra? Omena dimy minitra isika, mba hihinana ireny zavatra eny an-tànantsika ireny aloha. 56 - 24 - Fandinihana sy fandraisana fanapahan-kevitra mikasika ny Volavolan-dalàna laharana faha-001/2013 tamin’ny 27 Martsa 2013 « Autorisant la ratification de la Convention Internationale contre le dopage dans le Sport conclue entre la République de Madagascar et les Etats Parties de la Conférence de l’UNESCO du 19 octobre 2005 » Andriamatoa FILOHA Eny ary, raha sitrakareo dia tohizantsika ny fivoriana. Miarahaba anao, Andriamatoa Minisitra, sy ireo mpiara-miasa aminao. Izahay dia faly foana rehefa misy famangian’ny vahiny manan-kaja sahala amin’izao ary ny anay ato amin’ny Antenimierampirenena koa dia ny fiaraha-miasa mavitrika miaraka amintsika ao amin’ny Mpanatanteraka no tena tanjona, mba ahafahana manatsara hatrany ny fisehon-javatra eto amin’ity Firenena iaraha-manana ity. Izay angamba no ela, fa ny fandaharam-potoantsika amin’izao atoandro izao; izay fandaharam-potoana isaorana tokoa an’Andriamatoa Minisitra, fa nekenao ny nampiakarana azy, satria noeritreretina fa metimety aminareo kokoa ny anaovana azy alohan’ny Filankevitry ny Minisitra, rehefa avy eo. Izay no antony nanaovanay an’iny fanovàna iny. Ny fandaharam-potoantsika izao dia ny fandinihana ny Volavolan-dalàna laharana faha001/2013 tamin’ny 27 Martsa 2013 « Autorisant la ratification de la Convention Internationale contre le dopage dans le Sport conclue entre la République de Madagascar et les Etats Parties de la Conférence de l’UNESCO du 19 Octobre 2005 ». Avy dia omentsika an’Andriamatoa Mpampakateny ny sehatra, mba hitondra ny tatitry ny Vaomieran’ny Fanatanjahantena. Anao ny sehatra, Andriamatoa Mpampakateny. - 25 - Famakiana ny tatitra Andriamatoa RATOVOSON Manoelina Hery Misaotra betsaka, Andriamatoa Filoha. Miarahaba anareo mpikambana ao amin’ny Birao Maharitra, Miarahaba anareo Solombavambahoaka namana. Miarahaba anareo avy ao amin’ny Governemanta. Nivory ny Talata faha-17 Jona 2014, tamin’ny 3 ora sy 30 minitra, tolak’andro, ny Vaomieran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, nandinika ny Volavolan-dalàna laharana faha001/2013 tamin’ny 27 martsa 2013 « Autorisant la ratification de la Convention Internationale contre le dopage dans le Sport conclue entre la République de Madagascar et les Etats Parties de la Conférence de l’UNESCO du 19 octobre 2005 ». Ramatoa RANDRIANASOLO Volatiana Pauline, Filohan’ny Vaomiera no nitarika ny fivoriana. 57 Ireto avy ireo Mpikambana tonga nanatrika ny fivoriana: Ramatoa sy Andriamatoa isany: 1. RANDRIANASOLO Volatiana Pauline 2. LYLYETTE RENE de Roland 3. RATOVOSON Manoelina Hery 4. RASOAHERINJATOVO Bodovoangy Dimitrine Ireo teknisiana nisolotena ny Governemanta: Ramatoa sy Andriamatoa isany, 1. BEZAKA Brutho Lucien 2. RAHARIMANANJARASOA 3. RAKOTOZAFY Rosa 4. ZAFINISOANA Alain C. 5. RAFIONONANTSOA Voahirana 6. RAHARIVONY Mariette 7. RAKOTOMALALA Richard 8. ROBERT Bianca 9. TSIAHOVA Sylvestre MJS/DGJ MJS (ORAD) MJS/DSF MJS/DRSE MJS/Chef SPSE MLS/Sce LCD MJS/MEDECIN MJS/ACD PARAMEDICALE MJS Rehefa avy niarahaba ny mpivory, Ramatoa Filoha, dia nanome fitenenana ny teknisiana, mba hanome fanazavana sy hamariparitra ny mombamomba ity Volavolan-dalàna laharana faha-001/2013 tamin’ny 27 Martsa 2013 ity. Nanambara ny teknisiana, fa zava-dehibe tokoa ny anaovana “ratification”-n’ny “convention antidopage” ity, satria miankina amin’izany no ahazoana famatsiam-bola, ka ahafahana miasa. I Madagasikara dia efa mpikambana ao na dia mbola tsy vita aza ity “ratification” ity, ka isany fandraisana anjara amin’izany sahady ny fandaniantsika azy ity. Tsy namolavola an’ity lalàna ity isika, fa zavatra efa napetraka ka nekentsika. Misy ny fepetra apetraka amin’ny fanatanjahantena avolenta hoe: “Sport propre et juste”, mba hiarovana ny fampitomboana hery handresena. Ny hoe madio dia tsy tokony misy zavatra miditra avy ivelany amin’ny tenan’ny mpandray anjara mba hampitomboana hery. Ny hoe “juste” dia tokony hitovy ny mpandray anjara rehetra, fa tsy misy fampitomboana hery. Efa nandany azy ity ny Firenena sasantsasany amin’ireo mpikambana, fa i Madagasikara kosa mbola tsy nandany, ka izany no antony angatahana fankatoavana ity Volavolan-dalàna ity. I Madagasikara dia mpikambana amin’ny sehatra maro iraisam-pirenena, toy ny “Comité Olympique” ka nanaiky ny fepetra izay napetrak’ireo Firenena ireo, mba handraisana anjara. Maro ireo asa natao izay nandraisana anjara toy ny “Agence Mondiale Antidopage” eto Madagasikara sy fiaraha-miasa amin’ny firenen-kafa na dia mbola tsy lany aza ity Volavolandalàna ity, mba iarovana ireo atletantsika, tsy hitondra fahafaham-baraka ho an’ny Firenena na hanimba ny tanora. 58 Tsy mijanona amin’ny fitiliana fotsiny anefa izy ity, fa fanabeazana ihany koa mba ialana amin’ny tsy fahafantarana. Eo koa ny antony hafa manosika antsika hanao fitiliana avolenta mialoha na mandritra ny fotoana anaovana fifaninanana. Ny tanjona dia ny hahaleotena, ny hahafahan’ny Firenen-kafa hiara-hiasa amintsika. Hatramin’izao mantsy dia any Afrika Atsimo no anaovana ny fitiliana rehetra izay atao noho ny tsy mbola fananana “laboratoire”. Ity fifanarahana ity dia efa ela ihany no nanaovana azy tato amin’ny Antenimierampirenena, ka andrandrain’ireo Firenena eto anivon’ny Ranomasimbe Indiana sy eo amin’ny Firenena hafa ny fahavitany. Efa hisy fivoriana hatao tsy ho ela eto Madagasikara, ka ilaina ny fandaniana azy ity, mba ahazoana vokatra haingana. Rehefa izany dia niroso tamin’ny fametrahana fanontaniana ireo Solombavambahoaka. 1- Moa ve efa fantatr’ireo atleta sy ireo mpanazatra hoe inona avy ireo sakafo azo hanina na tsia, mandritra ny fotoana ifaninanana, satria misy iniana atao, misy tsy fanahy iniana ho amin’ny fampitomboana hery? 2- Tsy tokony hisy fatrany ve ny fampiasana ireo raok’andro, mba tsy hahavoasazy? Valim-panontaniana avy amin’ny Teknisiana: 1- Tsy ny sakafo no olana, fa mbola fikarohana izy io eto amintsika; any amin’ny tany mandroso dia efa manana lisitra momba izany, ka io aloha no mbola iainantsika. 2- Izany no tanjona amin’ny handaniana ity Volavolan-dalàna ity, mba ahafahantsika mahafantatra io fatra io, ka ahafahana manao “sensibilisation” sy fampianarana ny olona (na fanatanjahantena na fahasalamana…), ary mba ahazoantsika “Subvention”. Noho ny tsy fahatratrarana ny fetr’isa ahazoana manapa-kevitra dia niato 30 minitra, ny fivoriana mba ho fanajana ny andininy faha-50 ao amin’ny Fitsipika Anatiny mifehy ny Antenimierampirenena. Nankatoavin’ny Vaomiera ity Volavolan-dalàna laharana faha-001/2013 tamin’ny 27 Martsa 2013 « Autorisant la ratification de la Convention Internationale contre le dopage dans le Sport conclue entre la République de Madagascar et les Etats Parties de la Conférence de l’UNESCO du 19 octobre 2005 » ity. Nifarana tamin’ny 4 ora sy sasany, hariva, ny fivoriana rehefa avy nisaotra ny mpivory, Ramatoa Filoha. Misaotra betsaka nihaino ahy hatramin’ny farany, Tompoko. - Tehaka - 59 Andriamatoa FILOHA Misaotra anao, Andriamatoa Mpampakateny, nitondra izay tatitra izay etoana. Raha ohatra misy fanamarihana na fanitsiana, izay tiantsika tao anatin’ny Vaomiera atao dia misokatra ho antsika ny fandraisana fitenenana. Tsy misy? Izao ary dia omena anareo ao amin’ny Governemanta, dia ianao izany, Andriamatoa Minisitra, ny fitenenana. - 26 - Famelabelarana ny antonanton’ny Volavolan-dalàna Andriamatoa ANDRIAMOSARISOA Jean Anicet, Minisitry Tanora sy ny Fanatanjahantena Misaotra, Andriamatoa Filoha, nanome ny fitenenana. Ny voalohan-teny dia faly miarahaba antsika, amin’ny alalanareo mpikambana ao amin’ny Birao Maharitra. Eo ihany koa ianareo Solombavambahoaka rehetra, izay manatrika eto. Ianareo mpikirakira. Tompokovavy sy Tompokolahy. Araka ny efa nambara teo dia atolotra ho antsika eto ity Volavolan-dalàna, mahakasika ny ady amin’ny fandraisana fanafody mampitombo hery tsy ara-dalàna ity. Andriamatoa mpitarika ny fivoriana, misolo tena an’Andriamatoa Antenimierampirenena, Ianareo mpikambana ao amin’ny Birao Maharitra. Ramatoa sy Andriamatoa isany, Solombavambahoakan’i Madagasikara. Filohan’ny Ny olana ateraky ny fandraisana fanafody mampitombo hery tsy ara-dalàna sy ny vokadratsy aterany eo amin’ny mpanao fanatanjahantena dia anisan’ireo laharam-pahamehan’ny Komity Iraisam-pirenena Olimpika. Noho izany dia nanangana ny masoivoho eran-tany miady amin’ny fandraisana fanafody mampitombo hery tsy ara-dalàna na ny “Agence Mondiale Antidopage” ny Komity Iraisampirenena Olimpika, tamin’ny taona 1999. Ny AMA na ny “Agence Mondiale Antidopage” dia rafitra mahaleotena miandraikitra ny fampivoarana, ny fandrindrana ary ny fanaraha-maso ny ady atao amin’ny fandraisana fanafody mampitombo hery tsy ara-dalàna, eo amin’ny sehatry ny fanatanjahantena. Ny fianakaviamben’ny Minisitera sy ny Fanjakana isan’isany no miantoka ara-bola ny fanatanjahantena, amin’ny fanatanterahana ny asany. Nanomboka tamin’ny volana May 2002 ny Fanjakana Malagasy no niditra ho mpikambana tamin’io masoivoho eran-tany io, ka nandoa latsakemboka isan-taona tamin’izany. 60 Nangataka fiaraha-miasa tamin’ny Komity Iraisam-pirenena Olimpika ny Fikambanana Iraisam-pirenena UNESCO, nandritra ny fivoriambe iraisam-pirenena ho an’ny fanabeazana ara-batana sy fanatanjahantena. Tamin’izany no nangatahany ny Firenena mpikambana rehetra, mba handany ny fifanarahana iraisam-pirenena miady amin’ny fandraisana fanafody mampitombo hery tsy ara-dalàna, eo amin’ny sehatry ny Fantanjahantena, izay entina ankatoavinareo ity. Eo amin’ny lafiny fiaraha-miasa amin’ny ady amin’ny fandraisana fanafody mampitombo hery tsy ara-dalàna, miaraka amin’ireo firenena hafa mpikambana ao aminy, ny Governemanta Malagasy dia nandany ny fifanarahana iraisam-pirenena voafaritra mifehy izany, niaraka tamin’ny solotena tonga nanatrika ny fivoriana, “Conférence de l’UNESCO” tamin’ny 19 Oktobra 2005. Noho izany antonantony izany, ny fandaniana an’ity fifanarahana ity dia sarotra ialana, satria i Madagasikara dia mandray anjara amin’ireo fifaninanana iraisam-pirenena, indrindra ireo eo ambany fiahian’ny Komity Iraisam-pirenena Olimpika. Tsara ho marihina koa, fa ny andininy fahefatra amin’ny lalàna Malagasy, mitondra ny laharana faha-97-014 tamin’ny 8 Aogositra 1997, entina andaminana sy ampivoarana ny hetsika ara-batana sy ny fanatanjahantena dia miaro ny fanaovana fanatanjahantena amin’ny fandraisana fanafody mampitombo hery tsy ara-dalàna ary koa amin’ireo fomba rehetra ahitana endrika fampitahana famitana ny vokatra. Ny tanjon’ny fifanarahana. Tanjona imasoan’ny fifanarahana ny hamongotra hatramin’ny fakany, eo amin’ny sehatry ny fanatanjahantena, ny fomba tsy misy fahamendrehana sy manimba vatana, amin’ny fandraisana fanafody mampitombo hery tsy ara-dalàna; ka izany dia ho an’ny tombotsoa ambony avoitry ny fitandroana: ny fahasalaman’ny mpanao fanatanjahantena, ny fotokevitra mitandro ny lalao madio, ny ho avin’ny fanatanjahantena amin’ny fenitra toavina sy ny lanjan’ny fanabeazana izay voizin’ny dina iraisam-pirenen’ny fanabeazana ara-batana sy ny fanatanjahantena avy amin’ny UNESCO sy ny Dina Olimpika. Ireto avy ireo paikady fanatanterahana. Misy paikady efatra no hita ao amin’ny fifanarahana, ka ireto avy izany: Ny paikady voalohany: fametrahana ny fiaraha-miasa miady amin’ny fandraisana fanafody mampitombo hery tsy ara-dalàna eo anivon’ny firenena sy eo amin’ny sehatra iraisampirenena ary ny fandrindrana asa mifandraika amin’izany. Ny fiaraha-miasa iraisam-pirenena ihany koa, teo amin’ny fikambanana miady amin’ny fanafody mampitombo hery tsy ara-dalàna sy ny fikambanana fanatanjahantena, hikendrena indrindra hamongorana hatramin’ny fakany ny fandraisana izany fanafody izany, ka ezahana hipaka any amin’ny mpanao fanatanjahantena rehetra. Faharoa, ny fametrahana sehatr’asa fanabeazana sy fanofanana entina manamafy hatrany ny ady amin’ny fanafody mampitombo hery tsy ara-dalàna. 61 Paikady fahatelo, fampandrosoana hatrany ny fikarohana entina miady amin’ny fandraisana fanafody mampitombo hery tsy ara-dalàna. Ny paikady fahefatra farany dia fametrahana ireo firenena mikambana ao amin’ny UNESCO, na inona na inona hevi-pitondrana voalazan’ny Lalàmpanorenana ao aminy, ny lamina ahafahana manara-maso ny votoatin’ny fifanarahana, mba ahazoana antoka hatrany ny fankatoavana ny fifanarahana. Toy izay sy toy izay, Tompokovavy sy Tompokolahy isany, no anton’ity Volavolan-dalàna ity, izay atolotray mba hankatoavinareo araka ny andininy faha-137, “paragraphe 2” ao amin’ny Lalàmpanorenana milaza hoe: “Tsy maintsy lalàna no manome alalana, amin’ny fankatoavana na fanekena ny fanekem-pihavanana, ny fifanekem-barotra, ny fifanekena na fifanarahana mikasika ny fandaminana iraisampirenena, ireo izay mampiditra andraikitra ho hefaina amin’ny volam-panjakana, tafiditra amin’izany ny fisamboram-bola avy any ivelany, ireo izay manova ny fepetra miendrika lalàna, ireo izay mikasika ny fitoetry ny olona, fifanekena tsy hifanafika, ireo izay manova ny faritry ny tanim-pirenena. Andriamatoa Filoha, Ianareo mpikambana ao amin’ny Birao Maharitra, Ramatoa sy Andriamatoa isany, Solombavambahoaka, misaotra anareo naharitra nihaino hatramin’ny farany. - Tehaka - 27 - Adihevitra ankapobeny Andriamatoa FILOHA Mankasitraka, mankatelina, Andriamatoa Minisitra, tamin’izay fanazavana feno dia feno izay. Isika Solombavambahoaka, izay manana hevitra tiana aposaka dia misokatra minitra vitsivitsy aloha ny adihevitra. Andriamatoa RAOLIDINA RANAIVO Herinantsoina Misaotra, Andriamatoa Filoha, nanome ny fitenenana. Efa namaky ny tatitra ihany moa izahay ary efa novakian’ny Mpampakateny teo koa, Andriamatoa Filoha. Tsy misy lafiratsiny mihitsy mikasika an’io Volavolan-dalàna io ary mbola nohamafisin’Andriamatoa Minisitra teo ny fanazavana azy. Tianay amafisina fotsiny fa ny lalàna tahaka itony indraindray hoatran’ny amaivamaivanin’ny olona, fa aminay mpanao fanatanjahantena, satria izahay mantsy somary fohifohy ihany; taloha dia asaina manao “basket” izahay mba ho lava. Iangaviana ny namana rehetra, mba omena lanja ilay izy. Izay moa no tianay apetraka. Izaho manokana izay miresaka aminareo eto dia mpiraitampo ny reniko sy ny renin’i Pierre Be. Izaho mpanao “kung-fu; izy zanaky ny vavimatoa, izaho 62 zanaky ny faravavy; ry zareo lava be, fa ny avy atỳ amin’ny dadanay no somary fonentana. Izahay sy Pierre HOULDER indray dia zanaky ny mpirahalahy iraitampo; izaho zanaky ny lahimatoa ary izy zanaky ny faralahy. Ny tiako hotenenina amin’izany, izaho dia eo afovoan’ny toerana roa ary ny mahatonga ahy tsy mety antitra hoatran’ny totozy izao dia resaka fanatanjahantena. Zava-dehibe ny lalàna toa itony, fa indraindray variana any amin’ny politika daholo ny Solombavambahoaka. Rehefa misy resaka hafahafa arỳ dia rakotra any daholo isika rehetra. Izay no niandrasako an’ity fa tsy inona akory, raha zavatra hafa ity niala tato aho, fa efa mahazatra ato izany. Koa miangavy antsika rehetra, mba hankato an’ity lalàna ity, fa mahasoa ny firenena izany. Misaotra, Tompokolahy. Mankatelina, Tompokovavy. - Tehaka Andriamatoa FILOHA Eny ary. Misaotra, Andriamatoa Solombavambahoaka, izay sady mpanao fanatanjahantena, mpanao lalàna, mpikabary ihany koa. Betsaka ny talentan’Andriamatoa Solombavambahoaka, koa dia misaotra amin’ilay teny teo. Andriamatoa RASOLONOMENJANAHARY Fidélis Justin, anao ny fitenenana. Andriamatoa RASOLONOMENJANAHARY Fidélis Justin Misaotra, Andriamatoa Filoha, nanome ny fitenenana. Miarahaba antsika mambran’ny Governemanta, manatrika etoana. Fanamafisana ny “convetion” no ataontsika eto. Inoako angamba, fa tsy misy zavatra maharatsy azy, satria holaniana ity. Tolo-kevitra angamba no atolotra, satria iarahantsika mahita, fa ity “dopage” ity dia tsy fantatra na hatrany an-tsekoly any aza mety misy. Koa ny fiangaviana dia tokony hisy ihany solotenan’ny Minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena, mba manatrika antsika rehefa amin’ny fotoana sahala amin’izao ary tokony hisy fitaizana hatrany an-tsekoly amin’ny faharatsian’ny “dopage”, satria fantatsika tokoa ny voka-dratsiny. Araka izany dia tokony ho fantatsika mazava tsara; fanafody moa no ilazantsika azy, fa amin’ny Malagasy mety tsy fanafody, satria isika Malagasy tsy dia hoe mahay manamboatra fanafody mampitombo hery, mampisy hery izany; fa mety misy vokatra natoraly koa izay mety tsy mahasalama tokony ampahafantarina ireo zanatsika. Tsy fantatra na ireto “boissons énergétiques” misy ankehitriny ireto na voakilasy ao anatin’ny « dopage » na manao ahoana, fa tokony jerena tsara hoe: inona sy inona daholo ireo endrika sakafo miditra ny vava miteraka “dopage”. Izay angamba, fa tokony ampahafantarina any amin’ny sehatry ny fanabeazana izy ireo. 63 Misaotra, Tompoko. Andriamatoa FILOHA Misaotra, Andriamatoa Solombavambahoaka. Mbola misy ve ny fanehoan-kevitra avy atỳ amintsika. Ramatoa Solombavambahoaka, anao ny fitenenana. Ramatoa VOLAHAINGO Marie Thérèse Andriamatoa Filoha, Isika rehetra manatrika ato. Andriamatoa Minisitra sy ny mpiara-dia aminy. Ny teniko androany dia tsy resaka tolo-dalàna mikasika ny “dopage” amin’ny “sport”, fa ny zava-misy tena hita. Ny “sport” dia tsy miroborobo any amin’ny Distrika lavidavitra rehetra. Izay no zavatra hita. Ny “sport” mihitsy no mbola tsy miroborobo, ny kianja tsizarizary, ny fitaizana tsy ampy, ny fampianarana azo lazaina fa tsy misy. Koa ny hetaheta, manararaotra ny Minisitra mandalo eto amin’ny Antenimierampirenena, fa mbola ho avy any hitondra ny fangatahana avy amin’ny Distrikan’i Bealanana, Faritr’i Sofia, mangataka “terrain de basket-ball” sy “terrain de hand-ball”. Izay no mba fangatahana. Sambava koa mbola mangataka, Antsirabe II. Izahay rehetra dia mangataka, Antsiranana II koa mbola mangataka. Fehiny, mba hanatsarana ny fotodrafitrasa fanaovana fanatanjahantena, hanampiana ny tanorantsika izay mazoto ary vonona hanao fanatanjahantena. Mbola ho any hanao fangatahana, fa araraotina ny fandalovan’Andriamatoa Minisitra eto. Misaotra, Tompoko. Vonona izahay handany ny lalàna tsy asiam-panovàna. Andriamatoa FILOHA Misaotra Ramatoa Solombavambahoaka. Andriamatoa NASSER Ahmed Misaotra, Andriamatoa Filoha. Andriamatoa Minisitra, indray mandeha reko tamin’ny radio, tao amin’ny fandaharandRamatoa Lalatina RAKOTONDRAZAFY, raha tsy diso aho. Misy “proposition” kely avy atỳ amiko; efa elaela no nieritreretako azy, amin’ny ekipa nasionalin’i Madagasikara io. Toa tsy dia hita loatra ny ekipa nasionalintsika Malagasy, tsy dia mandeha lavitra. Koa maninona, Andriamatoa Minisitra, raha akana olona mahay milalao baolina manerana an’i Madagasikara, amin’ny Faritany 6, amin’ny Faritra 22; samy akana satria misy olona tena mahay baolina ao aminay Antsiranana ao, misy tena mahay. Maharesy an’ireo avy eto 64 Antananarivo; kanefa olona avy eto foana no angoninareo. Tsy ianao fa ny olona teo alohanao, ka manjary resy lava isika Malagasy. Misaotra betsaka anao koa amin’ilay anarana entinao, reharehanay izany, satria mpihavana isika rehetra. Misaotra, Tompokolahy. Mankasitraka, Tompokovavy. Andriamatoa FILOHA Izao ary, misy firy ny Solombavambahoaka, mbola handray fitenenana? Firy, tsy misy tapenam-bava eto, fa tiako ho fantatra fotsiny. Ianao izany no farany. Ny Solombavambahoaka RAVELOARIVONJY Behavana, ary ny Solombavambahoaka ZAFIMAHATRATRA Abel. Andriamatoa RAVELOARIVONJY Behavana Azafady, Andriamatoa Minisitra. Izahay moa tsy dia zatra manonotonona anarana loatra, satria efa matetika “rejeter”-n’ny Minisitra, ka matahotra izahay ny hanatona anareo. Tsy ianao, Andriamatoa Minisitra, fa ianao no eto ka dia ampitaiko aminao ny hetahetam-poko. Izaho tsy hihatsaravelatsihy amin’ny “antidopage”. Izaho teo niezaka ny nangina, tsy tantiko ilay izy ka aleko miteny. Tsy hitako ny olana amin’ny “dopage” eto Madagasikara. Mialatsiny aminareo, Tompokovavy sy Tompokolahy, izaho izany. Iarahantsika ilay izy, fa matoa ianareo Teknisiana nahita azy, mety izany dia arahiko. Hiditra amin’ny resaka hafa aho, amin’izao ianao eto izao. Tsy manome tsiny anareo niditra tamin’ny resaka “dopage” aho, fa matoa io nataonareo, ianareo no miandraikitra azy dia hitanareo izany ny lafiratsiny. Amiko manokana dia te-hanome soso-kevitra hafa aho. Izaho hitanao izao, Andriamatoa Minisitra, dia “ancien Foot-balleur” ary raha mahita ny sariko tamin’ny nanao baolina ianao dia ho gaga. Inona no mahatonga ahy lasa be kibo tahaka izao; satria lasa tsy misy “valeur”-ny intsony ny “sport” eto amintsika. Mazava ho azy, fa mbola telo volana no nahatongavanao teo, ka rariny loatra raha hifanome tànana isika. Tsy misy “valeur” ny manao “sport”. Lany tamin’ny “équipe nationale” izahay, rehefa nody avy tany dia “300 000 fmg” no vola mba azonay, tamin’ny taona 1991, ka naleoko nijanona. Rehefa tonga tany an-tanàna izahay na ny “stade”-nay aza tsy misy “vestiaire”, ka aleoko nijanona. Eto isika dia efa miresaka sahady ny “dopage”. Ny “dopage” izany anie raha tsy diso aho, ry zareo avy any “Jamaïque” mihazakazaka be ireny, izay tokony hanao “10 secondes”, lasa manao “9 secondes” amin’ny “100 mètres”, fa isika toa tsy misy an’izany. Manaraka aho araka ny teniko teo. 65 Ny tiako tsindriana, Andriamatoa Minisitra, azafady, andao isika hitady vahaolana amin’ity “équipe nationale” ity; tena mba jereo. Saika tsy hiteny aho, fa tsy tantiko ny tenin’ny rahalahy teo. Raha hijery olona mahay baolina, Andriamatoa Minisitra, mahita olona 25, manerana an’i Madagasikara isika. Raha telo volana alohan’ny “compétition” isika vao hanao “recrutement”-n’ny mpilalao dia tsy “possible” izany; aza manonofy, aleo tsy manao. Ny tiako ho tenenina, satria izaho mba manana traikefa amin’ny “foot-ball” ihany: aleo, Andriamatoa Minisitra, mba atsangana malakilaky ny “centre de formation” hitsinjovantsika ny dimy taona manaraka. Mba « recruter »-na ny vatana, “recruter”-na ny olona tena mahay, amin’izay manana fanantenana isika; satria raha dimy taona izany, mbola eo tsara ianao, Andriamatoa Minisitra. Eo amin’ny fiaraha-miasa, izahay Solombavambahoaka dia vonona hifanome tànana; mba ataontsika vaindohan-draharaha ary izay mahomby amin’ny mpanao fanatanjahantena dia atao “tam-tam” tsara; atao mba ho hitan’ny sasany, satria tian’ny mpilalao Malagasy izany lasa any andafy izany. Mba ho fantatr’olona izy, satria ianareo dia miara-miasa amin’ny Minisiteran’ny Fifandraisana, mba ataontsika maimaim-poana, rehefa misy zavatra hoatran’izay, satria reharehantsika izany. Mba hitan’ny avy any amin’ny Faritany ilay izy. Manainga anao mavesatra aho, Andriamatoa Minisitra, aleo mba hiresaka amin’ny “footballeur”-ntsika any “Lille”. Ny “capitaine d’équipe”-n’i “Lille”, Andriamatoa FRANCK Beria; mba miangavy aho satria niresaka tamiko izy roa taona lasa izay. Tsy haiko, hoy izy, izay hataoko any Madagasikara, kanefa izaho Malagasy. Maninona raha mba mandray andraikitra ianareo, Andriamatoa Minisitra, miresaka aminy, amin’izay mety hisy toro-hevitra azo; satria hazoto ny tanora mahita Malagasy iray “professionnel” any Frantsa izany. Toro-hevitra ny ahy, Andriamatoa Minisitra. Misaotra, Tompoko. Andriamatoa FILOHA Misaotra anao, Andriamatoa Solombavambahoaka. “Effectivement” efa “confirmer”-n’ny namana eto fa i “Lille” dia “première division” any Frantsa, ka tokony hisy traikefa azontsika avy amin’i FRANCK Beria. Fandraisam-pitenenana farany, ny Solombavambahoaka ZAFIMAHATRATRA Abel. Andriamatoa ZAFIMAHATRATRA Abel Misaotra, Andriamatoa Filoha, nanome ny fitenenana. Miarahaba ny Birao Maharitra, Miarahaba an’Andriamatoa Minisitra sy ny mpiara-miasa aminy. Ho lany ny lalàna takianareo avy eo, satria izay no ahatongavanay eto, handany ny lalàna ampankatoavinareo anay. Araraotina ny fotoana ihaonana, Andriamatoa Minisitra. Ombako manana ny tenin’ny Solombavambahoaka namako teo, satria mikasika resaka “foot-ball” ilay izy. 66 Mampalahelo ary mampitomany ny toerana misy antsika amin’izao fotoana izao: resy lava, resy lava, resy lava; anefa dia miankina amin’ny firoboroboan’io fanatanjahantena Malagasy io ny ho avin’ny firenena. Io no ahafantaran’ny olona any ivelany antsika atỳ Madagasikara. Ombako manana ny tenin’ny namako teo hoe: ifanampiana raha ilaina izany. Ohatra fotsiny, isika ao Fianarantsoa. Izany “5 minutes”-n’i Labasy izany taloha na dia 2-0 aza, mbola tratrany ao anatin’ny roa minitra ny isa. Ny fomba sy pitsopitsony anatanterahanao azy angamba mety efa fantatrao araka izay programa ao aminao. Izahay dia vonona ny hifanampy amin’izay rehetra hatao, mba ahafahanao mampivoatra io departemantanao io, amin’ny fotoana ipetrahanao eo. Vonona izahay Solombavambahoaka hifanampy aminao. Hofaranako ny teniko, fa haka fotoana kely fotsiny aho. Ohatra tamin’ny andron’Andriamatoa PETER Schnidger, mety mbola hahita teknisiana tahaka ireny ve isika. I Tompokolahy Ntsoa izay hitantsika fa nampisondrotra ambony ny BFV/SG tamin’izany sy ny ekipa nasionaly; nandresy an’i Zambie isika, nandresy an’ireo Afrikana ireo isika tamin’izany fotoana izany. Noho izany ilay “mode de recrutement” teo no tokony ho jerena; manampy an’izay amin’ny farany dia ny mpitarika fanatanjahantena. Matetika mantsy dia ny “opérateur” no mikarakara ny mpanao fanatanjahantena. Mba mila mifampiresaka ihany ianao sy ny Minisitry ny Teti-bola hoe: “subventionner”-na kely ireo mpitarika “clubs” ireo, satria ny any ampaosin’izy ireo anie no manaraka. Noho ny fitiavana fanatanjahantena no mahatonga azy ireo mitarika “clubs”, anefa ny “budget” itarihana “club” iray, raha tsy manana any amin’ny “100 millions” hatramin’ny “150 millions” isantaona ny Filohan’ny “club” dia tsy hahavita “déplacement”, sady tsy hahavita “compétition”. Mba ifampiresaho izy. Farany, amin’ny fiarovanao ny “terrain”. Matetika mantsy dia misy Ben’ny Tanàna na any ambanivohitra io na ambonimbony vohitra, ilay toerana filalaovana indray no amidiny. Tokony arovana ho fananam-pirenena ireny na fanaovana baolina io na fanaovana “basket” io na fanaovana zavatra hafa koa. Ny fanatanjahantena rehetra izany no tiako resahana, satria mampitombo ny fahasalaman’ny Malagasy koa ny fananana “terrain”, satria mazoto manao fanatanjahantena daholo na tanora na antitra raha toa voakarakara ny kianja eo amin’ilay Faritra. Misaotra, Andriamatoa Filoha, fa na dia tsy tao anaty lahadinika aza ny tolo-kevitra naroso teo dia nekenao ampitiavana, noho ny Tanindrazana iaraha-manana. Misaotra, Tompoko. Andriamatoa FILOHA Misaotra anao, Andriamatoa Solombavambahoaka. Mialohan’ny hamaranan-dry zareo ao amin’ny Vaomieran’ny Fanatanjahantena dia handray fitenenana roa minitra, ny Filoha Lefitra avy any Fianarantsoa. 67 Andriamatoa ANDRIANARIVO Harimampianina Razakarivelo Misaotra, Andriamatoa Filoha. Andriamatoa Minisitra sy ianareo miara-dia aminy. Ny ahy dia tsy haiko na hoe mifanohitra, fa mba manararaotra miteny rehefa misy olona miteny. Raha tena dinihana, rehefa misy fifaninanana “olympique” na hoatran’izany; isika dia toa mihazakazaka be hoe any amin’ny “foot”, “basket”, kanefa ny olona mandeha amin’ireny, ny “délégation” mandeha amin’ireny farafahakeliny dia 25 no isany. Ny vokatra anefa tsy misy. Mandeha manao “compétition” any amin’ny “coupe d’Afrique des Nations”; mankany “Botswana”, mankany “Malawi”, avy eo mankany “Zimbabwe”, avy eo mankany “Egypte”, avy eo tsy miakatra “phase de poule” akory, tsy manao “8ème de finale”, tsy manao na inona na inona akory. Ny ahy, raha afaka manome “suggestion” dia maninona raha ny “sport individuel” iantohana olona iray, “compétition” iray tonga dia vita avy any amin’ny “élimination” tonga hatrany amin’ny “finale” no ezahana. Olona iray no mandeha, “ping-pong” ohatra; ny isan’ny “médaille” azo dia mitovy ihany na “foot” no ataonao na inona. “Médaille” iray ihany ho an’ny olona 25 mankany. Raha “ping-pong” no ataonao, “médaille” iray ihany no azonao, nefa olona iray no mandeha. Tsy mila mpanotrona, tsy mila mpanazatra; fa tonga dia ilay olona no mandeha. Indray mandeha dia vita ny “compétition”, sady tsy mandany vola no mitovy ihany ny isan’ny “médaille” azo. Raisiko ohatra, raha “karaté” no atao: olona iray dia mety ho vitan’ny “entrepreneur” hoe izaho no hiantoka an’ity olona ity hanao “karaté”, satria efa hitako fa azo antoka izy, na raha hoe “volley-ball” no atao dia “équipe” iray no iantohana. Ny ahy ny mba “suggérer”-ko dia ny “sport individuel” izay ahitana “résultat”, sady tsy mandany vola no mora ahitana “sponsoring”. Ireny no somary atosika kely, mba iavahan’i Madagasikara; satria ny “sport collectif” dia sady mandany vola no tsy ahitana vokatra. Misaotra, Tompoko. Andriamatoa FILOHA Eny ary. Misaotra anao, Andriamatoa Filoha Lefitra. Hamarana ny fandraisam-pitenenana ry zareo ao amin’ny Vaomieran’ny Fanatanjahantena. Andriamatoa Solombavambahoaka, anao ny fitenenana. Andriamatoa RATOVOSON Manoelina Hery Efa ampy angamba izay fiarahabana izay. Ny ahy angamba, amin’ny maha-mpikatroka fanatanjahantena ahy ary mbola atao hoe amperiny na dia efa nahazoazo taona ihany aza. Izaho dia te-hanome soso-kevitra tsara ho antsika ao amin’ny Minisitera: ny fanaraha-maso ny “fédération”, satria isika ao amin’ny Minisitera indraindray dia tsy mahafantatra loatra hoe: iza moa ireo atleta alefan’ny “fédération” ireo. Tokony araha-maso tsara izany, satria ny antony, isika Minisitera sy i 68 Madagasikara ihany no afabaraka, satria ny antsika amin’ny “compétition” dia ny fandraisana anjara no zava-dehibe. Ka hialantsika amin’ny fandraisana anjara no zava-dehibe dia mba mila arahana maso tsara io “fédération” io. Faharoa, manaraka dia hiatrika ny Lalaon’ny Nosy isika rehefa afaka herin-taona. Ny Nosy efa resintsika hatramin’izay dia tsy resintsika intsony taty aoriana, satria ny azy vao tapitra ny eo dia efa manomana sahady ry zareo. Isika angamba amin’izao dia mbola tsy misy fampivondronana akory; mbola tsy misy na inona na inona, fa rehefa tonga indray ny “compétition” dia ny fandraisana anjara no zava-dehibe. Izay no mahatonga ahy hoe: mba mila araha-maso ny “fédération”, fa isika no afabaraka ary tena hita hoe mahantra tanteraka ny Malagasy any amin’ny resaka fanatanjahantena. Io ihany koa no karazana fandrefesana amin’ny fananan-karena. Misaotra, Andriamatoa Minisitra. - Tehaka Andriamatoa FILOHA Misaotra Andriamatoa Solombavambahoaka. Satroka? Alefaso ny satroka. Andriamatoa RAHOLIDINA Ranaivo Herinantsoina Fohy kely fotsiny, Andriamatoa Filoha. Ny fomba fiasantsika mihitsy no iangavianay. Aoka rehefa mba lalàna dia mifantoka ao aminy, satria hitanao fa mihena an-toerana hoatran’ny fen’ny marary isika. Izaho tsy manao hoe mihena an-toerana hoatran’ny fen’antitra, fa misy antitra mihabe fe rehefa manao “sport” tsara, fa ny antsika lasa resaka hafa. Mbola hisy fihaonana amin’ny Governemanta amin’ny manaraka, ka hararaotintsika amin’izay ny zavatra rehetra. Izao ny namana teo dia lasalasa daholo, dimy sisa isika no tavela. Tsy maninona na dimy aza, fa izaho moa FAFI V. Misaotra, Tompoko. Andriamatoa FILOHA Misaotra anao, Andriamatoa Solombavambahoaka. Averina aminareo, Andriamatoa Minisitra, ny fitenenana; anefa mialohan’ny handraisanao fitenenana dia mangataka izahay ato amin’ny Antenimierampirenena, mba ampahalalainao ireo mpiara-miasa aminao, izay tonga manotrona anao, etoana. Misaotra. 69 Andriamatoa ANDRIAMOSARISOA Fanatanjahantena Misaotra, Andriamatoa Filoha. Jean Anicet, Minisitry ny Tanora sy ny Ianareo mpikambana ao amin’ny Birao Maharitra, Ianareo Solombavambahoaka manatrika eto. Amin-kafaliana lehibe tokoa no anoloranay anareo ireto mpiara-miasa, izay tonga manotrona anay amin’izao fihaonantsika eto amin’ny Antenimierampirenena androany izao. Mamelà ahy mba hitsangana ianareo, azafady. Ato amin’ny ilany ankavanana, voalohany dia Andriamatoa JEAN Claude, Tale Jeneralin’ny Fanatanjahantena. Eo akaikiny eo, ny Talen’ny Fanatanjahantena Federaly, Ramatoa Rosa RAKOTOZAFY. Ny Talen’ny Fanatanjahantena ho an’ny rehetra, Andriamatoa FABY. “Docteur” ZARA, mpiara-miasa ao amin’ny Minisitera. Andriamatoa JACKIE, Talen’ny INJ ao Carion Andriamatoa TIZAVO, mpiara-miasa amin’ny Tale Jenaralin’ny TAFITA Eo akaiky eo ny « Directeur des Ressources Humaines », Andriamatoa ERIC, Tale Jeneralin’ny TAFITA. Andriamatoa MAMY, DGI ao amin’ny TAFITA ihany. « Docteur » RICHARD, mpiara-miasa, namolavola ity “projet” ity, ao Minisiteran’ny Fanatanjahantena sy ny Tanora, Andriamatoa TAHINA « Directeur du Protocole ». Izay angamba ireto mpiara-miasa. Iny vao miditra iny, noho ny fotoana mifandipandipatra dia tara ny ankamaroany, Andriamatoa RINA Andriamandavy Seth, Talen’ny Kabinetra. Izay, raha sitrakareo, Tompoko, dia hipetraka amin’izay aho. Eny ary, hiroso avy hatrany amin’ireo resadresaka anatin’ny tolo-kevitra sy ny fanontaniana izay napetrakareo isika. Ny fandraisam-pitenenana voalohany, izay soso-kevitra avy amin’ny Solombavambahoaka, mahakasika ny fampahafantarana, indrindra ny hisian’ny solotena avy ao amin’ny Minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena, momba ny fanolorana Volavolan-dalàna tahaka izao amin’ny fotoana manaraka. Voaray izay soso-kevitra izay ary hita fa tsara tokoa; satria amin’ny maha fanabeazampirenena azy dia anisan’ny mitondra fampianarana tokoa ity karazana Volavolan-dalàna ity. Rariny tokoa raha horaisina izay soso-kevitra izay. Mahakasika ny sakafo dia izay no antony anaovantsika ity famolavolana lalàna ity; satria nanao ny ezaka fampahafantarana amin’ireo mpiara-belona amintsika, indrindra ireo mpanao fanatanjahantena eto Madagasikara dia misy fampiofanana izay tsy maintsy omena an’ireo olona hitondra an’izany fampahafantarana izany any ifotony. Kanefa, raha tsy ankatoavintsika ity lalàna ity dia ho sarotra ho antsika ny hiroso amin’izay, satria amin’ny alalan’ny fankatoavantsika ity lalàna ity no ahafahantsika mahazo fanampiana fampiofanana an’ireo olona hisahana an’izany andraikitra izany, hanaparitaka sy hampianatra ary 70 hampahafantatra an’ireo karazan-tsakafo mety mampatanjaka; nefa mety tsy ho sakafo, fa zavatra hafa azo hanina ka misy an’izay “produit” izay ao anatiny. Raha ny resaka “sport” indray dia nilaza ny namantsika, fa tsy miroborobo ny any amin’ny Distrika. Ekena ary tsy lavina mihitsy izay. Miara-manaiky isika, fa amin’izao fotoana izao dia ny “sport” eto Madagasikara amin’ny ankapobeny mihitsy no tsy mandeha. Mazava ho azy, fa ny any ifotony dia anisan’ny atao hoe voa mafy tokoa, satria samy milaza miara-mahita isika Solombavambahoaka, fa tsy lavorary ny ankamaroan’ireo fotodrafitrasa mahakasika ny fanatanjahantena any amin’ireo Distrika maro, any amin’ireo Kaominina maro eto Madagasikara. Anisan’ny ezaka miandry ny Minisitera ny fanatsarana sy fampitomboana an’ireny fotodrafitrasa mahakasika ny fantanjahantena ireny, mba hamporisika sy hananan’ny tanora risi-po hiroso bebe kokoa amin’izany, satria ao anatin’ny vatana salama no misy ny saina matsilo sy tomady. Betsaka ihany ny resaka mifanandrifindrify tamin’izay teo, ka horaisina an-tànan-droa daholo ny fangatahan’ny Solombavambahoaka, mahakasika ny kianja ao Bealanana, Sambava, Antsirabe ary Manakara. Maromaro izy teo. Koa ny teny azo atao dia aleo alefantsika ny fangatahana, jerentsika miaraka arakarak’izay tetibola misy eo am-pelatànantsika ny fanaovana azy ireny. Mahakasika ny ekipam-pirenentsika amin’ny “foot-ball”, izay nahaliana antsika, ka nanaovantsika soso-kevitra marobe teo. Marina fa ny Minisitera dia miandraikitra ny “sport” rehetra eto Madagasikara ary taranja iray ao anatin’ny 28, izay efa manana federasiona eto Madagasikara ny “foot-ball”. Miaramiaiky isika, fa amin’ny maha “sport roi” azy dia sarotiny tokoa isika, satria io “foot-ball” io no anisan’ny itarafana sahady ny fandrosoan’ny firenena iray amin’izao fotoana izao. Fotoanan’ny “mondial” izao ary mahatsapa isika, fa ny firenena mandroso, amin’ny ankapobeny, no saika tafita amin’ny dingan’ny famaranana amin’izay “mondial” izay. Tsy ataontsika hoe karazana fijerena ny taham-pandrosoan’ny firenena iray aza ny “foot-ball”, fa azo itsapana koa ny atao hoe: fandrosoana na atỳ anivon’ny Kaontinanta misy antsika izany na eo anivon’ny firenena atỳ amin’ny Ranomasimbe Indiana. Voaray ny hetahetantsika sy ny soso-kevitra teo. Voalaza teo koa hoe tamin’ny andron’i PETER Schnidger. Marina tokoa fa nisy ny fitiliana ireo mpilalao izay niainga tany ifotony ary nahitam-bokatra izany. Hojerentsika akaiky ny mahakasika an’izay, fa eto dia tsy maintsy miara-miasa akaiky amin’ny mpikambana ao amin’ny Federasionan’ny “Foot-ball” ny Minisitera. Izany hoe ny taranja rehetra dia misy fiara-miasa amin’ny Minisitera ary tsy afaka mivaona amin’izay fomba fiasa izay isika. Ny teny azo apetraka amintsika sy anomezana toky antsika rehetra eto dia hiezaka ny Minisitera hijery akaiky ny fomba entina hanatsara ny taranja “foot-ball” sy hampandroso azy, ho antsika eto Madagasikara, satria anisan’ny latsaka tokoa izy io raha nanana ny naha izy azy taloha. Tamin’ny andron’i PETER Schnidger, araka ny voalaza teo, tamin’ny andron’i Tompokolahy NTSOA dia nisy fotoana nampisongadina ny baolina kitra teto Madagasikara. Koa heveriko fa fotoana hanarenantsika izao. Raisina daholo ny soso-kevitra rehetra, toy ny hoe: misy ny “foot-balleur” izay milalao ao amin’ny “équipe”-n’i “Lille”, Adriamatoa FRANCK Beria izany. 71 Izahay dia mankasitraka ary vonona ny hifampiresaka aminareo olona manana hevitra entina mijery akaiky an’izay, ho tombotsoan’ny baolina kitra Malagasy. Misokatra ho antsika Solombavambahoaka ny biraon’ny Minisiteran’ny Fanatanjahantena sy ny Tanora ary vonona ny hifampiresaka amin’ny soso-kevitra rehetra sy hetaheta avy atỳ aminareo, izahay. Mbola voalaza teo, fa somary miahiahy ny Solombavambahoakatsika mahakasika ny hoe: tena ilaina ve ny Volavolan-dalàna momba ny “dopage”, satria tsy mbola hita taratra loatra eto amintsika izany. Ny manosika antsika tena hiroso amin’ity, tsara ihany ny mahafantatra, araka ny efa voalazako teo, ankoatran’ny fampianarana sy fampiofanana mety ho azontsika, mba ahafahantsika manatsara ny fanatanjahantena amin’ny ankapobeny sy mampandroso azy eto Madagasikara; satria ireo mpilalaontsika, ireo atletantsika dia mandray anjara amin’ny fifaninana iraisam-pirenena. Isika koa efa nanaiky niditra tao anatin’ity Fikambanana Iraisampirenena ity ary efa nanaiky nanao sonia ny “Convention de l’UNESCO”. Manery antsika mba hiroso amin’ny “ratification”-n’ity Volavolan-dalàna ity izay zavatra izay. Raha atỳ Afrika dia firenena enina sisa no tsy nahavita “ratification” ary raha ato amin’ny Ranomasimbe Indiana kosa dia roa, ka i Madagasikara sy “Djibouti” izany. Isika dia mahafantatra ary efa nolazainay teo, fa i Madagasikara, amin’ny alalan’ny Minisiteran’ny Fanatanjahantena no Filohan’ny Vaomieran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena atỳ anivon’ny Ranomasimbe Indiana. Rehefa namonjy ny fivoriana tsy ara-potoana voalohan’ireo Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena atỳ amin’ny Ranomasimbe Indiana izahay dia anisan’ny voaresaka tao ny mahatara antsika amin’ny fankatoavana an’ity “convention de l’UNESCO” ity. Izay no nanosika anay, fa raha isika Filohan’io “Commission” io indray no mbola tsy nahavita, oharina amin’i “Comores” sy i “Maurice” sy ireo nosy hafa dia henatra lehibe ho antsika izay zavatra izay. Mba hirosoana amin’ny fankatovana ity “ratification” ity, noho izay antony voalaza teo ambony izay no itondrana azy eto aminareo Andrimpanjakana Mpanao Lalàna, mialohan’ny hampiharana azy eto Madagasikara sy any amin’ireo Fikambanana Iraisampirenena miandraikitra azy mivantana. Nisy soso-kevitra nomen’ny Solombavambahoaka voafidy avy any Manakara koa teo, mahakasika ny tokony hanohanana an’ireo “clubs” izay hita fa mihetsiketsika. Ny tena moa talohan’ny nahavoatendry ho Minisitra dia anisan’ny nitantana “club” ary mbola mitantana an’izany amin’izao fotoana izao; ka mahafantatra tsara an’izay, saingy mila jerena akaiky io, Andriamatoa Solombavambahoaka. Ny zavatra misy: hatramin’izao, ny Minisitera aloha dia tsy afaka miara-miasa mivantana amin’ireo “clubs”. Ny antony dia ny Federasiona ihany hatreto no azon’ny Minisitera omena an’izay “subvention” izay. Raha raisintsika an’eritreritra hoe misy “clubs” 10 na 15 isaky ny Faritra, raha ampitomboina 22 izay dia misy “clubs” 200 na 300 izany eto Madagasikara. Sarotra ho an’ny Minisitera ny hanome “subvention” tsirairay ho an’ireo. Mety ho azo atao ihany izay, fa arakaraka ny eo am-pelantànana. Azo atao koa ny mametraka fomba fiasa vaovao, fa tsy maintsy ifampidinihana amin’ny Federasiona izany, satria tsy maintsy miainga avy atỳ amin’ny Federasiona no ahafahantsika miroso amin’izay. 72 Ny resaka “terrains” moa dia efa voalazako teo ny hetahetanao amin’ny fanatsarana azy ireo any amin’ny Faritra misy antsika. Ny Filoha Lefitry ny Antenimierampirenena, voafidy tao Fianarantsoa dia nametraka sosokevitra mahakasika ny fandefasana ireo atletantsika mandray anjara amin’ny fifaninanana iraisam-pirenena. Ny soso-kevitra dia nazava tsara hoe: mba tsy hisian’ny fandaniana be loatra, nefa ahazoana vokatra tsara dia aleo ireo mpanao “sport individuel” no ampiana bebe kokoa, satria ireo no matetika mitondra avo ny lazan’ny firenena. Ekena, Andriamatoa Solombavambahoaka, fa marina tokoa izay. Ny zavatra misy ary tsara ho fantatsika, araka ny voalazako teo dia tsy tokony hisy taranja hatao zanak’Ikalahafa. Izay no fijerinay Minisitera. Na izany aza dia efa nametraka fomba fijery vaovao izahay hoe: ny taranja efa hita fa mandeha dia ampiana tosika bebe kokoa ary jerena koa izay fomba hanampiana ny taranja hita fa osaosa. Mifameno izany, fa izaho moa tsy hitantara vokatra amintsika, fa vao omaly noho omaly anie ny Ekipam-pirenentsika amin’ny “Hand-ball” no nandrombaka ny amboaran’ny “Zone 7”, tao amin’ny Nosy “Maurice”. Nisy Delegasiona 40 ry zareo no nandeha tany ary nahazo vokatra tsara teo amin’ny lahy sy vavy. Heveriko fa tsy tokony ataontsika ambanin-javatra izany, fa fanohanana sy fanampiana, mba ahazoana vokatra tsara no imasoantsika. Mbola hiatrika fifaninana amin’ny amboaran’i Afrika ry zareo, fa fifanintsanana voalohany tatỳ amin’ny “Zone 7” iny vita iny. Araka ny hitantsika, tamin’ireny “sport individuel” natao tany “Botswana” ireny, fa nahazo vokatra ihany isika. Andriamatoa Filoha Lefitra, raisinay ny soso-kevitrao ary hojerena akaiky izay. Tsara ho fantatsika, fa tsy voatery ampian’ny Minisitera 100% ny famatsiam-boala amin’ny “déplacement” ataon’ny mpilalaontsika mankany ampitan-dranomasina, fa misy ampahany, arakaraky ny isan’ny mpikambana ao amin’ny Delegasiona izay mandeha, satria voafetra ny enti-manana. Ny Solombavambahoakan’i Fianarantsoa I, dia nanao soso-kevitra amin’ny fanaraha-maso an’ireo atletantsika entin’ny Federasiona, misolotena ny firenentsika amin’ireo lalao iraisampirenena. Raha nahatadidy isika dia io no anisan’ny teny nataoko tamin’ny fotoana nandraisana ny asa, tamin’ny “passation” hoe: mila jerena akaiky ny fomba fifantenana ireo hisolotena antsika any ampitan-dranomasina. “Equipe nationale” no resaka tamin’izay fotoana izay. Voaray ny hetahetanao, Andriamatoa Solombavambahoaka. Efa ao anatin’ny politikan’ny Minisitera rahateo izay. Mino aho, fa eo am-periny, mitady ny fomba rehetra ahafahana miara-miasa amin’ny Federasiona izahay izao. Farany, ny resaka “Jeux des îles”. Hatao ao amin’ny Nosy “La Réunion” amin’ny taona ho avy ny andiany manaraka. Noho izany, marina tokoa fa efa tokony hisy ny fanomanan-tena ho an’ireo atleta Malagasy. Efa nisy resaka nifanaovanay tamin’ny Minisitry ny Fanatanjahantena sy ny Tanora Maorisiana. Ato ho ato dia hisy fihaonana am-pirahalahiana ho an’ny “foot-ball” sy ho an’ireo taranja hafa hatao eto Madagasikara. Hisy mpilalao avy amin’ny ekipa nasionaly 73 Maorisiana ho tonga eto. Tafiditra ao anatin’ny fanomanan-tenan’ny mpilalaontsika sy ny atletantsika hiatrika ny Lalaon’ny Nosy sahady izay. Eo koa ny fampivondronana ny mpilalao rehetra heverina fa handray anjara sy hisolotena antsika amin’izay fotoana izay. Kasaina hatao amin’ny volana Septambra sy Oktobra ho avy izao izany. Miankina amin’ny entimanana moa no ahafahantsika miroso sy manatanteraka an’izay. Izay angamba no amaramparanana ny resaka. Mankasitraka, mankatelina antsika Solombavambahoaka. Andriamatoa Filoha, Ianareo mpikambana ao amin’ny Birao Maharitra, Ianareo Andriamatoa sy Ramatoa isany Solombavambahoaka. Tahaka izay no resaka nifampizarana teto, mikasika ireo soso-kevitra sy fanontaniana napetrakareo. Mankasitraka sy mankatelina, naharitra nihaino hatramin’ny farany. Koa dia manantena izahay fa holaniantsika ity Volavolan-dalàna ity, mba ahafahantsika manatsara sy mampiroborobo ary mampandroso ny fanatanjahantena amin’ny ankapobeny sy ny tanora eto Madagasikara. Misaotra, Tompokolahy. Mankasitraka, Tompokovavy. - Tehaka - 28 - Fandraisana fanapahan-kevitra mikasika ny Volavolan-dalana laharana faha-001/2013 tamin’ny 27 martsa 2013 « Autorisant la ratification de la Convention Internationale contre le dopage dans le Sport conclue entre la République de Madagascar et les Etats Parties de la Conférence de l’UNESCO du 19 octobre 2005 » Andriamatoa FILOHA Mankasitraka, mankatelina, Andriamatoa Minisitra, tamin’ny fanampim-panazavana nomenao ary ankasitrahana ihany koa ny vaovao tsara mahafinaritra izay nomenao; satria ilain’ny Malagasy ny maheno ny vaovao tsara mahakasika azy. Izay no ela, fa dia hiditra amin’ny fandraisana fanapahan-kevitra isika izao. Izay mahalany an’ity Volavolan-dalàna ity atsangano ny tànana. - Solombavambahoaka maro no nanangan-tànanaTsy misy mitsipaka? - Tsy misy Izay tsy milaza ny heviny? - Tsy misy - 74 -TehakaAmbarako fa lany ny Volavolan-dalàna laharana faha-001/2013 tamin’ny 27 martsa 2013 « autorisant la ratification de la Convention Internationale contre le dopage dans le sport conclue entre la République de Madagascar et les Etats parties de la conférence de l’UNESCO du 19 oktobre 2005 ». Arahabaina ianareo avy ao amin’ny Minisitera, indrindra ianao Andriamatoa Minisitra. Arahabaina ihany koa ary isaorana isika, izay nilofo niasa mikasika an’io Volavolan-dalàna io, tao amin’ny Vaomieran’ny Fanatanjahantena sy ny Tanora. Mazava ho azy, misaotra antsika Solombavambahoaka tsy ankanavaka, ihany koa. - Tehaka Satroka kely, fa tsy maintsy omentsika lalana Andriamatoa Minisitra. Andriamatoa RAVELOARIVONJY Behavana Andriamatoa Minisitra, raha mba misy “évènement sportif” lehibe; ohatra raha mba misy “équipe international” tonga eto dia mangataka izahay Solombavambahoaka, omeo fanasana izahay mba hipetraka amin’ny toerana iray, ka ho entinay any amin’ny Faritra misy anay ny zavatra hitanay eo; satria ny ankabeazanay ireto dia “sportifs” daholo. Aza atao hoatran’ny an’ny sasany hoe: omena fanasana izahay, nefa mitsangana toy ny “garde du corps”-n’ny Minisitra. Sarotiny amin’izany izahay, fa mba omena toerana; ho tonga izahay hanamaro isa. Raha mety, Tompoko, azafady. Andriamatoa FILOHA Eny ary, raha mbola misy tianao ambara vetivety, Andriamatoa Minisitra, dia omena anao ny fitenenana. Andriamatoa ANDRIAMOSARISOA Jean Anicet, Minisitry Tanora sy ny Fanatanjahantena Misaotra, Andriamatoa Filoha. Ianareo mpikambana ao amin’ny Birao Maharitra, Ianareo Solombavambahoaka izay manatrika eto. Voaray tokoa ny hetahetan’ny Solombavambahoaka namantsika teo. Tsara ny manamafy, fa ny “événement sportif” dia saika ry zareo ao amin’ny “mouvement sportif” no tompon’andraikitra mivantana amin’ny fikarakarana azy. Ny fiahiana kosa dia saika ny Minisitera amin’ny ankapobeny no manao izany. Ezahana ny hijery akaiky an’izay, satria ny andraikitry ny Minisitera dia manara-maso sy mandrindra ny fandaminana rehetra momba izany. Manome famatsiam-bola koa araka izay misy eo am-pelantànana. Voaray ny hetahetanao, Andriamatoa Solombavambahoaka. Atao izay ahafahantsika Solombavambahoaka mahazo an’ireny karatra fanasana ireny rehefa misy “événement sportif international” atao eto amintsika. Farany Andriamatoa Filoha, dia mankasitraka indrindra tamin’ny hamoram-potsika Solombavambahoaka rehetra, tamin’ny fandaniana ny Volavolan-dalàna ary eto dia manan- 75 kambara kely: izahay ato amin’ny Minisiteran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena dia maneho etoana ny fankasitrahana ny Vaomiera. Ny Minisiteran’ny Tanora sy Fanatanjahan-tena, Ramatoa Filohan’ny Vaomiera dia mankasitraka ny fiaraha-miasa aminao. Tsara ny milaza amintsika, fa manana fomba fiasa tahaka izao izahay ao amin’ny Minisiteran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena: manokatra birao ao amin’ny Minisitera, ho an-dRamatoa Solombavambahoaka, Filohan’ny Vaomiera, izahay. Faharoa, misy fiarakodian’ny Minisitera atolotray hampiasain-dRamatoa Filohan’ny Vaomieran’ny Tanora sy Fanatanjahantena koa. Misaotra sy mankasitraka, Andriamatoa Filoha. Misaotra, Tompokovavy. Mankasitraka, Tompokolahy. Andriamatoa FILOHA Eny ary. Mamerina ny fisaorana anao sy ireo mpiara-miasa aminao, Andriamatoa Minisitra. Omen-dalana ianareo, Tompoko. Eny ary, izay angamba no izy raha ohatra tsy misy “thème” hafa horesahantsika. Misy satroka, omena anao ny fitenenana, Andriamatoa Solombavambahoaka. Andriamatoa RASOLONOMENJANAHARY Fidélis Justin Misaotra Andriamatoa Filoha. Ny ahy fanamafisana fotsiny ny amin’ilay “assiduité”: mahamenatra ny fahavitsiana tahaka izao, ka mba itadiavo hevitra. Manaraka raha mety, Andriamatoa Filoha: rehefa mba fivoriambe sahala amin’izao dia tokony tsy miala amin’ilay “sujet” isika. Efa lazaina dieny mialoha raha mety, hoy aho, mba asiana “divers”, satria manararaotra izahay Solombavambahoaka, mihaona amin’ireo Mambran’ny Governemanta ireo, ireo Minisitra ireo dia aorian’ny “adoption”-n’ny zavatra atao, izay vao mba misy ny “divers” ahazoana mifampiresaka, satria lasa mivoaka ilay olona dia tsy misy hanangan-tànana intsony ato, ka mahamenatra. Misaotra, Andriamatoa Filoha. .'É;.t,-, 76 -29 - Fiatoan'nyfivorianaAndriamatoaFILOHA M i s a o t r aa n a o ,A n d r i a m a t oS ao l o m b a v a m b a h o a k a . Efavoaresaka ihanykoa ny fomba teo ny tsy fahatongavana Efavoaresaka sy ny "assiduité". fifaneraseran a ami n-dryzareoM panatanteraka. N y m o r a a m i n ' i od i a m a n a t o n af o t s i n yi s i k a i, n d r i n d r an y M i n i s i t r as a h a l aa m i n ' i r e n ys, a t r i a efa nitenyizyteo hoe: misokatrany varavarany. isikamanatonaazyna Tsytokonyhisalasala m a n a t o n an y m p i a r a - m i a saam i n y . Rahaohatratsy misy "thème" hafa ifampiresahana intsonydia tapitra etoanany asantsika t a m i n ' i t yh e r i n a n d r o ity. Misaotraantsikarehetranaharitrahatramin'nyfarany. Herinandro s o m a r ym a f i m a f yi h a n yi z y i t y ; k o a d i a i s a o r a n a n t s i k at a m i n ' n ya s a ,i n d r i n d r a i s i k at a o a n a t i n ' n yV a o m i e r a . n a n a t o n t o saar a k ai z a y l s a o r a k om a n o k a n ak o an y a t o a m i n ' n yB i r a oM a h a r i t r ai,z a yn i e z a k a azo atao, ny fivoriantsika.Mbola mametrakany fialan-tsiny,AndriamatoaFiloha,izay m a m i t ai r a k aa n yi v e l a n ya m i n ' i z a foo t o a n ai z a o . M i k a s i k an y a m i n ' n yh e r i n a n d r o a m b o n yd i a a l e os a m ym i j e r yS M S ,m b a a h a f a n t a r a nhao e : a h o a n an o f a n d r i n d r a n t s i knay z a v a - m i saym i n ' i z a y . Tiakony mampitaamintsikafa ao ivelanyao, rahatsy diso aho, na tsy fantatrohoe aizano izayte-hanatrikany matsosy misy ny fisoratanaanaranaho an'ireoSolombavambahoaka, t e - h a n a of a n k a l a z a nnay f a h a - 2 6J o n ae t o A n t a n a n a r i v o . , ba ahafahan'izay T o k o n ym i s o r a t r aa n a r a n aa m i n ' n yf o m b a f a r a n ' i z a yh a i n g a n ai a n a r e om m a n a t a n t e r a ki za a n yh, a m b o a t r a n y t o k o n yh a t a o n y . lzay angambano azokolazaina,fa aleo ampanenoakokely raha sitrakareo,fa tsy ahy ny l a k o l o s yf a , t a p i t r an y h e r i n a n d r d o i a a m p a n e n o a kkoe l yi z y . - Lakolosy N i a t ot a m i n ' n y2 o r a s y 5 0 m i n i t r at,o l a k ' a n d r on,y f i v o r i a n a . f-H '; lJ ltj$ FIZAHAN-TAKELAKA Pejy - Fitohizan’ny fivoriana ………………………………………………………………….……………………………… 01 - Teny nataon’Andriamatoa FILOHA …………………………………………………………………………….. 01 - Fiantsoana anarana ……………………………………………………………………………………………………. 01 - Teny nataon’Andriamatoa RANDRIANARISOA Rivoniaina Guy Célin ………………………….. 01 - Fandinihana sy fandraisana fanapahan-kevitra mikasika ny Volavolan-dalàna laharana faha-001/2014 tamin’ny faha-11 May 2014, momba ny Fandravonana ny Fitantanana ny Volam-panjakana taona 2007 …….………….. 02 - Teny nataon’Andriamatoa FILOHA ……………………………………………………………………………… 02 - Famakiana ny tatitra …………………………………………………………………………………………………. 02 - Teny nataon’Andriamatoa RAZAFIMILY Constance ……………………………………………………. 02 - Teny nataon’Andriamatoa RANDRIANAIVOSON Andrianavalona Fanomezanjaka ……… 03 - Fanamarihana na fanintsiana ny tatitra …………………………………………………………………….. 06 - Teny nataon’Andriamatoa FILOHA …………………………………………………………………………….. 06 - Teny nataon’Andriamatoa RANDRIANASOLO Brice, Talen’ny Kabinetran’ny Minisiteran’ny Fitantanam-bola sy ny Tetibola ……………………….. 07 - Fandraisana fanapahan-kevitra mikasika ny Volavolan-dalàna laharana faha-001/2014 tamin’ny faha-11 May 2014 momba ny Fandravonana ny Fitantanana ny Volam-panjakana, taona 2007 …………………………………………………………. 07 - Teny nataon’Andriamatoa FILOHA …………………………………………………………………………….. 07 - Teny nataon’Andriamatoa RANDRIANASOLO Brice, Talen’ny Kabinetran’ny Minisiteran’ny Fitantanam-bola sy ny Tetibola ……………………….. 08 - Teny nataon’Andriamatoa FILOHA …………………………………………………………………………….. 09 - Fandinihana sy fandraisana fanapahan-kevitra mikasika ny Volavolan-dalàna laharana faha-005/2014 tamin’ny 28 May 2014, miady amin’ny asa fampihorohoroana sy ny heloka bevava voarindra mahakasika firenena maro …….. 09 - Famakiana ny tatitra ………………………………………………………………………………………………….. 09 - Teny nataon’Andriamatoa TODY Arnaud ……………………………………………………………………. 09 - Teny nataon’Andriamatoa FILOHA ……………………………………………………………………………… 13 - Teny nataon’Andriamatoa RAVELOARIVONJY Behavana ……………………………………………. 13 - Fampahafantarana ireo solotenan’ny Governemanta ………………………………………………… 13 - Teny nataon-dRamatoa RAMANANTENASOA Noëline, Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana ……………………..……………… 13 - Teny nataon’Andriamatoa FILOHA ……………………………………………………………………………… 14 - Teny nataon-dRamatoa RAMANANTENASOA Noëline, Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana …………………………………….. 14 - Adihevitra ankapobeny ………………………………………………………………………………………………. 14 - Teny nataon’Andriamatoa FILOHA ……………………………………………………………………………… 14 - Teny nataon’Andriamatoa ANDRIAMITANTSOA Benjamin …………………………………………. 14 - Teny nataon’Andriamatoa FILOHA ……………………………………………………………………………… 15 - Teny nataon’Andriamatoa RAKOTOMANJATO Rodin Georges Edmond ……………………… 15 - Teny nataon’Andriamatoa FILOHA ……………………………………………………………………………… 16 - Teny nataon’Andriamatoa RAHASIMANANA Paul Bert ………………………………………………..16 - Teny nataon’Andriamatoa FILOHA ……………………………………………………………………………… 17 - Teny nataon’Andriamatoa RAHOLDINA RANAIVO Herinantsoina ……………………………….. 17 - Teny nataon’Andriamatoa FILOHA ……………………………………………………………………………… 19 - Teny nataon-dRamatoa RATSIVALAKA née RAHERIARIVONY Marie Michelle ……………. 19 - Teny nataon’Andriamatoa FILOHA ……………………………………………………………………………… 20 - Teny nataon’Andriamatoa TODY Arnaud …………………………………………………………………… 20 - Teny nataon’Andriamatoa FILOHA ……………………………………………………………………………… 21 - Teny nataon’Andriamatoa RAVELOARIVONJY Behavana ……………………………………………. 21 - Teny nataon’Andriamatoa FILOHA …………………………………………………………………………….. 21 - Teny nataon’Andriamatoa RAHOLDINA RANAIVO Herinantsoina ……………………………….. 22 - Teny nataon’Andriamatoa FILOHA …………………………………………………………………………….. 22 - Teny nataon’Andriamatoa HOUSSEN ABDALLAH ……………………………………………………….. 22 - Teny nataon’Andriamatoa FILOHA …………………………………………………………………………….. 22 - Teny nataon-dRamatoa RAVELOHANITRA Nirina ……………………………………………………….. 23 - Teny nataon’Andriamatoa FILOHA …………………………………………………………………………….. 23 - Teny nataon-dRamatoa RAMANANTENASOA Noëline, Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana …………………………………… 23 - Teny nataon’Andriamatoa RAZARANAINA Jean Claude, Tale Jeneraly SAMIFIN …………. 27 - Teny nataon’Andriamatoa FILOHA ……………………………………………………………………………… 28 - Teny nataon-dRamatoa RATSIVALAKA née RAHERIARIVONY Marie Michelle ……………. 28 - Teny nataon’Andriamatoa FILOHA …………………………………………………………………………….. 29 - Teny nataon-dRamatoa RAMANANTENASOA Noëline, Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana …………………………………….. 29 - Fandraisana fanapahan-kevitra mikasika ny ny Volavolan-dalàna laharana faha-005/2014 tamin’ny 28 May 2014, miady amin’ny asa fampihorohoroana sy ny heloka bevava voarindra mahakasika firenena maro ………………………………………….. 29 - Teny nataon’Andriamatoa FILOHA ……………………………………………………………………………… 29 - Fandinihana sy fandraisana fanapahan-kevitra mikasika ny Volavolan-dalàna laharana faha-006/2014 tamin’ny 28 May 2014 « sur la lutte contre la Cybercriminalité » …………………………………………………………………… 30 - Teny nataon’Andriamatoa FILOHA …………………………………………………………………………….. 30 - Famakiana ny tatitra ………………………………………………………………………………………………….. 30 - Teny nataon’Andriamatoa TODY Arnaud ……………………………………………………………………. 30 - Teny nataon’Andriamatoa FILOHA …………………………………………………………………………….. 33 - Teny nataon-dRamatoa VOLAHAINGO Marie Thérèse ………………………………………………. 33 - Teny nataon’Andriamatoa FILOHA ……………………………………………………………………………… 34 - Teny nataon-dRamatoa RAMANANTENASOA Noëline, Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana ……………………………………… 34 - Teny nataon’Andriamatoa FILOHA ……………………………………………………………………………… 34 - Fandraisana fanapahan-kevitra mikasika ny Volavolan-dalàna laharana faha-006/2014 tamin’ny 28 May 2014 « sur la lutte contre la Cybercriminalité » ……… 35 - Teny nataon’Andriamatoa FILOHA ……………………………………………………………………………… 35 - Teny nataon-dRamatoa VOLAHAINGO Marie Thérèse ……………………………………………….. 35 - Teny nataon’Andriamatoa FILOHA …………………………………………………………………………….. 35 - Teny nataon-dRamatoa RAMANANTENASOA Noëline, Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana …………………………………….. 36 - Teny nataon’Andriamatoa FILOHA …………………………………………………………………………….. 36 - Teny nataon’Andriamatoa TODY Arnaud ……………………………………………………………………. 36 - Teny nataon’Andriamatoa FILOHA ……………………………………………………………………………… 36 - Teny nataon’Andriamatoa TODY Arnaud …………………………………………………………………… 36 - Fandinihana sy fandraisana fanapahan-kevitra mikasika ny Volavolan-dalàna laharana faha-007/2014 tamin’ny 28 May 2014 « portant institution de la Commission Nationale Indépendante des Droits de l’Homme » …………………………. 36 - Teny nataon’Andriamatoa FILOHA ……………………………………………………………………………… 36 - Famakiana ny tatitra ………………………………………………………………………………………………….. 37 - Teny nataon’Andriamatoa TODY Arnaud ……………………………………………………………………. 37 - Fanamarihana na fanitsiana ny tatitra ……………………………………………………………………….. 39 - Teny nataon’Andriamatoa FILOHA …………………………………………………………………………….. 39 - Teny nataon-dRamatoa VOLAHAINGO Marie Thérèse ………………………………………………. 40 - Teny nataon’Andriamatoa FILOHA ……………………………………………………………………………… 40 - Teny nataon-dRamatoa RAMANANTENASOA Noëline, Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana ……………………………………… 40 - Adihevitra ankapobeny ………………………………………………………………………………………………. 40 - Teny nataon’Andriamatoa DJAOSERA Irenée ……………………………………………………………… 40 - Teny nataon’Andriamatoa RAKOTOMANJATO Rodin Edmond Georges …………………….. 40 - Teny nataon’Andriamatoa FILOHA …………………………………………………………………………….. 42 - Teny nataon’Andriamatoa TODY Arnaud …………………………………………………………………… 42 - Teny nataon’Andriamatoa FILOHA …………………………………………………………………………….. 43 - Teny nataon’Andriamatoa RAHOLDINA RANAIVO Herinantsoina ………………………………. 43 - Fandraisana fanapahan-kevitra mikasika ny Volavolan-dalàna laharana faha-007/2014 tamin’ny 28 May 2014 « portant institution de la Commission Nationale Indépendante des Droits de l’Homme » ………………………….. 43 - Teny nataon’Andriamatoa FILOHA …………………………………………………………………………….. 43 - Teny nataon-dRamatoa RAMANANTENASOA Noëline, Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana ……………………………………. 44 - Fandinihana sy fandraisana fanapahan-kevitra mikasika ny Tolo-pehin-kevitra laharana faha-002-2014/R, hananganana Vaomiera mpanadihady eo anivon’ny Parlemanta, mahakasika ireo olana momba ny fananan-tany eto Madagasikara ……….. 44 - Teny nataon’Andriamatoa FILOHA …………………………………………………………………………….. 44 - Famakiana ny tatitra ………………………………………………………………………………………………….. 45 - Teny nataon’Andriamatoa RATOVOSON Manoelina Hery …………………………………………. 45 - Teny nataon’Andriamatoa FILOHA …………………………………………………………………………….. 48 - Teny nataon’Andriamatoa NIVO Rufin ……………………………………………………………………….. 48 - Teny nataon’Andriamatoa RAHOLDINA Naivo Herinantsoina …………………………………….. 48 - Teny nataon’Andriamatoa FILOHA ……………………………………………………………………………… 49 - Teny nataon’Andriamatoa RAHOLDINA Naivo Herinantsoina …………………………………….. 49 - Fandraisana fanapahan-kevitra amin’ny fametrahana ny Vaomiera …………………………. 50 - Teny nataon’Andriamatoa FILOHA ……………………………………………………………………………… 50 - Teny nataon’Andriamatoa RAHOLDINA Ranaivo Herinantsoina …………………………………. 50 - Fifidianana ny Filohan’ny Vaomiera mpanadihady eo anivon’ny Parlemanta, mahakasika ireo olana momba ny fananan-tany eto Madagasikara ……………………………. 50 - Teny nataon’Andriamatoa RAHOLDINA Ranaivo Herinantsoina …………………………………. 51 - Teny nataon’Andriamatoa FILOHA ……………………………………………………………………………… 51 - Teny nataon’Andriamatoa RAKOTOMANJATO Rodin Edmond Georges ……………………… 51 - Teny nataon’Andriamatoa FILOHA …………………………………………………………………………….. 52 - Teny nataon’Andriamatoa RAHOLDINA RANAIVO Herinantsoina ……………………………….. 52 - Teny nataon’Andriamatoa FILOHA …………………………………………………………………………….. 52 - Teny nataon’Andriamatoa RAVELOARIVONJY Behavana …………………………………………… 53 - Teny nataon’Andriamatoa FILOHA ……………………………………………………………………………… 53 - Teny nataon-dRamatoa RATSIVALAKA née RAHERIARIVO Marie Michelle ………………… 53 - Teny nataon’Andriamatoa FILOHA …………………………………………………………………………….. 53 - Teny nataon’Andriamatoa RAHOLDINA RANAIVO Herinantsoina ………………………………. 54 - Teny nataon’Andriamatoa FILOHA …………………………………………………………………………….. 55 - Fandinihana sy fandraisana fanapahan-kevitra mikasika ny Volavolan-dalàna laharana faha-001/2013 tamin’ny 27 Martsa 2013 « Autorisant la ratification de la Convention Internationale contre le dopage dans le Sport conclue entre la République de Madagascar et les Etats Parties de la Conférence de l’UNESCO du 19 Octobre 2005 » ……………………………………………………………………………… 56 - Teny nataon’Andriamatoa FILOHA …………………………………………………………………………….. 56 - Famakiana ny tatitra ………………………………………………………………………………………………….. 56 - Teny nataon’Andriamatoa RATOVOSON Manoelina Hery ………………………………………….. 56 - Teny nataon’Andriamatoa FILOHA …………………………………………………………………………….. 59 - Famelabelarana ny antonanton’ny Volavolan-dalàna ………………………………………………… 59 - Teny nataon’Andriamatoa ANDRIAMOSARISOA Jean Anicet, Minisitry Tanora sy ny Fanatanjahantena …………………………………………………………………….. 59 - Adihevitra ankapobeny ………………………………………………………………………………………………. 61 - Teny nataon’Andriamatoa FILOHA …………………………………………………………………………….. 61 - Teny nataon’Andriamatoa RAOLIDINA RANAIVO Herinantsoina ………………………………… 61 - Teny nataon’Andriamatoa FILOHA ……………………………………………………………………………. 62 - Teny nataon’Andriamatoa RASOLONOMENJANAHARY Fidélis Justin …………………………. 62 - Teny nataon’Andriamatoa FILOHA …………………………………………………………………………….. 63 - Teny nataon-dRamatoa VOLAHAINGO Marie Thérèse ………………………………………………. 63 - Teny nataon’Andriamatoa NASSER Ahmed ………………………………………………………………… 63 - Teny nataon’Andriamatoa FILOHA …………………………………………………………………………….. 64 - Teny nataon’Andriamatoa RAVELOARIVONJY Behavana ……………………………………………. 64 - Teny nataon’Andriamatoa FILOHA …………………………………………………………………………….. 65 - Teny nataon’Andriamatoa ZAFIMAHATRATRA Abel …………………………………………………… 65 - Teny nataon’Andriamatoa FILOHA …………………………………………………………………………….. 66 - Teny nataon’Andriamatoa ANDRIANARIVO Harimampianina Razakarivelo ………………. 67 - Teny nataon’Andriamatoa FILOHA …………………………………………………………………………….. 67 - Teny nataon’Andriamatoa RATOVOSON Manoelina Hery …………………………………………. 67 - Teny nataon’Andriamatoa FILOHA …………………………………………………………………………….. 68 - Teny nataon’Andriamatoa RAHOLIDINA Ranaivo Herinantsoina ………………………………… 68 - Teny nataon’Andriamatoa ANDRIAMOSARISOA Jean Anicet, Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena ……………………………………………………………….. 69 - Fandraisana fanapahan-kevitra mikasika ny Volavolan-dalana laharana faha-001/2013 tamin’ny 27 martsa 2013 « Autorisant la ratification de la Convention Internationale contre le dopage dans le Sport conclue entre la République de Madagascar et les Etats Parties de la Conférence de l’UNESCO du 19 octobre 2005 » …………………………………………………………… 73 - Teny nataon’Andriamatoa FILOHA ……………………………………………………………………………… 73 - Teny nataon’Andriamatoa RAVELOARIVONJY Behavana ……………………………………………. 74 - Teny nataon’Andriamatoa FILOHA ……………………………………………………………………………… 74 - Teny nataon’Andriamatoa ANDRIAMOSARISOA Jean Anicet, Minisitry Tanora sy ny Fanatanjahantena …………………………………………………………………….. 74 - Teny nataon’Andriamatoa FILOHA ……………………………………………………………………………… 75 - Teny nataon’Andriamatoa RASOLONOMENJANAHARY Fidélis Justin ………………………….. 75 - Teny nataon’Andriamatoa FILOHA ……………………………………………………………………………… 76 - Fiatoan’ny fivoriana …………………………………………………………………………………………………… 76
© Copyright 2024 Paperzz